- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Etazonia: Fanomezam-boninahitra an'i Dr. Martin Luther King, Jr.

Sokajy: Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Etazonia, Madagasikara, Fitantanam-pitondrana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 19 Janoary 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Teraka tamin'ny 15 Janoary 1929 i Martin Luther King, Jr. [1] ary azo antoka fa izy no ilay mpisolovava sady mpandahateny malaza tamin'ny Hetsiky ny Zo Sivily Amerikana. Any Etazonia, nomem-boninahitra hisy fety manerana ny firenena izy, izay isaky ny Alatsinainy fahatelon'ny volana Janoary isan-taona. Maro ireo bilaogera any Etazonia no nanome voninahitra ny fahatsiarovana azy tamin'ireo lahatsoratra manokana, ary nampifandray ny lovany tamin'ny rariny ara-tsosialy niaraka tamin'ny olana amin'izao fotoana izao, ary nampiseho fa mbola manan-danja hatrany ny teniny 42 taona taorian'ny namonoana nahafaty an'i King.

Mifantoka amin'ny sosiolojian'ny firazanana, ny foko ary ny fifindramonina any Etazonia ny bilaogy The Color Line. Nanontany [2] ilay bilaogera CN hoe hatraiza ny fanatanterahantsika ny nofin'i [3] Martin Luther King Jr .:

Many Americans thought that Barack Obama’s election was the culmination of Dr. King’s dream and concrete proof that we have evolved into a “post-racial,” colorblind society. Unfortunately, as I and many other sociologists and commentators have argued, even in this past year, we have seen numerous incidents [4] that illustrate just how prevalent racial distinctions and racism still are in American society.

Amerikanina maro no mihevitra fa ny fifidianana an'i Barack Obama no faratampon'ny nofinofin'i Dr. King sy porofo mivaingana fa lasa fiarahamonina “efa lasa any aoriana ny fanavakavaham-bolonkoditra” izay tsy mahita volonkoditra intsony isika. Indrisy anefa, raha araka ny voalazako sy ny voalazan'ireo mpandinika ny fiarahamonina maro ary ireo mpanome hevitra hafa fa na dia tamin'ny herintaona aza dia nahitana tranga maro [4] izay mampiseho fa mbola tsikaritra eo amin'ny fiarahamonina Amerikana ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ara-poko .

Taorian'ny adihevitra momba ireo olana maro samihafa momba ny fanavakavaham-bolonkoditra tany Etazonia dia hoy ilay bilaogera namintina:

Ultimately, the best way for us to work toward achieving the ultimate colorblind ideal is to recognize, accept, and understand that racial distinctions still matter and that they are still the basis for continuing discrimination and inequality in American society today. Only by doing so will we move forward on achieving Dr. King’s final ideal — true racial equality.

Raha fintinina, ny fomba tsara indrindra ahafahantsika miasa amin'ny fanatontosana ny tanjona farany amin'ny fiarahamonina tsy mijery volonkoditra dia ny mamantatra, manaiky, ary mahatakatra fa mbola olana ny fanavakavahana ara-pirazanana ary izany no mbola fototry ny fanavakavahana sy tsy fitoviana mitohy eo amin'ny fiarahamonina Amerikana amin'izao fotoana izao. Amin'ny fanaovana izany ihany no handrosoantsika amin'ny fanatanterahana ny tanjon'i Dr King farany- ny fitoviana ara-bolonkoditra tanteraka.

Namoaka lahatsoratra [5] mitondra ny lohateny hoe “Lesona avy amin'i Dr. Martin Luther King, Jr. ho an'i Madagasikara” i Lova Rakotomalala ato amin'ny Global Voices, izay avy eto Madagasikara saingy mipetraka any Etazonia, ary nilaza (raha jerena ny zava-nitranga teto Madagasikara [6] ny taona 2009) izy hoe:

Leadership matters. Real leaders give speeches and then walk the talk, in front of the line.
Leaders do not vanish in a sheltered place when they know things are about to get dangerous and let protesters walk in harm's way to serve their agenda.

The only thing we know for sure about what really happened in Madagascar a year ago is that we could have used a Dr. King back then.

