- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manakana ny fandrosoana any Nepal ny kolikoly

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia mampangarahara asa

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009)

Tsy miafina intsony fa olana lehibe any Nepal ny kolikoly . Araka ny filazan'ny Transparency International (TI) [1], laharana faha-143 (raha laharana faha-121 teo aloha) amin'ny firenena 180 amin'ny ambaratongan'ny ady amin'ny kolikoly ny firenena. Nouvelle Zélande no tsy dia mpanao kolikoly indrindra ary Somalia no tena mpanao kolikoly indrindra.

Milaza ny TI fa ny anton'ny faharatsian'ny kolikoly toa tsy voafehin'ny firenena dia noho ny:

“political instability and weak executive in Nepal with the increased corruption level. Although, this year was relatively peaceful in Nepal, corruption has increased as the law implementing agency has become weaker due to various issues related to transition,”

“tsy fitoniana ara-politika sy ny governemanta marefo any Nepal sy ny fiakaran'ny tahan'ny kolikoly. Na dia somary milamina aza tao Nepal tamin'ity taona ity, mbola nitombo ny kolikoly satria miha-marefo ny sampana misahana ny fampiharan-dalàna noho ireo olana isan-karazany mifandraika amin'ny tetezamita”

Mohan Nepali ao amin'ny Groundreport nilaza hoe [2]:

Nepal is yet far behind in the combat against all-pervasive corruption, ill-governance and dysfunctions of its state mechanisms.

The present rise in the petroleum price is also considered as an indicator of the heavy influence of black market forces, operating in nexus with political players, on state power mechanisms.

Mbola lavitra i Nepal amin'ny ady amin'ny kolikoly manjakazaka, ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahombiazan'ny rafi-panjakany.

Ny fiakaran'ny vidin-tsolika amin'izao fotoana izao dia heverina ho toy ny famantarana ny hery goavan'ny tanjaky ny tsena maizina, miasa miaraka amin'ireo mpiantsehatra ara-politika ao amin'ny rafitry ny fahefam-panjakana.

Dr. Hari Bansha Dulal [3], mpaneho hevitra ara-politika malaza mampahatsiahy fa manana ireo mpampiroborobo azy tsara toerana ny kolontsain'ny kolikoly.

“It is not only the poor local politicians trying to establish a foothold in politics who are engaged in looting the state; the so-called top leaders of major political parties have not given up their right to loot the state altogether. Madhav Kumar Nepal’s government is planning to waive arrears worth Rs 10 million incurred by former prime ministers and ministers over the last two decades. Except for Krishna Prasad Bhattarai, all former prime ministers of the last two decades are in the list. The timing cannot get better because PM Nepal himself is in the list for the generosity he exhibited during his stint as a deputy prime minister of the country some years ago.

When it comes to looting the state, consensus does not evade Nepalese politicians. And, they really are getting sophisticated at it. All-party unity in draining the state’s coffer is not something that is local to Dang. Lately, this has been happening in every nook and corner of the country. “

“Tsy ireo mpanao politika mampalahelo ao an-toerana ihany no miezaka miditra amin'ny politika izay mandray anjara amin'ny fandrobana ny fanjakana, tsy niala tamin'ny zony handroba ny fanjakana manontolo ireo lazaina fa mpitarika ambony ao amin'ireo antoko politika lehibe. Mikasa ny tsy handoa ireo trosa 10 tapitrisa Rs nataon'ny praiminisitra teo aloha sy minisitra nandritra ny roapolo taona lasa ny governemanta Madhav Kumar ao Nepal. Ankoatra an'i Krishna Prasad Bhattarai, ao anaty lisitra avokoa ireo praiminisitra teo aloha rehetra tao anatin'ny roapolo taona farany. Tsy misy fotoana tsara noho izao mihitsy satria ny praiminisitra Nepal tenany no tao anatin'ny lisitry ny malala-tanana izay nasongadiny nandritra ny fe-potoana maha-praiminisitra lefitra azy tao amin'ny firenena taona maro lasa izay.

