- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy Ejiptiana iray novonoina tao amin’ny fitsarana Alemà noho ny fanaovam-boaly

Sokajy: Alemaina, Ejipta, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

(Marihina fa tamin'ny 6 Jolay 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Efa ela izay ireo bilaogera Ejipsiana no tsy niara-niombon-kevitra. Saingy ilay heloka feno fankahalana [1] niseho farany tany Alemaina momba ilay vehivavy Ejipsiana Miozolomana iray, Marwa El Sherbini, no nahafahan’izy ireo nihaona indray sy nanameloka ireo fampahalalam-baovao iraisam-pirenena, izay ninia tsy nijery ny toe-javatra niseho tamin’ireo Miozolomana any Andrefana.

Tamin’ny volana Aogositra 2008 no niseho ny tantara, rehefa notorian'i Marwa tao amin’ny fitsarana noho ny fanalambaraka ilay namono azy, Axel, ilay lehilahy Alemà tsy an’asa iray izay 28 taona taorian’ny nandraisany azy ho « mpampihorohoro » satria nitafy hijab ( voaly islamika) izy.

Saingy ny Alarobia 1 Jolay 2009, nanindron’antsy azy in-18 i Axel tao anatin’ny trano fitsarana Alemaina taorian’ny nanambaran’ny mpitsara fa nandresy tamin’ny fitsarana i Marwa ary tsy maintsy handoa onitra 2800 euros aminy i Axel noho ny faniratsirana nataony taminy.

Vehivavy Ejipsiana 32 taona i Marwa, vadin’ny Ejipsiana iray mpianatry ny oniversite nahazo vatsim-pianarana tany Alemaina. Naratra ihany koa ny vadiny tamin’io zava-nitranga io ary niady tamin’ny fahafatesana izy rehefa nentina teny amin’ny hopitaly tamin’io fotoana io.

Nanazava sy nanambara ny hatezerany tao amin’ny lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe : « Ary raha vehivavy miaraka amin’ny vehivavy izy [2] » i Zeinobia :

Cette femme, Marwa El-Sherbini, âgée de 32 ans, était enceinte de son deuxième enfant lorsqu’elle a été poignardée. […]
Il s’agit incontestablement d’un crime haineux mais à la différence des autres crimes haineux tels que les crimes homophobes ou antisémites, il n’a pas fait la une des journaux à l’étranger et je ne sais pas pourquoi !! C’est un crime raciste. Une femme est tout simplement poignardée dans le tribunal et bon sang, l’incident n’est pas assez important pour être couvert par les médias comme il devrait l’être !! C’était une mère de famille enceinte, pour l’amour de Dieu !!
Qu’Allah la bénisse. Elle est une martyre du racisme et de la haine.

Marwa El-Sherbini, ilay vehivavy 32 taona dia bevohoka ny zanany faharoa tamin’izy voatsatok’antsy[…]. Tena heloka bevava maneho fankahalana mihitsy izany, fa ny maha-samihafa azy amin’ireo heloka fankahalana hafa toy ireo heloka amin’ny firaisan’ny lahy sy lahy na vavy sy vavy na ireo heloka amin’ny fankahalana ny Jiosy dia tsy navoaka tamin’ireo gazety tany ivelany izy, ary tsy fantatro ny antony !! Heloka bevava fanavakavaham-bolonkoditra izany. Voatsindron’antsy fotsiny ny vehivavy iray tao amin’ny fitsarana, kiii, tsy zava-dehibe loatra izay tsy araka ny tokony ho izy ny fitantarana ny zava-nitranga ho an’ireo fampalalam-baovao!! Renim-pianakaviana bevohoka izy, Andriamanitra ô ! Hotahian’ i Allah izy. Maritioran’ny fanavakavaham-bolokoditra sy ny fankahalana ihany koa izy.

Nanontany tena tao amin’ny Twitter i Ahmed Esmat: Tsy nitantara ny famonoana an’i Dr Mrwa Ejipsiana tany Alemaina ny fampahalalam-baovao Eoropeana, izany no zava-nisy. Andao horesahina ny fampitoviana lenta.

Nahitana akony avy amin’i Hisham Maged [3] ity fanehoan-kevitra ity izay naminavina tao amin’ny bilaoginy ny zava-niseho.

Jouons au jeu des suppositions, imaginons que la situation soit inversée et que la victime ait été un Occidental poignardé n’importe où dans le monde ou –mon Dieu !– dans n’importe quel pays du Moyen-Orient par des musulmans extrémistes ou même par ce que les médias qualifient de « minorités » en Egypte ! On aurait assurément entendu le monde entier et Internet en parler !

Andao hilalao ny kilalaon’ny vinavina isika, alaivo sary an-tsaina raha navadika ilay toe-draharaha ary andeha hatao hoe Tandrefana ilay niharam-boina voatsatok’antsy na aiza na aiza misy azy eto amin’izao tontolo izao – Andriamanitrô ! na avy amin’ny firenena any Afovoany-Atsinanana nataon’ireo Miozolomana mahery fihetsika na koa ireo antsoin’ireo fampitam-baovao ho « vitsy an’isa » any Ejipta ! Azo antoka fa efa rentsika niresaka izany izao tontolo izao na ny aterineto!

