Bangladesh: Aorian'ny Fifidianana, Tsy Maintsy Tanterahana Ireo Fampanantenana

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2009)

Ny 29 deambra 2008, tamim-pahombiazana no nikarakaran'i Bangladesh ireo fifidianana solombavambahoaka andiany faha-sivy. Mikasika izany, manoratra i Samaresh Vaidya [teny bengali] manao hoe:

অনেক ত্যাগ, সংগ্রামের পর গত ২৯ ডিসেম্বর ২০০৮ বাংলাদেশের নাগরিকরা নির্বিঘ্নে নির্ভয়ে তাদের অন্যতম নাগরিক অধিকার অর্থাৎ নিজেদের পছন্দসই প্রার্থীকে ভোট দিয়ে নির্বাচিত করার অধিকার ফিরে পেয়েছে। … দেশি-বিদেশী অধিকাংশ সংগঠন ও মানুষের কাছে নির্বাচনটি হয়েছে নিরপেক্ষ, অবাধ ও সুষ্ঠু।

Taorian'ireo sorona sy ady marobe, ny 29 desambra 2008, nanana fotoana naha-mety azy ireo olom-pirenena tao Bangladesh, tsy nisy tahotra na olana, nampihatra ny zony handatsa-bato sy hifidy an'ireo kandidà araka ny safidiny… Araka ireo fikambanana nasionaly sy iraisam-pirenena marobe, sahala amin'ireo olom-pirenena amin'ny ankapobeny, heverina ho nalalaka sy tsy nitanila ireo fifidianana ireo.

Neken'ny maro ho malalaka sy marina, nahazo ny fandraisana anjara ambony indrindra 87% ireo fifidianana ireo. Maro ny hafanampo sy faharisihana teny amin'ireo olom-pirenena mba handray anjara amin'io fifidianana io ka hamerina ny demokrasia ao Bangladesh (ireo miaramila no nifehy ny goverenemanta mpisolo toerana napetraka tamin'ny 11 janoary 2007), izay hita aseho amin'ny fomba mazava anatin’ireo antontan'isam-pifidianana [teny anglisy]: amin'ireo 81 tapitrisa mpifidy voarakitra anarana, 31% no sambany mba nifidy (teo anelanelan'ny 18 hatramin'ny 25 taona) ary ny 51% tamin'ireo dia vehivavy.

Fandresena mavesatra azon'ny Grande Alliance no hita tamin'ireo vokatra (toerana 263 tamin'ireo 300), manodidina ny Ligue Awami, tarihin'i Sheikh Hasina. Ho azy irery, nitàna toerana 230 ny Ligue Awami, izay nanome azy ny maro an'isa  madiodio. Misahana ny asan'ny Praiminisitra ao Bangladesh manomboka ny 6 janoary 2009 i Sheikh Hasina.

Nilaza mazava tsara ireo olom-pirenena fa mila fanovàna. Nofintinina tanaty taratasy iray misokatra ny fihetsehampo lehibe, taratasy nalefa ho an'i Hasina, nataon'ny blaogera Sherif Al Sayar [teny bengali]:

