Miverina indray ny fandraketam-peo Global Voices iTunes! (2007)

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Janoary 2007)
GVP podcasting

Fialan-tsiny marobe ho an'ireo izay nanandrana niditra tamin'ny lahatsary iTunes MP3 ho an'ny fandraketam-peo Global Voices tamin'ny alalan'ity pejy ity kanefa tsy tafiditra tamin'ny fizarana farany tamin'ny Global Voices Show. Kanefa, noho ny firotsahan'i Jeremy Clarke, mpankafy aterineto, antsehatra dia efa mandeha indray ny iTunes, ary ahitana ny fangon'ny GV mihitsy aza!

Raha hijery ny fizarana farany tamin'ny Global Voices Show mivantana avy amin'ity pejy ity, tsidiho azafady ny lahatsoratra voalohany ary tsindrio ny bokotra “Audio MP3″ sy “Audio M4A” any amin'ny farany. Azo jerena ao amin'ny stereo MP3, AAC nohatsaraina ny fampisehoana ( tsara endrika, ahitana toko miaraka amin'ny sary sy rohy nampidirina) ary ny mono MP3 (ho an'ny mpiserasera ratsy fifandraisana aterineto.

Na misorata anarana ao amin'ity fandraketam-peo ity amin'ny fampiasana ny iray amin'ireo rohy manaraka ireto:

MP3 (ny fandraketam-peon'ny Global Voices rehetra) – RSS | iTunes (pejy podcast) | iTunes (rohy fisoratana anarana mivantana) | Odeo
AAC (Global Voices Show)RSS | iTunes (pejy podcast) | iTunes (rohy fisoratana anarana mivantana)

Misaotra amin'ny fiarahana aminay!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.