- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Singapaoro: Teratany Soisa voampanga ho nanapotika fiarandalamby

Sokajy: Azia Atsinanana, Singapaoro, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tsidika

(Marihina fa tamin'ny 14 Jona 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Ny 17 May 2010, voalaza ho nandrava ny sakana manodidina ny fanatobian'entana Changi tao amin'ny orinasan’ny fitaterana nasionaly Singapore Mass Rapid Transit ( SMRT) ilay teratany Soisa Oliver Fricker sy ilay ilay Britanika Lloyd Dane Alexander izay ahiana ho niray tsikombakomba taminy. Nolokoin’ireo lehilahy roa ireo graffitis tamin’irony karazana baomba fandokoana irony ny vagaon’ny fiarandalamby.

Nalefa tamin’ny aterineto tao amin’ny You Tube ny ampitson’iny ihany ilay lahatsary nampiseho ilay tranga, ary nalain’ireo mpisera aterineto haingana indray avy eo izay nanaparitaka betsaka izany tao amin’ny tambajotra sosialy toy ny Facebook sy ny Twitter, ary ireo bilaogy sy ireo sehatra fifanakalozan-kevitra rehetra ihany koa.

Tsy nahita ity sotasota niseho ity akory ireo mpiasan’ny SMRT raha tsy roa andro taty aoriana, ny 19 Mey. Ny 5 Jona, nomelohin’ny fitsarana i Fricker noho ny fandravana ilay fiarandalambin’ny MRT tamin’ny fandokoana graffiti tamin’ny alalan’ny baomba ary noho ny fanimbana ny fananam-bahoaka tamin’ny fanapahana ny fefy. Nisy ny didy fampisamborana an’i Lloyd Dane Alexander navoaka avy amin’ny Interpol. Toa nandositra niala tao Singapaoro ilay Britanika ary hita tany Hong Kong. Melohina telo taona an-tranomaizina fara-faha-betsany ny fandrobana ao Singapaoro na handoavana onitra mitentina 2.000 dolara Singaporeana ( eo amin’ny 1000 euros eo) , ary koa famaizana kapoka tsora-kazo in-telo ka hatramin’ny im-balo .

Na dia teo aza ny fialantsinin’ny orinasa SMRT noho ity tandrevaka tamin’ny fitandroana ny filaminana ao aminy ity dia tsy faly ireo bilaogera Singapaoreana, ary nanontany momba ny tsy fisian’ny fiarovana ao amin’ny gara.

Nanoratra [1] ilay bilaogera Singapaoreana manampahaizana manokana momba ny politika sy ny fiarahamonina, Kristen Han, fa lakolosy fanairana ho an’ny orinasa SMRT ity zava-nitranga ity.

SMRT n'aurait pas pu tirer ces enseignements à moindre frais ou dans de meilleures conditions de sécurité ; la société ne pouvait apprendre cela que d'un consultant en sécurité surpayé ou à la suite d'un attentat à la bombe.

Tsy nahatsapa ny tokony nataony tamin’ny fomba mora kokoa na tamin’ny fepetra ny fiarovana tsara kokoa ny SMRT; fa tsy nahafantatra izany ny tao amin’ny orinasa raha tsy avy amin’ireo mpanolontsaina be karama na taorian’ny fametrahana baomba an-tsokosoko.

Naniry ny governemanta ao amin’ny fireneny mba handray ny olana ho anatra ny bilaogera mpanakanto Singapaoreana, Pure Libre [2] :

Le vandalisme n'est pas un problème en soi. Même si l'acte est répréhensible, il ne s'agit que d'une farce inoffensive (et très artistique, il faut l'admettre). S'il est sûr que les deux contrevenants doivent être correctement punis pour ce qu'ils ont fait, le vrai problème a échappé au gouvernement. Il s'agit en l'occurrence de savoir quelles sont les conditions de sécurisation mises en place dans l'enceinte de SMRT, que deux jeunes hommes oisifs ont pu ainsi déjouer et  ridiculiser publiquement.

Tsy ilay fanimbazimbàna akory no tena olana. Na dia heloka bevava aza ity tranga ity dia sangisangy tsy nisy hatahorana (ary tena ara-javakanto, tsy azo lavina) no niseho. Raha toa ka azo antoka fa tokony hosaziana araka ny tokony ho izy ireo mpandika lalàna roalahy noho ny zavatra nataon’izy ireo dia tsy takatry ny governemanta ny tena olana. Izany hoe ny fahafantarana ireo fepetran’ny fiarovana anatiny tokony ho apetraka ao amin’ny foiben’ny SMRT izay nahafahan’ireo roalahy nanao hadalana sy nisotasota izany ampahibemaso .

Nahatsapa ilay bilaogera ao Singapaoro Roger Poh [3], fa tokony ny SMRT no ho saziana fa tsy i Fricker sy i Alexander:

Plutôt que d'accuser le citoyen suisse de violation de propriété et de vandalisme, l'état devrait le remercier et l'honorer en lui remettant les clefs de la ville.
A lui seul, il a mis en lumière les failles de la sécurité de la SMRT et a tiré la sonnette d'alarme au bon moment.
Les opérateurs de transports à Singapour devraient être tenus responsables de tout incident dans les trains, les gares et les bus dû à leurs manquements en matière de sécurité.
Ces opérateurs se doivent d'assurer la sécurité de leurs voyageurs.

Raha hiampanga ilay teratany Soisa ihany noho ny fanimbana fananana sy ny fandrobana dia tokony hisaotra sy hanome voninahitra azy amin’ny fanomezana azy ny fanalahidin’ny tanandehibe ny fanjakana.
Nanasongadina ny tsinin’ny fiarovana tao amin’ny SMRT izy ary nampaneno ny lakolosy fanairana tamin’ny fotoana nilana izany.
Tokony ho tazonina ho tompon’andraikitra amin’ireo tranga rehetra miseho eny anaty fiarandalamby, any anaty garan’ny fiarandalamby sy any anaty bisy ireo rehetra mpandraharaha ao amin’ny fifamoivoizana ao Singapaoro noho ny tsy fisian’ny fiarovana.
Tokony hiantoka ny fiarovana ireo mpandehany ireo mpandraharahan’ny fitaterana ireo.