প্রিয় নেত্রী,
শুরুতেই বাংলাদেশ আওয়ামী লীগের নেতৃত্বাধীণ মহাজোটের এই নিরঙ্কুশ বিজয়ে অভিনন্দন জানাই সাথে ইংরেজী নতুন বর্ষের শুভেচ্ছা। বাংলার জনগণ বিগত সরকারের দূর্নীতি, দুঃশাসন, হটকারীতা এবং এই সকল অগণতান্ত্রিকতার বিরুদ্ধে ভোট বিপ্লবের মাধ্যমে তার প্রতিবাদ জানালো। এবং সেই প্রতিবাদ জানানোর পাশাপাশি আপনার উপর আপনার দলের উপর আস্থা জ্ঞাপণ করল। আশা করি সেই জনগণকে আপনি ক্ষমতার দম্ভে পড়ে ভুলে যাবেন না। সেই জনগণের পাশে আপনি এবং আপনার সরকার নিরপেক্ষভাবে সব-সময় পাশে থাকবেন। এমনটাই আমরা আশা করি। …আমি বর্তমান প্রজন্মের একজন ভোটার ছিলাম। এই বার প্রথম ভোট দিয়ে নিজের নাগরিকত্ব অধিকার এবং আমার দায়িত্ব পালন করেছি। এবং সেই অধিকারের মাধ্যমে আমার মতো আরো লক্ষ নতুন ভোটার আপনার কাছে এবং আপনার মহাজোটের কাছে দেশের দায়িত্ব অর্পণ করলো। তাই আমি যেটা বলতে চাই সেটা হচ্ছে, এই বিজয়কে ক্ষমতা ফিরে পাবার বিজয় মনে না করে দায়িত্ব ফিরে পাবার বিজয় মনে করার অনুরোধ থাকলো।
আমার মতো অসংখ্য নতুন ভোটার আপনার কাছ থেকে অনেক কিছু প্রত্যাশা করে। প্রত্যাশা করে, যেই দিন বদলের চেষ্টার কথা আপনি বলেছেন সেই দিন সত্যি সত্যিই বদলাবেন। তারা চায় একটি হানাহানির রাজনীতিমুক্ত, দূর্নীতিমুক্ত, দুঃশাসনমুক্ত একটি শান্তিময় দেশ।

Ry Mpitondra hajaina,
Ho fanombohana, mamela ahy ianareo hiarahaba anareo noho ny fandresena mavesatra azonareo ary mirary Taombaovao Sambatra ho anareo. Nadikan'ireo olom-pirenena ao Bangladesh ho fandavan'izy ireo ny kolikoly, ny fitantanana ratsy, ny fireharehana ary ireo fanararaotana tafahoatra tsy demokratika nataon'ny governemanta farany teo ny revolisionan'ireo fandatsaham-bato. Ary miaraka amin'izay, ireo olom-pirenena ireo ihany koa no mbola nametraka ny fitokisan'izy ireo taminareo sy ny antokonareo. Manantena aho fa ao anatin'ny fandresenareo, tsy ho adinonareo ireo olom-pirenena. Fa ianareo, miaraka amin'ny governemanta anareo, dia ho, amin'ny fomba tsy mitanila, eo ankilan'izy ireo… izay no fanirianay… Tanora mpifidy aho. Io no fotoana voalohany izay nananako fahafahana nanatontosa ny adidiko sy ny zo maha-olom-pirenena ahy. Nampiasaiko io zo io….Ary amin'ny alalan'ny fampiharana io zo io, izaho, toa ireo mpifidy vaovao hafa an-tapitrisany, dia nametraka eo an-tsorokareo ny andraikitra hitantana ity firenena ity. Izay tiako lazaina dia, mba tsy hijerena an'io fandresena io ho fiverenana amin'ny fahefana, azafady indrindra aleo heverina ny hoe mibaby andraikitra ianareo. Miandry fatratra an'io governemantanareo io fatratra ireo tanora mpifidy toa ahy. Miandry izahay hoe ny fiovàna izay nampanantenainareo (tao anaty fandaharam-potoananareo mikasika ny fifidianana) dia tena ho tontosainareo tokoa. Maniry firenena milamina izahay, tsy isian'ireo herisetra politika, ny kolikoly, ny tsy rariny.

Mahaliana fa, ireo fampanantenana tamin'ny fifidianana izay iadian'ireo olona maro hevitra ao anaty tontolombolongana dia ny fahaiza-mitantana, ary tena manokana amin'izany ny teboka 5.1 mikasika ny programam-pifidianana, izay manao hoe: “Tanana mahery no hifehy ny fampihorohoroana sy ny politikan'ny herisetra ara-pivavahana. Ho karakaraina ny fitsaràna an'ireo mpanao  heloka bevava an'ady.”

