07 Oktobra 2018

Tantara tamin'ny 07 Oktobra 2018

Kambodja: Ny Famotehana ny Dey Krahorm

  07 Oktobra 2018

Rava ny tanana tsizarizary tao Dey Krahorm ao Phnom Penh [teny anglisy]. Vinaniana ho 800 ka hatramin'ny 1 400 no isan'ireo olona nipetraka tao tamin'ny taona 2005. Notombanan'ny Tanàna ho fianakaviana 90 sisa no tavela tao.

Fotodrafitrasa CIA Ao Tonizia Hoe?

  07 Oktobra 2018

Avy ao amin'ny efitrano figadrana ao Bizerte (65km ao avaratr'i Tonizia), afaka namoaka taratasy iray tena mampiahiahy (nadika tamin'ny teny frantsay) izay tonga hatrany amin'ny Aterineto i Ramzi Bettibi, Toniziana iray voafonja . Mifonja mandritra ny efatra taona ao Bizerte i Ramzi noho ny namerenany namoaka teo amin'ny Aterineto, izay izy no mpandrindra, ny fanambaràna nataon'ny tarika iray mandrahoana hanao asa fampihorohoroana ao amin'ny firenena raha toa ny Praiministra Israeliana teo aloha, Ariel Sharon ka mbola nanatrika ny Fihaonambe Erantany mikasika Fampahalalam-baovao izay natao tany Tonizia tamin'ny taona 2005.

Taiwan : Ireo Mpamboly Ara-biolojika Ao Taiwan

  07 Oktobra 2018

Ao Taiwan, marobe ireo tantsaha no mandeha amina fambolena ara-biolojika, na mamboly vary izy ireo na legioma, voankazo na raozy, ny dité na ny kafé. Mampiasa blaogy ireo tantsaha ireo mba hifanampiany na hivarotany ny vokatr'izy ireo.

Korea: Fisamborana an'i Minerva

  07 Oktobra 2018

Olo-malazan'ny Aterineto, voasambotra i Minerva nony farany (jereo GV tamin'ny 30/11/2008, anglisy). Ary naparitaka ny mombamomba azy. Nametraka azy ho manampahaizana manokana amin'ny resaka toekarena ireo honohono marobe, manampahaizana manokana amina Tsenambola, na lehilahy iray misahana toerana ambony amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Mifanohitra tanteraka amin'ireo tombatombana ireo, fantatra ankehitriny fa telopolo taona ary olona tsy manana asa izy, nahazo diplôma taorian'ny taona roa nanarahany fampianarana ambony.

Japana: Ndeha Hampitaha an'i Barack Obama Sy Taro Aso

  07 Oktobra 2018

Sahala amin'ireo firenena hafa rehetra eto amin'izao tontolo izao, Japana, izay anisan'ireo mpiara-dalana tena matanjaka indrindra amin'i Etazonia ao Azia, dia nanaraka akaiky ny fifidianana ny Filoham-pirenena Obama. Navoaka, nadika [teny japoney] ny kabariny tamin'ny fanokanana (izay, navoaka niaraka tamn'ireo lahateny hafa nataony tamin'ny fampielezankevitra, dia tena nalaza tokoa ka nahatonga azy ho lasa 'bestseller' ary nampiasaina ho toy ny boky fianarana teny anglisy any an-tsekoly) ary nanehoana hevitra antsakany sy andavany tamin'ireo media japoney sy ireo fandaharana tanaty fahitalavitra japoney