Raha mikasika ny fandrobana fanjakana, dia tsy miala amin'ireo mpanao politika Nepaley ny marimaritra iraisana. Ary, tena mahatalanjona tokoa izy ireo amin'izany. Tsy zava-miavaka ao an-toerana ho an'i Dang ny firaisan'ny antoko rehetra ao anatin'ny sompitry ny fanjakana. Vao haingana no nitrangan'izany isaky ny zoron'ny firenena.”

Tsy voafetra amin'ny governemanta sy ny mpanao politika ihany ny kolontsain'ny kolikoly any Nepal. Mampalahelo fa lasa niharan'ity aretina ity koa ny fiainana ara-tsosialy. Krishna Bhusal [4] manoratra ao amin'ny bilaoginy mikasika ny fanambadiana mangataka “daoty” goavambe ataon'ny fianakavian'ny mpampakatra, sy ny ampakarina tsy te-hiraharaha ny tsy fahatanterahan'ny toetran'ny mpampakatra raha toa ka manana toerana tsara ao anatin'ny governemanta izy (izay ahafahany mahazo tombontsoa ara-politika sy ara-toekarena tsy ara-dalàna) ary manimba ny fahamasinan'ny fifandraisana ara-tsosialy.

Taona vitsy lasa izay, noho ny hamaroan'isan'ny mpiasa Nepaley mankany ivelany mba hitady asa, nanjary fitrandrahana volamena virtoaly ho an'ireo manampahefana mitady tombontsoa tsy ara-drariny ny fifindra-monina sy ny fiarovana sisintany. Ao amin'ny bilaogin'ireo manamboninahitra Nepaley, B. Basnet  [5]izay nafindra tany amin'ny sampan-draharaha hafa vao haingana, manadihady ny antony mahatonga ny mpiasa misahana ny fifindramonina ho voasariky ny kolikoly.

“In Immigration, the illegal travelers are the source of major illegal income. Normally fair travelers are not under targeted income source list. The types and volume of illegal or curtailed travelers are amazing. Most of the illegal work is done with the pre-consent and coordination of higher level official of the Ministry and Department. The percentage of such income immediately distributed through their agents. So, it is stupid to blame only to the junior immigration staffs for corruption matters.”

“Amin'ny fifindra-monina, ireo mpivezivezy tsy ara-dalàna no loharanon'ny fidiram-bola lehibe tsy ara-dalàna. Raha ny marina, dia tsy ao anatin'ny lisitry ny fidiram-bola kendrena ireo mpivezivezy ara-dalàna. Mahavariana ny karazana sy ny habetsahan'ireo mpivezivezy tsy ara-dalàna. Atao amin'ny fankatoavana mialoha sy fiaraha-miasa amin'ny manampahefana ambony amin'ny minisitera sy ny sampan-draharaha ny ankamaroan'ny asa tsy ara-dalàna. Zaraina avy hatrany amin'ny alalan'ireo mpiasany ny isan-jaton'ny fidiram-bola toy izany. Koa, hadalana ny manome tsiny fotsiny ireo mpiasan'ny fifindramonina amin'ny raharaha kolikoly”

Milaza i Basnet fa ny fanavaozana ny fifindra-monina dia tokony hanomboka eny amin'ny mpiasam-panjakana ambony.

Mba handrefesana ny haben'ny kolontsaina kolikoly ao Nepal, ity misy lahatsary YouTube [6] avy amin'ny Avenues TV ao Kathmandu. Azonao jerena ny hosoka mandritra ny fizotry ny fividianana fitaovana ao amin'ny distrikan'i Salyan izay ao anatin'ny tetikasa fizaran-drano ho an'ny fiarahamonina.

https://youtube.com/watch?v=HteZP1ucPMI

“Misy fiantraikany amintsika rehetra ny kolikoly,” hoy ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana Ban Ki-moon nanaiky  [7]tamin'ny hafany momba ny Andro iraisam-pirenena Iadiana amin'ny kolikoly amin'izao fotoana izao.

Miorim-paka ny kolikoly any Nepal. Voakasik'ity faharatsiana ity avokoa ny kolontsaina, ny fifandraisana ara-tsosialy, ny fandraharahana ary ny governemanta. Raha tsy miara-miasa ny vahoaka sy ny governemanta mba hampitsaharana ny fanekena ara-tsosialy amin'ity kolikoly ity, dia tsy azo inoana fa hiverina any Nepal ny fahamarinana.