Misy lanjany ny fomba fitantanana. Mikabary ireo mpitondra marina ary avy eo manao laharam-pahamehana ny fanatanterahany ny kabariny .
Tsy manjavona any amin'ny toeram-pialokalofana ny mpitarika rehefa fantatr'izy ireo fa misy ny zava-doza lehibe mitranga ary avela ny mpanao fihetsiketsehana handeha amin'ny lalana mampidi-doza mba hahazoaka tombony amin'ny paikady politikany.

Ny hany zavatra fantatsika momba ny tena zava-nitranga teto Madagasikara ny taona 2009 dia ny tokony nampiasantsika an'i Dr. King tamin'izay fotoana izay.

Nampitaha ny hetsika momba ny zon'ny sivily tamin'ny taompolo 1960 sy ny fifindra-monina ankehitriny ny bilaogy iray any Etazonia Immigration Impact ary nanoratra [7] hoe :

Now, more than ever, it’s important to remember Dr. King’s message that all men are created equal—not just for Hispanics and African Americans, but for all people who come to this country in search of the American Dream.

Ankehitriny, ary na oviana na oviana, zava-dehibe ny mahatsiaro ny tenin'i Dr. King fa noforonina mitovy avokoa ny olona rehetra – tsy ho an'ny Hispanika sy Afrikana Amerikana ihany, fa ho an'ny olona rehetra hitady ny Nofy Amerikana ka tonga eto amin'ity firenena ity.

Mampahatsiahy antsika [8] ilay bilaogera ao ambadiky ny Preventing Homelessness fa midika fanompoana ny fanomezam-boninahitra an'i Martin Luther King, Jr. :

Today is Martin Luther King Jr. Day. A day for all of us to work to improve lives, bridge social barriers, and move our nation closer to the “Beloved Community” that Dr. King envisioned. Today is a day of service, but we don't have to stop there. We can resolve to make this a year of service and make a real difference in our community!

Andron'i Martin Luther King Jr androany. Andro iray ho antsika rehetra ahafahana miasa mba hanatsarana ny fiainana, hanafoanana ny sakana ara-tsosialy, ary hanosehana ny firenentsika hanakaiky kokoa ny “Fiarahamonina Malala” izay novinavinain'i Dr. King. Andro fanompoana (servisy) ny andro androany, saingy tsy voatery hijanona eto isika. Azontsika atao ny miova mba hanatanterahana ity taona fanompoana ity ary hanova tanteraka ny fiarahamonintsika!

Ary farany fa tsy ny kely indrindra, mamela antsika [9] hisaintsaina momba ny fampiharana ny lesona nomen'i King ny bilaogy manohitra ny fanavakavaham-bolonkoditra Racism Review :

This Martin Luther King, Jr. Day, I hope and pray we will learn the lessons Dr. King taught us. Regardless of what the majority of people say, progressive American rhetoric remains miles ahead of its deeds (see King’s brilliant sermon “Paul’s Letter to American Christians”) and gradualism is not the answer. Only collective action, creative and sustained civil disobedience, and mobilization of people of color and poor–for whom cooptation and/or cessation are not viable options—are the only potential means for achieving and sustaining real and systemic change.

Amin'ity andron'i Martin Luther King, Jr ity, manantena sy mivavaka aho fa hianatra ny lesona nampianarin'i Dr. King isika. Na inona na inona lazain'ny ankamaroan'ny olona, ​​ any amin'ny kilaometatra maromaro ny halaviran'ny asa ataon'ny mpandahateny Amerikana liam-pandrosoana (jereo ny toriteny mamirapiratra nataon'i King hoe “Taratasy ho an'i Kristiana Amerikana avy avy amin'i Paoly”) ary tsy ny fiovana miadana no valinteny. Ny hetsika iombonana, ny tsy fankatoavana sivily amin'ny fomba vaovao sy maharitra ary ny fanetsehana ny mainty hoditra sy ny mahantra- izay tsy vahaolana ny famerenana sy/na fitsaharana- no fomba tokana ahafahana manatanteraka sy manohana ny fiovana marina sy ara-drafitra.