Miray hina ho an'ny ankizy eto Madagasikara ny bilaogera Malagasy

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Somary navitrika tokoa tamin'ny ezaka fanaovana asa soa ny tontolon'ny bilaogy Malagasy.

Nanomboka izany rehetra izany rehefa nanasa ny tontolon'ny bilaogy malagasy i Jogany tao amin'ny purplecorner.com mba handray anjara amin'ny fanangonam-bola virtoaly : ny blog-a-thon izay nanoratan'ny mpandray anjara lahatsoratra iray isaky ny 30 min, mandritra 24 ora tsy ankijanona mba hanangonam-bola ho an'ireo kamboty any amin'ny tananakelin'i Vontovorona, Mangarano ary Antsirabe .

Ny lohahevitra? Angano. Ny fitantarana angano no lafiny manan-danja amin'ny kolontsaina Malagasy, indrindra fa ny angano avy amin'ireo razambentsika. Maro amin'ireo tantara Malagasy nentim-paharazana ireo no mety ho adino, koa zava-dehibe amin'ny fitazonana azy ireo ao an-tsain'ny ankamaroan'ny vahoaka ny ezaka toy izany.

Natao tany Paris ny 15 Septambra 2007 ny ezaka asa soa iray hafa ho fanampiana ny ankizy eto Madagasikara. Nikarakara fanohanana ara-kolotsaina izay hizarana vondrona ireo mpandray anjara amin'ny anaran'ny vondrom-poko Malagasy i Pokanel.  Nifaninana tamin'ny fanenjika sy ny fikarohana harena sarobidy ao afovoan'ny tsangambato mahafinaritra ao Paris ny vondrona tsirairay.

Nahazo laza i Pokanel noho ny asa-soratra famoronany, ny hatsikany mivantambantana ary ny hevitra “miavaka”  toy ny famoahana ny sarin'i Paris Hilton ho toy ny sari-dokambarotra ho an'ny tetikasan'izy ireo “fanampiana ny Ankizy Malagasy”.

Fomba mahaliana ihany koa hanaparitahana am-boalohany ny olana ara-poko ny fanapaha-kevitra manokana tamin'ny fanomezana anarana ny vondrona ho anaran'ny vondrom-poko. Olana hita ao amin'ny tontolon'ny bilaogy Malagasy ny fifanenjanana ara-poko.

Ao amin'ny hevitra mifandraika amin'izany ihany dia nisy hetsika malala-tanana avy any ivelan'i Madagasikara nisarika ny sain'ny bilaogera Malagasy Harinjaka .

Rehefa nahare momba ny milina fitotoam-bary mandeha amin'ny rivotra avy amin'i William Kamkwamba, vondrona mpikambana ao amin'ny TED izay nirotsaka an-tsitrapo tamin'ny fanampiana an'i William sy ny fianakaviany  dia nanoratra i Harinjaka hoe:

“William, if you read this entry, just know that you are such an inspiration for many of us in here in Madagascar!”

“William, raha mamaky ity lahatsoratra ity ianao dia fantaro fa manome aingam-panahy ho an'ny maro aminay eto Madagasikara ianao!”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.