Nanaraka akaiky ny toe-draharaha i Bikya Masr ary nanontany tena raha afaka natao mariky ny fihaonana indray i Marwa. [4] Nitaky hetsika ara-diplaomatika sy nasionaly tsy misy hatak’andro izy :

Le Moyen-Orient est furieux. Mais cette colère ne peut pas s’exprimer par des diatribes aléatoires à l’encontre des Allemands ou de l’Allemagne. Elle doit garder un semblant de cohérence pour que toute campagne qui soit menée soit une réussite. Et ce sera le cas si Mme Sherbini est véritablement un symbole qui peut rassembler les gens comme l’a fait Neda en Iran. […]
Les gens pensent-ils que Mme Sherbini est un symbole ? […] Les Egyptiens devraient être révoltés qu’une femme ait été verbalement agressée parce qu’elle portait le voile et parce qu’elle était avant tout égyptienne. Le gouvernement devrait signaler fermement à l’Europe que ce comportement est inacceptable mais il reste muet. Il ne reste plus à la population égyptienne qu’à agir.
[…]
Marchons devant l’ambassade allemande et exigeons une enquête complète et un rapport. Car si l’Allemagne ne peut faire cela, alors cela prouve une fois de plus que la haine qu’éprouvent les Européens envers les musulmans et les arabes est plus forte que leur soi-disant « liberté ». Oui, Marwa est un symbole, mais elle devrait être un symbole destiné à rassembler les gens et non à les diviser.

Tezitra ry zareo ao Afovoany-Atsinanana. Nefa izany hatezerana izany akory tsy afaka naseho tamin’ny alàlan’ny tabataba kisendrasendra hamelezana ireo Alemà na i Alemaina. Tsy maintsy hazonina ny endri-pirindrana mba hahomby avokoa ireo fanentanana atao. Ary izany no hitranga raha tena olomanga afa-mampiray ny olona tahaka izay nataon'i Neda tany Iran tokoa Ramatoa Sherbini.[…]
Mihevitra ve ny olona fa olomanga Ramatoa Sherbini? […] Tokony hitroatra ireo vahoaka Ejipsiana fa nisy vehivavy iray novonoina noho izy nanao voaly ary alohan’izany rehetra izany, Ejipsiana izy. Tokony hiteny hentitra an’i Eoropa ny governemanta fa tsy azo ekena io fihetsika io, kanefa nangina izy ireo. Tsy nisy azon’ireo vahoaka Ejipsiana natao afa-tsy ny manao hetsika sisa.[…]
Andeha isika ho eo anoloan’ny Masoivohon’i Alemaina ary hotakiantsika ny hanaovana fanadihadina sy tatitra feno. Satria raha tsy afaka manao izany i Alemaina dia manaporofo indray izany fa mankahala Miozolomana ireo Eoropeana ary matanjaka kokoa noho ireo lazaina fa « fahafahana » ireo Arabo. Eny, marika i Marwa, saingy tokony ho marika natokana ho amin’ny fampivondronana olona izy fa tsy fampisarahana azy ireo.

Nanoratra [5] i Sadafat, bilaogera iray hafa hoe :

ألمانيا لأقامت رئيسة الوزراء الدنيا ولم تقعدها ولتنادت فوكس نيوز وسكاي نيوز بالدفاع عن العنصر السامي واعلان الحرب على اعداء السامية، وأما الأخت المصرية هذه فلا بواكي لها.
يجب ان تعلن الحكومة الألمانية ان هذا التصرف يمس المسلمين، يجب ان تضع في دستورها للغالبية الثانية من الديانيات وهم المسلمين حقوقا تحفظهم من العداء ضد الإسلام.

Raha nisy Jiosy naratra tany Alemaina, na dia avy amin’ny teny na vazivazy fotsiny ihany aza, nanao izay azony natao ny Praiminisitra ary niantso ny Fox News sy ny Sky News mba hiarovana ny Jodaisma ary nanangan’ady tamin’ireo mpankahala Jiosy. Saingy tsy nisy nitomany ny fahafatesan’ity vehivavy Ejipsiana ity tany an-toerana.
Tokony ho fantarin’ny governemanta Alemà fa mahatratra ireo Miozolomana ity fihetsika ity ary tokony hosoratan’izy ireo ao amin’ny lalam-panorenany fa ireo Miozolomana, izay fivavahana faharoa eo amin’ny fireneny, dia tokony arovana amin’ny fankahalana ny Islamo.

Nanao fanehoan-kevitra sy namoaka ny hatezerany tao amin’ny Twitter ireo bilaogera Ejipsiana.

Ho an’ny mpanoratra ity lahatsoratra ity kosa, nosoratany tao amin’ny bilaoginy Lasto Adri [6] ireto andalana ireto :

بعد أن قال الغرب أن قاتل مروة الشربينى لا يمثل ألمانيا، وأن الحادث مجرد عمل فردى،
لا أتوقع من الغرب -ذاته- أقل من أى يلغى من كل معاجمه فكرة أن المسلمين إرهابيين، ويؤمن أن بن لادن وأعوانه -مثلا- لا يمثلون العرب أو المسلمين فى شئ، وأفعالهم كلها فردية!
وعلى رأى المثل.. لا تعايرنى ولا أعايرك.. دا التعصب طايلنى وطايلك!

Taorian’ny fanambarana nataon’ny Tandrefana fa tsy misy hidiran’i Alemaina ny namonoana an'i Marwa, fa tranga maningana iny, Miandry amin'ny Tandrefana aho hanaisotra ao anatin’ny rakibolany ilay hevitra hoe : mpampihorohoro ireo Miozolomana ary mihevitra izy fa tsy misolotena ny Arabo na ny Miozolomana i Ben Laden sy ireo namany ohatra- fa amin’ny anarany manokana ny zavatra ataon’izy ireo.
Araka ny nolazain’ny ohabolana hoe: « Ny hopitaly no maneso ny asa soa». Samy meloka amin'ny “fihetsika te-hisetrasetra” daholo isika rehetra.