- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kambodja: Fahatsiarovana Ny Fanafahana Sa Ny Fananiham-bohitra?

Sokajy: Kambodza, Vietnam, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2009)

Ny 7 janoary 1979, nesorina teo amin'ny fahefana ny fitondran'ny Khmer Rouge tao Kambodja. Voampanga ho nikotrika ny fandripahana Kambodjiana marobe maherin'ny iray tapitrisa ny fitondrana kaominista. Tamin'ny faran'iny herinandro iny, nanamarika ny tsingerintaona faha-30 [1]taonan'ny fianjeran'ny Khmers Rouges ny governemanta Kambodjiana (amin'ny teny anglisy avokoa ny rohy rehetra). Saingy nizarazara ny hevitra mba hahalala raha toa io andro io tsy maintsy ho marihana ho toy ny fanafahana na ny an'ny fananiham-bohitra, satria i Vietnam, izay nanampy tamin'ny fanonganana ireo Khmers Rouges, dia nibodo an'i Kambodja hatramin'ny taona 1988.

Notsipihan'ny Praiminisitra Hun Sen fa ny 7 Janoary 1979 no fandresena nanoloana ny fandripahana olona faobe [2]. Tsikerainy ireo mandà tsy hankalaza ilay fotoam-pahatsiarovana:

Izao no fahamarinana ara-tantara, izay, na ireo vondrona manam-pahendrena sy mahery fihetsika aza dia tsy maintsy manaiky. Raha sahy tsy hanaiky ny fahamarinana ianao, tsy olombelona izany ianao, tena biby ianao. Izay no marina. Raha tsy nisy ny 7 Janoary 1979, mety tsy ho nisy ny anio.

Saingy hazavain'i Sophan Seng ny antony tsy anarahan’ [3]ny Kambodjiana rehetra an'ilay fankalazana :

Tsy mampiseho tsara an'ireo Kambodjiana rehetra ao amin'ny firenena manontolo ny fankalazana an'io andro io. Ny antokom-bahoaka Kambodjiana (CPP) ihany no nankalaza azy io, izay teo amin'ny fitondrana hatramin'ny andron'ny 7 Janoary 1979.

Tsy nankatoavin'ny vahoaka Kambojiana manontolo izy io (ny CPP). Na inona na inona lohahevitra nentina hanomezana lanja ny fankalazana tsirairay, an'ny CPP foana ireny lohahevitra ireny, ary mampahatsiahy marina amin'ny vahoaka Kambojiana ny habibiana, ny fananiham-bohitry ny vahiny sy ny fizarazarana eo amin'ireo Kambodjiana.

Marihan'i Modern Progressive Khmer ny fibodoan'i Vietnam an'i Kambodja [4] taorian'ny 7 Janoary 1979:

Ny 7 Janoary no nampitsahatra ho azy ny famonoana, saingy tsy mbola tsy afaka foana i Kambodja. Nobodoin'i Vietnam i Kambodja ; noho izany ara-pamaritana, tsy mbola afaka i Kambodja. Izay no nahatonga ny teny hoe “fanafahana” hampiseho olana araka ny heviny goavana. Tsy afaka ny hilaza tena ho afaka raha toa tsy afaka mamaritra ny hoaviny [Ny Miresaka] fahafahana dia tsy tokony ho lavitra ny fahamarinana. Izao tontolo izao mahalala fa teo ambany fifehezan'i Vietnam i Kambodja hatramin'ny andro izay nanafihany an'i Kamboja ka hatramin'ny nialàny teo ambany vahohony.

Mihevitra ny mpanohitra fa ny 23 Oktobra 1991 no tonga ny tena andron'ny fanafahana [5], rehefa voasonia tany Parisy. ireo fifanarahana fandriampahalemana.  Manasongadina teboka iray hafa i Sam Rainsy [6], solombavambahoaka an'ny mpanohitra:

Ny fankalazana ny 7 Janoary tsy isainana akory ny fijerena ara-tantara mivelatra kokoa, dia fanaovana ny lalaon'ny fitondran'i Phnom Penh ankehitriny, izay ny hany antom-pisiany taloha dia ny “manafaka” ny vahoaka Kambodjiana amin'ireo Khmers Rouges miaraka amin'ny fanampiana tsy misy fepetra sy tsy mikatsaka tombontsoa avy amin'i Vietnam.

Omen'ny The Son of the Empire ny famintinana voalohany  an'ireo hevitra [7] mikasika ilay olana. Nampakatra ireo sary mikasika ny fankalazana nokarakarain'ny governemanta [8] tamin'ny herinandro lasa teo ny Khmerization.