- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miverina indray ny fandraketam-peo Global Voices iTunes! (2007)

Sokajy: Mediam-bahoaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2007)
GVP podcasting

Fialan-tsiny marobe ho an'ireo izay nanandrana niditra tamin'ny lahatsary iTunes MP3 ho an'ny fandraketam-peo Global Voices tamin'ny alalan'ity pejy ity kanefa tsy tafiditra tamin'ny fizarana farany tamin'ny Global Voices Show [1]. Kanefa, noho ny firotsahan'i Jeremy Clarke, mpankafy aterineto, antsehatra dia efa mandeha indray ny iTunes, ary ahitana ny fangon'ny GV mihitsy aza!

Raha hijery ny fizarana farany tamin'ny Global Voices Show  [1]mivantana avy amin'ity pejy ity, tsidiho azafady ny lahatsoratra voalohany [1] ary tsindrio ny bokotra “Audio MP3″ sy “Audio M4A” any amin'ny farany. Azo jerena ao amin'ny stereo MP3, AAC nohatsaraina ny fampisehoana ( tsara endrika, ahitana toko miaraka amin'ny sary sy rohy nampidirina) ary ny mono MP3 (ho an'ny mpiserasera ratsy fifandraisana aterineto.

Na misorata anarana ao amin'ity fandraketam-peo ity amin'ny fampiasana ny iray amin'ireo rohy manaraka ireto:

MP3 (ny fandraketam-peon'ny Global Voices rehetra) – RSS [2] | iTunes (pejy podcast) [3] | iTunes (rohy fisoratana anarana mivantana) [4] | Odeo [5]
AAC (Global Voices Show)RSS [6] | iTunes (pejy podcast) [7] | iTunes (rohy fisoratana anarana mivantana) [8]

Misaotra amin'ny fiarahana aminay!