- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Fanadihadiana momba ny fialan-tsasatra

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2007)

Ny fikambanan'ny LJ amin'ny teny Rosiana eco_altai [1] dia toerana hihaonana sy hizarana ireo fahatsapana sy sary mahafinaritra eo amin'ireo mpankafy ny tontolo iainana ao amin'ny Repoblika Altai [2] any Rosia .

Amin'izao fotoana izao, dia misy ny fanadihadiana mahaliana [3] (RUS) tontosaina ao: momba ny fialantsasatra ao amin'ny Federasiona Rosiana.

Bilaogera am-polony vitsivitsy monja no namaly ireo fanontaniana valo tamin'ny fanadihadiana hatramin'izao, saingy 10 voalohany amin'ny laharana Yandex Blogs [4] izany ankehitriny, ka mety hitombo ny isan'ireo hamaly.

Ireto ny endriky ny vokatra sasantsasany:

Fanontaniana # 1: “Ahoana ny fihetsikao manoloana ny fialantsasatra any Rosia?”

Bilaogera 32 no mihevitra fa tsara izany – saingy “tsy misy fitiavana tafahoatra (fanatisma);” bilaogera valo tsy miraharaha ary mifidy ny toerana alehan'izy ireo arakaraka ny toe-javatra; bilaogera fito no milaza fa “tsy misy tsara noho izao”; bilaogera roa mbola tsy nanao vakansy tany Rosia mihitsy fa aleony mandeha any ivelany; ary bilaogera iray (mpisera LJ jan-kiepura) ihany no miala sasatra ao Rosia – “noho ny fitsipika.”

Fanontaniana # 2: “Ahoana/ aiza ny toerana handanianao ny fialan-tsasatra any Rosia?”

Bilaogera 26 maniry “fialan-tsasatra mavitrika” – filasiana tsy matihanina, manao ski, sns. Bilaogera 20 mandeha any ambanivohitra – na ny dachas [5]; bilaogera miisa 18 tsy te handeha lavitry ny trano fa aleony manao “tonotonon-kena (barbecue)” miaraka amin'ny namana; bilaogera 11 mandeha mankany amin'ny faritra an-dranomasina; ary bilaogera iray (mpampiasa LJ yasheruga) mandeha amin'ny fivahiniana masina.

Fanontaniana # 3: “Aiza ianao matetika no miala sasatra any Rosia?”

Ny toerana fialan-tsasatra malaza indrindra dia ny Ranomasina Mainty – anisan'izany i Crimea, izay faritany Okraniana (bilaogera 23 no milaza fa mankany); Bilaogera 20 mitsidika ireo tanàna lehibe ao Rosia (Moskoa, St. Petersburg, Novosibirsk, sns.); bilaogera 18 mitsidika ireo tanàna fahiny ao Rosia; bilaogera 13 no mankany Karelia; bilaogera 12 mandeha lavitra any avaratra; 10 ny bilaogera te ho any Altai; ary nahazo mpitsidika mpisera LJ Rosiana fito avy i Ural sy Kaokazy.

Fanontaniana # 4: “Inona no TIANAO momba ny fialantsasatra ao Rosia?”

Bilaogera 29 mankafy ny hatsarana sy ny fahasamihafan'ny natiora; Bilaogera 24 mankafy ireo toerana izay tsy mbola nokasihin'ny sivilizasiona; tahaka ny maro misafidy an'i Rosia satria midika izany fa tsy mila visa izy ireo; ho an'ireo bilaogera 17, fomba iray hahafantarana bebe kokoa momba ny fireneny izany; manintona ireo bilaogera 12 kosa ny tolotra amin'ny vidiny mora; bilaogera enina mampifandray ny fialan-tsasatra amin'ny fitsidihana hijery ireo namana sy havana monina any an-kafa; ary tsy nisy na iray tamin'ireo namaly nilaza momba ny tolotra izay antony mahatonga azy ireo hiala sasatra any Rosia.

Fanontaniana # 5: “Inona no TSY TIANAO momba ny fialan-tsasatra ao Rosia?”

Ny tolotra ratsy (“misy zavatra tsy mety foana amin'ny fomba fikarakarana ny dia, ny tsy fahalalam-pomban'ny mpamily, rano mitete ao amin'ny trano fivoahana, sns.”) no voka-dratsy lehibe; bilaogera 21 mankahala ny lalana sy ny fotodrafitrasa; Bilaogera 20 mahatsiaro malahelo noho ny habetsaky ny fako; Bilaogera 14 manahy mikasika ny fiarovana azy ireo; bilaogera 13 leo ny mpiray tanindrazana aminy (izay “mangataka mba hisotrosotro miaraka amin'izy ireo foana”); bilaogera folo mahatsapa fa tsy misy dikany ny olana rehetra; Bilaogera roao maniry “exotica” bebe kokoa (“hazo voanio, kangourou, serfing, etsetra”); Bilaogera iray (mpampiasa LJ simeon75) tia azy rehetra.