- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Tontolon'ny Bilaogy Kenyana Amin'ity Herinandro Ity

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Mediam-bahoaka

(Fanamarihana: Lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2005)

Manana fandalinana mahaliana [1] mikasika ny zava-mitranga ao Amerika i Sidaki [2] ary manao tsoakevitra fa anisan'ireo zavatra mampisalasala ny Amerikanina ny andraisana azy eo amin'ny taniny ny omby Britanika, ny akoho Britanika, ary vao haingana, ny lehilahy Kenyana iray mpanao politika [3], Christopher Murungaru, izay vao volana vitsy monja ihany koa izay no nampahafantarin'ny fanjakana Britanika fa tsy tiany handoto ny varavarany ity farany [4].

Nitotonganana ny kintan'i Murungaru taorian'ny nahavoarohirohy azy tamin'ilay raharaha maloto nalaza be antsoina hoe “Anglo Leasing” [5], andian-tolotra nataon'ny fanjakana izay niafara tamin'ny raharaha fanodikodinam-bola, izay nampitombo mihoam-pampana ireo sarany sy ny tsolotra eo amin'ireo manamboninahitra taloha teo amin'ny fanjakana sy ny amin'izao fotoana ary ireo olona maizina izay tsy mbola nabaribary mihitsy. Minisitry ny Filaminana Anatiny i Murungaru tamin'izany fotoana, izay toerana nifotoran'ny adihevitra tamin'izany.

Teo ambanin'ny tsindry tsy mitsaha-mitombo na avy ao anatiny na ivelan'ny sisintany, nafindran'ny Filoha Mwai Kibaki toerana izy [6], nanome azy ny toerana ambany indrindra tao amin'ny Fitaterana tanatinà hetsika noheverin'ny maro ho misabaka amin'ny fanaovana sorona ny iray amin'ireo Lietnà-ny sy ny fampitoniana vahoaka izay mitady rà latsaka ao anatin'ny ady manohitra ny kolikoly [7], hetsika iray tsy inoan'ny vahoaka fa ilofosan'ny Fanjakana.

Mbola ela vao hitobaka ny kapoaka mangidin'i Murungaru. Manakaiky ilay fandraràna Amerikanina ireo tatitra fa eo am-panamarinana ihany koa ny Firaisambe Eoropeana fa ”Mihazona ny zo hampiditra ny Fitantanana [8]”.

Mandoko am-pahatsorana [9] ny faniriany hanambady sy hanan-janaka Rtoa K [10], fangaro tsara eo amin'ny nofinofy sy ny zavamisy.

Mavitrika kokoa momba ilay fihatoan'ny fifamoivoizana nateraky ny Hazakaza-davitra Iraisampirenena natao tao Nairobi [11]fataon'ny Standard Chartered isan-taona i Bankelele [12] ary nankahery ireo mpandray anjara [13], indrindra ireo tena nihazakazaka.

Manana fanomezam-boninahitra mety tsara, tena mampihomehy ho an'andriambavilanitra iray tena miavaka, sady malaza be [14] i Udi [15], izay hita tao anatin'ny fiainany ary manana endrika mifanaraka ao anatin'ilay tantara. [15]

Mahatsiaro ireo namana lasàna [16] sy ny hasarotry ny fiatrehana izany avy eo i Fishtears [17], izay manoratra bilaogy avy ao Botswana.

Tonga saina i Mutimua [18] fa tratry ny fiankinan-doha mahery vaika tsy nahy amin’ny fanoratana bilaogy [19] koa izy.

Manontany tena izay mba niafaran'i Winnie Mandela [20], vady teo aloha an'ilay olona goavana izay atao hoe Nelson Mandela, i Wanjiru [21].