03 Oktobra 2018

Tantara tamin'ny 03 Oktobra 2018

Shina: Ny fandravan-trano an-tery

Nisarika ny saina momba ny fiarovana ny zon'ny olom-pirenena sy ny famahana ara-drariny ny olana ny tranga roa nahitana ny fandravan-trano an-tery. Naneho fanehoan-kevitra sy fihetsem-po maro ny mpisera Aterineto Shinoa.

03 Oktobra 2018

Hita eny rehetra eny ny antoko Armenia Feno Fanambinana!!!

Hatramin'ny "@21-03-2007 tamin'ny 09:07:00" nitatitra i Narjan fa niraikitra teo amin'ny rindrin'ny lapan'ny filoham-pirenena tao Yerevan ny teny hoe "DOD", izay nofafana haingana mba hanimbana ny fifalian'ireo bilaogera izay nankasitraka ny fahombiazan'ny asa fanadiovana, na dia izany aza.

03 Oktobra 2018

Singapaoro: Teratany Soisa voampanga ho nanapotika fiarandalamby

Ny 17 May 2010, nandrava ny sakana manodidina ny fanatobian'entana ao amin'ny  orinasan’ny fitaterana nasionaly sy nandoko izany tamin'ny graffiti ilay teratany Soisa sy ilay Britanika mpiray tsikombakomba taminy. Melohina telo taona an-tranomaizina fara-faha-betsany ny fanimbazimbana ao Singapaoro sy famaizana kapoka tsora-kazo in-telo ka hatramin’ny im-balo.

03 Oktobra 2018

Manakana ny fandrosoana any Nepal ny kolikoly

Tsy miafina intsony fa olana lehibe any Nepal ny kolikoly . Araka ny filazan'ny Transparency International (TI), laharana faha-143 (raha laharana faha-121 teo aloha) amin'ny firenena 180 amin'ny ambaratongan'ny ady amin'ny kolikoly ny firenena. Nouvelle Zélande no tsy dia mpanao kolikoly indrindra ary Somalia no tena mpanao kolikoly indrindra.

03 Oktobra 2018