- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Japana: Misedra olana ny tolona Sumo

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Oktobra 2007)
Sumo wrestler Asashoryu

Volana vitsivitsy henjana teo amin'ny tontolon'ny tolona sumo, “fanatanjahatena nasionaly” Japoney. Voalohany,  niverina tao amin'ny tanindrazany ilay mpitolona Mongoliana, Asashoryu, [1] iray amin'ny yokozuna [2] (kilasy ambony indrindra amin'ny tolona) mba ho tsaboina noho ny fikorontanana ara-tsaina vokatry ny fanakianana fa tsy nahavita ny adidiny izy, mody milaza fa marary, ary avy eo niverina tany Mongolia, izay nakàna horonantsary azy teo am-pilalaovany baolina [3]. Nilaza ny sasany tamin'ny fampahalalam-baovao hoe simban'ny firohotry ny “mpitolona vahiny” sy ny “fanatanjahantena nentim-paharazany ao Japana” ny “fanatanjahantenam-pirenena Japoney”.

Na izany aza, nihanitombo ny olana raha vao fantatra fa tamin'ny volana jona, namoy ny ainy teo am-panaovana fanazaran-tena ilay mpitolona 17 taona antsoina hoe Tadashi Saito (Tokitaizan no anaran-tsehatrany), izay vao avy niditra teo amin'ny tontolo sarotran'ny Sumo. Tamin'ny voalohany, dia nilaza ny mpanazatra azy, Tokitsukaze fa noho ny faharerahana no anton'ny fahafatesany, saingy hita ankehitriny fa “niharan'ny herisetra” ho faty i Tokitaizan, ary noroahin'ny federasionan'ny Sumo ilay mpanazatra nanomboka teo.

Betsaka ireo bilaogera niresaka ny fikarakarana natao azy, anisan'izany izy voadaroky ny tavoahangin-dabiera. Ohatra amin'izany ny bilaogera [4]  niteny hoe:

「もう逃げ出しません。がんばります」というように言わせたり、携帯電話を二つにへし折り、親と連絡が取れないようにするなど、(ここまで人としてできるのだろうか?)と恐ろしいばかりです。

Noterena hanome toky izy hoe: ” Tsy hitsoaka intsony aho, hiezaka hanao izay vitako” ary nopotehin'izy ireo nizara roa ny findainy mba tsy ahafahany miantso ireo Ray aman-dreniny. Mampatahotra izany. Misy olona tena mahavita izany ve?

Bilaogera Matimulog naneho ny fihetseham-po miely patrana momba ny fahadisoam-panantenana [5] naterak'izany tranga mampalahelo izany mba  hanazavana ny olan'ny herisetra amin'ny sumo.

そして、弟子が死んで初めて問題が表面化するというのでは遅すぎるのである。逮捕監禁傷害行為が日常的に行われ、死ななければ問題視されないという環境、それでなければ弟子が育たないし強くならないというのでは、日本の国技というより国恥であろうに。

Tahaka izany ny zava-misy fa toa zava-mitranga isan'andro ny daroka, ary toa mahafaty mihitsy ka lasa olana, hatramin'ny ninoan'ny olona fa raha tsy misy herisetra, dia tsy ho matanjaka mihitsy ny tanora mpitolona. Tokony ho hita toy ny henatra ho an'i Japan izany, fa tsy henatra ho an'ny fanatanjahan-tena nasionaly Japoney (ihany).

Lohahevitra iray mahaliana ny andraikitry ny Federasiona Sumo. Araka ny nosoratan'ilay [6] bilaogera Shosan no Blog hoe :

相撲協会は斉藤さんの死亡直後にも事情を聴いたが、時津風親方が愛知県警の事情聴取に暴行を認めたとする報道を受け、文部科学省から独自調査をするよう指導されたため、再聴取した。同親方の説明は死亡直後と異なるという。

Taorian'ny fahafatesan'i Saito avy hatrany, dia nangataka fanazavana tamin'ny mpanazatra ny federasiona Sumo, saingy nanadihady azy indray taorian'ny fangatahan'ny Minisiteran'ny fampianarana sy ny kolontsaina, rehefa niaiky tamin'ny prefekioran'ny polisy ao Aichi i Tokitsukaze fa nisy ny herisetra. Toa nanome fanazavana hafa izy tamin'ny famotorana voalohany.

Farany, raha nanome tsiny mafy an'i Tokitsukaze, bilaogera Igajin no Tensei Jingo kosa miresaka momba ny ho avy manjavozavo eo amin'ny sumo [7].

いまでさえ、新弟子の志願者が急減しています。時津風親方を相撲界から追放しなければ、日本の伝統である大相撲は、やがて消滅することになるでしょう。

Na amin'izao fotoana izao aza, mihavitsy haingana ny isan'ny lehilahy tanora manantena hiditra hanao sumo. Raha tsy voaraoka teo amin'ny tontolon'ny sumo, netim-paharazana Japoney i Tokitsukaze, dia mety ho simba ny fanatanjahantena.

Iza no hahafantatra izay ihafaran'ny tontolon'ny sumo?