- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny malaza ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Toniziana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tonizia, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2006)

Natao tamin'ny asabotsy 15 Aprily ny fihaonan'ny bilaogera Toniziana faha-12, izay nanamarika ny taona manontolo ny fihaonana. Marobe tsy mbola nisy toy izany ireo bilaogera tonga tao, teo amin'ny 35 teo izy ireo, ary mihoatra ireo tranainy ny isan'ny endrika vaovao. MMM [1], Marsawi (FR) [2] sy Bouzguelif (FR) [3] manoratra momba izany.

Tunizika, fandraketam-peo mozika Toniziana, namoaka ny andiany faha-14 [4] tamin'ny fifangaroana Jazz, Blues, Rock ary Soul tamin'ny alalan'ny hira avy amin'i Mamdouh Bahri, Issam Mahfoudhi, le Ptypont ary Mawel.

Thysdrus manoratra momba ny sarimihetsika Toniziana Bab El Arch (Ny varavarana mankany amin'ny seza fiandrianana) [5] novokarin'ilay tale Toniziana Mokhtar Laadjimi. Faritan'ny tale toy ny saga ho an'ny tanora mpanao gazety Toniziana iray izay tratra teo anelanelan'ny “famosirana ara-tsaina” sy “famosirana ara-pananahana” ary ny tolony amin'ny toe-draharaha ara-pianakaviana sy ara-tsosialy manempotra ny sarimihetsika.

Swifty indray manoratra momba ny mahatonga an'i Kanadà ho toerana lehibe faleha vaovao ho an'ny mpifindra monina Toniziana [6], ary manome lisitra mahaliana momba ny tombontsoa sy ny voka-dratsin'ny firenena avy amin'ny fomba fijery Toniziana.

MMM manoratra momba ny toetry ny sinema any Tonizia [7] sy ny tsy fisian'izy ireo amin'ny lafiny rehetra amin'ny traikefa an-tsehatra. Heveriny fa tsy manana toerana ahafahan'ny olona miala voly i Tonizia, ary safidy lehibe ho an'ireo mpampiasa vola mba hitsofohany ny sehatra vaovao amin'ny sinemà.

Troubadour manoratra momba ny fomba nahitan'ny mpampiasa azy ny bilaoginy [8], izay anoratany indraindray momba ireo zavatra manahirana azy any am-piasana, ary ny nahatonga azy ho voaraoka noho izany. Mihevitra ny tokony hataony amin'izao fotoana izao izy, raha tokony hanohy ny bilaogy izy na tsia. Tapa-kevitra ny hanohy hanoratra izy nony farany.

Felsfa miresaka momba ny tanànan'i El Mellassine malaza any Tunis [9], sy ny fomba niovan'izany avy amin'ny ala mikitroky ny jiolahy izay lasa  tsena ahitanao saika ny zava-drehetra amin'ny vidiny ambany.
Miresaka momba ireo jiolahy mifanaja avy amin'ny faritra samihafa ao Tonizia izy ary manoritsoritra ny firaisankinana eo amin'ireo andian-jiolahimboto ao amin'ny faritr'i Mellassine, izay mpivarotra any amin'ireny tsena ireny. Milaza tantara vitsy mahafinaritra sy traikefa avy eny an-tsena ihany koa izy.

Slaim kosa mihevitra fa tokony hanangana ny Faritrany Manokana Formule One i Tonizia [10]. Mihevitra izy fa ho fampiasam-bola tsara amin'ny fizahantany izany mba hisarihana ireo mpankafy Formula One, indrindra fa i Tonizia no toerana tena akaiky avy any Eoropa.