Fifidianana tao Somaliland

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Oktobra 2005)

Na lasa toerana mampidi-doza, tsy milamina avokoa aza ny ankamaroan'ny toerana ao Somalia hatramin'ny fionganan'i Siad Barre tamin'ny 1991, tena nahavita tena tsara Somaliland ny faritra any avaratra indrindra ao amin'i Somalia taloha. Manana governemanta miasa tsara, tafika, polisy, vola, ary fikasana matanjaka ho any amin'ny fiandrianampirenena. Vao nanao ny fifidianana demokratikany voalohany hatramin'ny nanambaràny ny fahaleovantena ilay firenena tsy nahazo fankatoavana, tamin'ny nifidianany mpikambana 82 ho ao amin'ny parlemanta iray. Manamarika i Head Heeb fa hamoaka ny valiny an-tambajotra ny kaomitim-pifidianana, arakaraky ny fahatongavan'izy ireny, zavatra izay tsy vitan'ny filankevitra ara-pifidianana maro tany Etazonia …

Manana fandrakofana avy aminy mivantana mikasika ireo fifidianana ireo i Yvette Lopez, izay mitoraka blaogy ao amin'ny Inside Somaliland,. Miasa ho an'ny ekipana mpanaramaso ny fifidianana izy, lasa niasa tao Erigavo, renivohitr'i Sanaag, tany iray ao atsimon'i Somaliland, izay takian'i Puntland ihany koa. Manana sary tsara be tamin'ny fotoana nipetrahany tao Erigavo izy – tena mendrika hojerena sy hovakiana izany …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.