Shina: Ny fandravan-trano an-tery

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nisarika ny saina momba ny fiarovana ny zon'ny olom-pirenena sy ny famahana ara-drariny ny olana any Shina ny tranga iray nahitana ny fandravan-trano an-tery.

Ny 13 Novambra 2009, ny fandravana an-tery ny tranoben'olon-tsotra iray, araka ny baikon'ny governemanta Chengdu ao an-toerana dia nitarika ny famonoan-tenan'ny iray tamin'ny tompon'ilay trano, Tang Fuzhen, izay nandraraka solika sy nandoro ny tenany.  Eo amin'ny lalana andalovan'ny tetikasa iray hampifandraisana ny lalana roa ao amin'ny distrikan'ny governemanta ny toerana misy ilay trano. Nisy ny fampitahana izany tamin'ny tranga iray nitranga tamin'ny herintaona (2008), izay nahitana ny vehivavy iray tao amin'ny distrikan'i Minhang, nanipy baomba namboarina tamin'ny solitany tany amin'ireo olona hiomanana hamotika ny tranony, izay toerana hanaovana ny foiben'ny fitaterana ho an'ny Fampirantiana Iraisam-pirenena ao Shanghai 2010.

Site of former home of Tang Fuzhen

Toerana nisy ny fonenan'i Tang Fuzhen teo aloha

Ny tranga toy izany dia antsoina hoe ‘trano nofantsihina’, izay hiresahana ireo tompon-trano mandà ny hiala eo amin'ny faritra fandravana, matetika noho ny tsy fifanarahana amin'ny fanonerana omena. Ny raharaha trano nofantsihina Chongqing tamin'ny taona 2007 ny iray malaza indrindra tamin'izany, rehefa nahavita nifanaraka tamin'ny mpandraharaha taorian'ny fifandirana tsy nahitana vahaolana nandritra ny 3 taona ny mpivady Shinoa.

Nampitaha ny famahana ny olana am-pilaminana momba ny raharaha trano nofantsihina Chongqing tamin'ny tranga nahitana herisetra tamin'ny volana lasa (Novambra 2009) tao amin'ny bilaogin-dahatsoratra, ilay bilaogera fanta-daza Wuyuesanren (五岳散人) :

不知道是否还有人记得那位“最牛钉子户”,在那个事件当中,拆迁者与被拆迁者虽然在进行着某种程度上的博弈,但双方都还是在规则之内,有笑容而无真正的伤害。

Manontany tena aho raha mbola misy ny olona mahatsiaro ilay ‘trano nofantsihina mafy orina’. Tao anatin'izany tranga izany, mbola samy nanaraka ny fitsipika ny roa tonta na dia teo aza ny fifanoheran'ny mpandrava sy ny noravàna. Nisy ny tsiky ary tsy dia nisy ny fiantraikany ratsy loatra.

但从最近的事例看来,双方的耐心都似乎被消磨了,对抗的手段与结果都越发的激烈。前段时间,某直辖市的一份内部讲话资料曝光,其中明确提到强拆是一种合适的手段,并且要“形成巨大的压力,造成兵临城下的态势”。

Saingy raha araka ny zava-nitranga vao haingana, dia toa tsy naharitra ny andaniny sy ny ankilany. Nahery setra ny fanoherana sy ny vokatra. Fotoana vitsy lasa izay, nisy kabary iray navoaka avy amin'ny manampahefana. Nilaza ilay manampahefana fa fomba ara-dalana ny fandravana an-tery , ary nanamafy mihitsy aza izy fa ilaina ny  ‘fanerena goavana mba hametrahana ny fahirano’ ho an'ireo olona noterena.

这些事例证明,在很多社会领域当中,某些利益相关方的对抗已经到了必须展示暴力的程度。作为强势的一方,由于各种条件都具备,越发的没有了协商解决的耐心与诚意,而另外一方在财产损害更大、权益被侵害更多的状态下,也出以更激烈的方式进行对抗,这种对抗从哀求式的上访,开始转变成伤害自身以求传播效力的最大化。

Asehon'ireto ohatra ireto fa tonga hatrany amin'ny dingana izay nilaina ny herisetra ny fifanoherana nisy teo amin'ny roa tonta. Tsy manam-paharetana sy fahatsoram-po hiditra amin'ny fifampiraharahana ny andaniny matanjaka izay misitraka tombontsoa betsaka. Ny ankilany kosa izay manana ny ho very tsy afa-manoatra afa-tsy ny mampiasa fomba maherisetra kokoa ho setrin'izany. Nisy ny fitoriana tany amin'ny fitsarana tany am-boalohany saingy nanomboka nanao fihetsika mampalahelo ho an'ny tenany izy ireo ankehitriny mba hisarihana ny saina bebe kokoa.

