- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampahafantatra ny Tale mpanatanteraka, Ivan Sigal ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2008)

Faly izahay manambara fa nanatevin-daharana ny Global Voices ho Tale Mpanatanteraka i Ivan Sigal. Tonga eto amintsika i Ivan avy ao amin'ny Ivon-toerana Amerikanina momba ny Fandriampahalemana [1], toerana izay nanaovany fikarohana momba ny fampahalalam-baovaon'olo-tsotra tao amin'ireo faritra an'ady manerantany. Talohan ‘ny fotoana niasany tao amin'ny USIP, nandany taona maromaro niaraka tamin'ny Internews [2], fikambanana iraisam-pirenena ho an'ny fampandrosoana ny media izy. Tao amin'ny Internews, niasa tamin'ny tetikasa tao amin'ny Firaisana Sovietika teo aloha i Ivan, izy no talen'ny faritra ho an'i Azia afovoany sy Afganistana, Talen'ny faritra ho an'i Azia, ary niasa ho amin'ny fampandrosoana an'i Amerika Latina sy Karaiba.

Ivan Sigal, Georgia Popplewell. Izy roa samy nalaina sary nandritra ny fihaonamben'ny Global Voices 2008 tao Budapest, sary nalain'ny mpikambana ao amin'ny biraon'ny Global Voices, Joi Ito.

Nitady tale mpanatanteraka ny Global Voices tamin'ny herintaona, hamindra ny fitantanana ny tetikasa avy amin'ny mpiara-manorina Rebecca MacKinnon sy Ethan Zuckerman. Tamin'ny volana Febroary, nasondrotra ho Tale mpitantana i Georgia Popplewell, tonian'ny fitantanana teo aloha, ka mitantana ny asa andavanandron'ny vondrom-piarahamonintsika iraisam-pirenena isan'andro izy. Hiara-hiasa akaiky amin'i Georgia i Ivan, mifantoka amin'ny paikady maharitra eo amin'ny tetikasa, fiaraha-miombon'antoka, famatsiam-bola ary ny faharetan'ny fikambanana. Faly izahay manana fahafahana hiara-hiasa amin'olona iray mankafy ny tombontsoa mety hoentin'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra ary mahafantatra momba ny tontolon'ny media manerantany.

Ivan dia mpaka sary efa nahazo loka, miasa hamoaka boky iray ao Azia Afovoany. Tamin'ny fihaonanay vao haingana tao Budapest, iray amin'ireo hetsika malaza indrindra ny atrikasany momba ny sary ho an'ny bilaogera. Mibilaogy ao amin'ny Ivonotes  [3]i Ivan, ary miandrandra ny hamaky izay heveriny momba ny andraikiny vaovao isika, andraikitra izay hanomboka amin'ny tapaky ny volana aogositra.

Tongasoa eto amin'ny Global Voices, Ivan – faly izahay manana anao eto.