Irianay ny fitsaràna sy ny fanamelohana an’ireo mpanao heloka bevava an'ady tamin'ny taona 1971 izahay [teny anglisy]”, no miha-re mafy dia mafy. Manoratra mikasika an'io [teny bengali] i Sadik:

নতুন সরকারের কাছে প্রথম দাবী হোক যুদ্ধাপরাধীদের বিচার চাই। সবাই সমর্থন জানান এবং নিজ নিজ কর্মক্ষেত্র এবং পরিবার পরিজন নিয়েই সোচ্চার হোন “যুদ্ধাপরাধীদের বিচার চাই”। প্রতিটি মানুষ যদি সমস্বরে দাবী জানাই “যুদ্ধাপরাধীদের বিচার চাই” নতুন সরকার সেই দাবী মেনে নিতে বাধ্য ।

Ny fitsaràna an'ireo mpanao heloka bevava an'ady no tokony ho fangatahantsika voalohany amin'ny governemanta vaovao. Azafady indrindra, mba hanohana an'io fangatahana io anie ny rehetra miaraka amin'ireo namany, ny fianakaviany, ireo mpiara-miasa aminy, sy ny sisa. Raha toa ny olom-pirenena tsirairay, na lehilahy na vehivavy, manandra-peo sy mangataka hoe “Maniry izahay mba ho tsaraina eo anoloan'ny fitsaràna ireo mpanao heloka bevava an'ady”, dia mety hihevitra an'io fangatahana io ihany ny governemanta.

Irasan'ireo blaogera marobe hafa io fijery io, izay nandraman'ireo sasantsasany nanentanana tamim-pahavitrihana ny fanohanan'ny mponina [teny bengali] mba hanome lanja bebe kokoa an'io fitakiana io. Fanentanana fanangonan-tsonia iray no nalefa mba hanavaozana sy hanomezana lanja bebe kokoa ilay fanangonan-tsonia amin'ny tambajotra [teny anglisy] natomboka efa ho fotoana vitsivitsy.

Mihevitra i Sohail Motahir Chowdhury [teny bengali] fa fotoana izao tsy hoe hitsarana fotsiny an'ireo mpanao heloka bevava an'ady, fa koa hanadiovana sy hitsaboana ireo hadisoana tamin'ny lasa. Ity manaraka ity ny sosokeviny:

স্বাধীনতা পরবর্তীকালে বিভিন্ন অগণতান্ত্রিক সরকার বিভিন্ন সময় দেশদ্রোহী, মুক্তিযুদ্ধবিরোধী, যুদ্ধাপরাধীদেরকে যেসব রাষ্ট্রীয় সম্মান বা পদক দিয়েছে – সেগুলো বাতিল করা হোক।

Taorian'ny fahaleovantena, maro ireo governemanta tsy demokratika akory no nanana fahafahana nanome valisoa ofisialy sy medaly ho an'ireo mpiray tsikombakomba marobe sy ireo mpanao heloka bevava  an'ady. Aoka hofoanana ireny fanomezam-boninahitra ireny.

Ho famaranana, mihevitra i Hasan Morshed [teny bengali] fa ny andraikitra fahaiza-mitantana ho an'ny governemanta vaovao dia tsy hifarana fotsiny amin'ny fitondrana an'ireo mpanao heloka bevava an'ady hiatrika ny fitsaràna:

আর যুদ্ধাপরাধীর বিচার করাই শেষ কথা নয়, বন্ধ করতে হবে ধর্মভিত্তিক রাজনীতি…যে রাজনীতি রাষ্ট্রের জন্মের বিরোধীতা করেছিলো,সেই রাজনীতি রাষ্ট্রের কল্যান কামনা করবে-এমোন ইউটোপিয়া থেকে বের হয়ে আসা খুব জরুরী ।

Tsy mety ny hianona fotsiny amin'ny fitsaràna an'ireo mpanao heloka bevava an'ady. Tsy maintsy ajanona koa ireo politika mifototra amin'ny fivavahana… Io karazana politika io dia mifanohitra amin'ny fahaterahan'i Bangladesh, tokony hivoahantsika ny nofinofin-tsaina miraikitra amin'ny finoana hoe ny karazana politika tahaka izany dia mety ho tsara ho an'ny firenena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.