Fotodrafitrasa CIA Ao Tonizia Hoe?

( Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jona 2007)

Avy ao amin'ny efitrano figadrana ao Bizerte (65km ao avaratr'i Tonizia), afaka namoaka taratasy iray tena mampiahiahy (nadika tamin'ny teny frantsay) izay tonga hatrany amin'ny Aterineto i Ramzi Bettibi, Toniziana iray voafonja . Mifonja mandritra ny efatra taona ao Bizerte i Ramzi noho ny namerenany namoaka teo amin'ny Aterineto, izay izy no mpandrindra, ny fanambaràna nataon'ny tarika iray mandrahoana hanao asa fampihorohoroana ao amin'ny firenena raha toa ny Praiministra Israeliana teo aloha, Ariel Sharon ka mbola nanatrika ny Fihaonambe Erantany mikasika Fampahalalam-baovao izay natao tany Tonizia tamin'ny taona 2005. Ny 15 Martsa 2005 voasambotra i Ramzi Bettibi, tao amin'ilay toerana fidirana Aterineto izay niasany. Tao am-ponja, niharan'ny fampijaliana tsy nitsahatra izy, fomba iray nezahan'ireo tomponandraikitra natao hanerena azy hiaraka hiasa amin'ireo sampana misahana ny fiarovam-panjakana. “tokony avotsotra i Bettibi satria tsy ananan'ny governemanta ny porofo milaza fa nanana fikasàna ratsy hanao heloka bevava izy, na ny fiantsoany hanao herisetra“, hoy i Sara Leah Whitson, mpitantana ny sampan'ny Human Rights Watch ao Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra, tao anatin'ny fanambaràna navoaka tamin'ny taona lasa. “Ao anatin'ireo fepetra ireo, ny fanapahana sy fametahana lahatsoratra iray eo amin'ny Aterineto tsy tokony heverina ho sahala amina heloka bevava“, hoy izy nanampy.

Tao anatin'ny taratasiny, mamariparitra ny fonja miafina any akaikin'ny tananàn'i Bizerte i Ramzi, izay nanaovan'ny CIA sy ireo mpiasa miteny frantsay ny fakàna ambavany azy mikasika ireo voalaza ho fifandraisany miaraka amin'ireo tarika irakiana djihadista, sy mikasika ireo asany eo amin'ny aterineto. Araka ny voalazan'ilay taratasy, alaina ambavany ireo voafonja ary hidiana ao anaty kaontenera any aminà toerana miafina, dimy ambiny folo minitra miala an'i Bizerte raha mandeha fiara.

Hatramin'ny nanakatonana an'ireo fonja miafina an'ny CIA tao Polona sy Romania, tohin'ireo ampamoaka nataon'i Washington Post sy ireo media hafa, niparitaka ireo honohono mikasika ny famidràna an'ireo voafonja tao ho any amin'ireo fonja hafa an'ny CIA any Afrika Avaratra any. Fa ity taratasina vavolombelona iray nanatri-maso ity (na dia tsy nisy aza olona afaka nanamafy na nandiso ny hoe i Ramzi Bettibi no mpanoratra an'io taratasy io), dia toa manome “porofo” voalohany mivaingana momba ny fisian'ireo fotodrafitrasa tao Tonizia ireo. Soritany ihany koa ny toerana mety ho nisy ny fonja sy ny mikasika an'ireo voafonja sasantsasany izay nalaina ambavany sy nofonjaina an-tsokosoko. Amin'ny fomba mahagaga, nosoratana tamin'ny 9 jona 2007 ny taratasy, andro iray monja taorian'ny famoahana ny tatitra faharoa mikasika an'ireo “famonjana miafina sy famindrana tsy ara-dalàna an'ireo voafonja mahavoarohirohy  an'ireo mpikambana ao amin'ny filankevitr'i Eoropa”, izay nolanian'ny komitin'ny Filankevitr'i Eoropa momba ireo raharaha ara-pitsaràna sy ireo zon'ny Olombelona.

هذا بلاغ من داخل السجن المدني ببنزرت ودعوة لانقاذي من خطر يهدد سلامتي. لقد نقلت في نهاية شهر أفريل الماضي إلى معتقل يوجد على بعد ربع ساعة تقريبا عن السجن المدني ببنزرت. كانت المفاجأة مذهلة إذ وجدت نفسي في معتقل سري للمخابرات الأمريكية يسجن فيه أشخاص داخل حاويات

Hafatra iray nalefa avy amin'ny fonja sivily ao Bizerte ity ary SOS manoloana ny loza izay manohintohina ny maha-olona ahy. Tamin'ny faran'ny volana aprily, nentina tao amina fonja iray izay miala tokony ho 15 minitra mila avy amin'ny fonja sivily ao Bizerte aho. Tena gaga be aho tamin'ny fahatongavako indray tao amin'ny fonja miafina ambany fitantanan'ny sampam-pitsikilovan'ny amerikana izay nahitàna olona mihidy anatinà kaontenera.

وقد حقق معي هناك شخص يستعمل اللغة الفرنسية عن علاقتي بالجماعات الجهادية في العراقية عبر الانترنت وقد ذكرت له ان معلوماته غالطة وانا سجين رأي تحدثت عني منظمات عالمية منها هيومن رايتس ووتش والعفو الدولية. وقد تفاجأ الأمريكي بذلك وصاح في الاعوان التونسيين. وقد اعتدوا علي بالعنف وهددوني بتلفيق محاولة فرار لي من السجن أو نقلي إلى السجن السري في صورة ابلاغ عائلتي بما رأيت.