Tao anatin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny International Herald Leader, gazety ofisialy Shinoa dia nanamarika izy fa mandalo dingana telo ny raharaha fandravan-trano an-tery ao Shina:

最初,对抗是单向压制,因为那时传播媒介是有限的;第二阶段是上访以寻求司法救济;第三阶段,伤害自身同时也伤害对方,有时集体对抗,更极端的是自焚造成社会伤害。

Amin'ny voalohany, lalana tokana ny fandehan'ny fanerena avy amin'ny mpanery ho an'ireo terena. Mbola tsy tafiditra ao anatin'ity sehatra ity ny haino aman-jery. Amin'ny dingana faharoa, mitory sy mankany amin'ny fitsarana ny iharan'ny fanerena. Amin'ny dingana fahatelo, mandratra ny tenany sy ireo mpanery azy izy ireo. Indraindray, mety hisy ny fifandonana na ny fandoroan-tena mihitsy aza.

Niresaka momba ny raharahan'ny trano nofantsihana tany Etazonia tao amin'ny bilaoginy ny bilaogera iray, Yao Hongen (姚鸿恩) mba hampitahana izany tamin'ireo tao Shina. Tamin'ny taona 2006,  nandà ny tolotra 1 tapitrisa dolara Amerikana hivarotana ny tranony hananganana ny fampiroboroboana ny toerana ara-barotra any Ballard, Seattle i Edith Macefield. Rehefa maty i Macefield dia nambara fa natolony ho an'ny lehiben'ny tetikasa , Barry Martin, ilay trano noho ny fisakaizan'izy ireo sy noho ny fikarakarany an'ilay vavy antitra nandritra ny fanorenana.

Home of Edith Macefield

Ny tranon'i Edith Macefield

Hoy i Yao Hongen:

老太没有请律师,没有写信到有关部门,没有上首都华盛顿讨个说法,更没有自己制造燃烧弹或以自焚抗议,只是对开发商说一个很简单的词“No”。

Tsy naka mpisolovava ilay vavy antitra; tsy nitory izy; tsy nandeha tany Washington mba hanohitra izany izy; Ary, tsy ilaina akory ny milaza fa tsy nanamboatra baomba tamin'ny solitany izy na nandoro ny tenany. Ny zavatra hany nataony dia ny nilaza hoe ‘Tsia’ tamin'ny mpandraharaha.

Anisan'ireo fanehoan-kevitra izay voarain'ny lahatsoratra:

新浪网友 (2009-12-06 13:59:47): 中国的小老百姓都是弱势群体,政府想拆就拆,才不管你以后有没有房子住!我们这儿政府就打着灾后重建的旗号,要修建商业街。要强行收回土地,要我们搬走。我们的房子可都是有土地证和房产证的!

Marefo ny mponina Shinoa. Afaka mandrava izay tiany ny fanjakana, ary tsy raharahiany na tsy manana toerana honenana intsony aza ianao any aoriana! Nampiasa sora-baventy toy ny hoe ” fanarenana indray aorian'ny fandravana”  ny governemantantsika mba hangalana an-keriny ny tany. Saingy anay ny  tany ary manana ny taratasy momba izany izahay!

新浪网友 (2009-12-06 16:31:24): 开玩笑,在中国政府就是最大,执政者就是最狠,逆我者杀!

Sangisangy izany. Ao Shina, ny fanjakana no mahery indrindra sy misetrasetra indrindra. Vonoiny ireo izay manakatsakana ny lalany!

新浪网友 (2009-12-06 13:21:37): 估计我的有生之年在中国史看不到这样的事情的

Noheveriko tsy hahita ny karazana tranga toy izao amin'ny androm-piainako aho aty Shina .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.