Olona iray miteny frantsay no nitarika ny fanadihadiana mikasika an'ireo fifandraisako amin'ireo tarika djihadista ao Iraka, avy amin'ny alalan'ny aterineto. Nomarihako taminy fa diso be ihany ireo vaovao eo an-tànany, fa izaho dia nifonja noho ny hevitra, sy hoe niresaka momba ahy ireo fikambanana iraisam-pirenena toy ny Human Rights Watch na Amnesty International. Gaga ilay Amerikana sady niantso an'ireo mpiasa Toniziana. Ireo no nampiasa herisetra tamiko ary nandrahoana ahy fa hanamboarany antontan-taratasy milaza fikasàna handositra ny fonja na hafindra any amina fonja miafina aho raha toa ka milaza amin'ny fianakaviako izay zavatra hitako.

ولم يتوقف الأمر عند ذلك فقد عادوا إليّ بعد أسبوعين من ذلك داخل زنزانتي بعد ان قيدني اعوان من امن الدولة وسألني ضابط أمريكي كان معهم عن دوري في مؤسسة “سحاب” الذراع الاعلامي لتنظيم القاعدة كما سألني عن موقع شبكة الاخلاص ومنتدى الانصار. وقد خيروني بين وثيقتين واحدة تتضمن شهادة وفاتي وواحدة شهادة سراح. كما هددوني بإيذاء شقيقي .

Tsy nijanona teo ny raharaha. Roa herinandro taty aoriana, niverina izy ireo nitady ahy tao anatin'ny efitrano nifonjàko ary taorian'ny namatoran'ireo mpiasan'ny Fiarovana ny Fanjakana ahy, dia nohadihadian'ny manamboninahitra amerikana iray aho izay niaraka tamin'izy ireo mikasika ny andraikitro tao amin'ny (…) sampana seraseran'ny fikambanana Al-Qaida. Nanontaniany ahy koa ny mikasaika ny vohikalan'ireo Akhlas sy mikasika sehatra fifampiresahana Al Ansar. Nasainy nisafidy taminà tahirin-kevitra roa aho, dia ny taratasy filazàna ny fahafatesako sy ny taratasin'ny fanafahana ahy.

أنا لم أعد احتمل ما يحصل لي مرة يعتدي علي اعوان امن الدولة وهذه المرة وصل الامر إلى أعوان المخابرات الأمريكية والسجون السرية

اللهم اشهد انّ مصيري في خطر انقذوا المعتقلين في ذلك السجن الامريكي لقد سمعت أن منهم السعودي سعيد الغامدي والتونسي ابو عمر التونسي…

ابحثوا عن هذا السجن إنه لايبعد كثيرا عن بنزرت وربما هو في ثكنة عسكرية حسب ما فهمت من المكان.

Tsy vitako intsony ny miharitra ela izay manjo ahy. Taorian'ireo mpiasan'ny fiarovana ny Fanjakana [Toniziana], anjaran'ireo mpiasan'ny CIA indray sy ireo fitazonana miafina.

Andriamanitra o! aoka ianao no ho vavolombelona fa iharan-doza ny fiainako. Avoty ireo voafonja hafa ao anatin'ity fonja amerikana ity. Henoko ny resaka mikasika ny Saodiana iray voafonja antsoina hoe Saïd Al-ghamdi, sy Toniziana iray hafa voafonja antsoina hoe Abou Omar al-tunisi.

Tadiavo ity fonja ity. Tsy lavitra an'i Bizerte izy io. Fantatro fa angamba mety ho any anatiin'ireo trano mitangorona (toby) miaramila no misy azy.

Araka ny tatitra teo aloha, navoakan'ny International Association for the Support of Political Prisoners (AISPP)- Fikambanana iraisampirenena ho fanohanana ireo voafonja noho ny resaka politika – nanambana fitokonana vaovao tsy fihinanan-kanina i Ramzi Bettibi tamin'ny 18 Janoary 2007 mba hanoherana an'ireo fomba fitondrana ratsy sy fanararaotana zakaina any am-ponja. Tao anaty fanambaràna iray navoaka tamin'ny Aterineto ny 12 Martsa 2007, nanamarika ny fomba fampijaliana natao azy ny Filankevi-Pirenena ho an'ny Fahalalahana ao Tonizia (CNLT).

Ny 23 Febroary 2007, Ramzi Bettibi, ilay nofonjaina noho ny resaka aterineto, dia niharan'ny herisetra faratampony nataon'ireo manamboninahitra 3 miankanjo sivily tao anatin'ny fonjan'i Bizerte, izay nitonona ho toy ny borigadin'ny fiarovana ny Fanjakana. Nafatony tamin'ny seza ny tanany sy ny tongony ary notereny hisotro ronono mba hampitsaharana ny fitokonany tsy hihinan-kanina natombony ho fanoherana an'ireo herisetra natao ahy hatrany aloha. Tapaka ny iray tamin'ireo nifiny.
Fanindiminy tao anatin'ireo volana maromaro i Ramzi Bettibi no niharan'ireo fampijaliana tao am-ponja hikatsahana ny fiarahany miasa miaraka amin'ireo sampana fiarovana ny Fanjakana.

Sami Ben Gharbia

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.