- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Arzantina: Ny voina nahazo ny fianakaviana Pomar

Sokajy: Amerika Latina, Arzantina, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka

(Marihina fa tamin'ny volana Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Tao anatin'ny herinandro vitsy, nitatitra betsaka momba ny fanjavonan'ny fianakaviana Pomar ny fampitam-baovao ao Arzantina. Ny 14 Novambra 2009, nandeha fiara nankany Pergamino, 220 kilometatra miala an'i Buenos Aires i Fernando Pomar, ny vadiny Gabriela Viagrán, ary ny zanany roa vavy Candelaria sy Pilar ary nanjavona rehefa avy nandalo lalana handoavana hetra.

Samy naminavina ny zavatra maro mety nitranga momba ny fanjavonan'ny fianakaviana Pomar ny fampitam-baovao sy ny polisy. Maro tamin'izany no niampanga ilay raim-pianakaviana Fernando Pomar, ho tompon'andraikitra, na namono ny fianakaviany.

Ny 8 Desambra 2009,  hita tany akaikin'i Pergamino nivadika teo amin'ny sisin-dalana ny fiaran'izy ireo. Maty avokoa ny tao anatiny , araka ny notaterin'ny gazety El Clarín [1]. Nilaza ny polisy fa niharan'ny lozam-pifamoivoizana ny fianakaviana: nivadika ny fiaran'izy ireo teo am-pihodinan-dalana.  Nanakana ny polisy tsy hahita ny fiara mialoha ny bozaka lava nanamorona ny làlana.

Taorian'ny nahitan'ny polisy izany, lohahevitra roa no niteraka adihevitra indrindra tany Arzantina. Ny tsy fahombiazan'ny polisy no voalohany tamin'izany. Tao amin'ny Twitter,  maro ireo mpisera aterineto no nilaza ny hevitr'izy ireo momba ny tsy fahombiazan'ny polisy ao Buenos Aires amin'ny famahana ny fanadihadiana teo ambanin'ny tenirohy “#pomar” [2] .

Nanoratra ny mpisera @la_despistad [3]a [3] hoe:

La misma polícia que investigó el caso Pomar es la que lucha contra la inseguridad, protegiendonos???. #pomar

Ilay polisy manao ny fanadihadiana ny raharaha Pomar ihany ve no miady amin'ny tsy fandriampahalemana, ary miaro antsika ???. #pomar

Hoy i christian4oux [4] :

la impotencia que me genera que la institución que nos brinda “seguridad” es tan corrupta e inepta #policía #pomar

ny fahalemena izay tsapako manoloana ny zava-misy fa tena simba sy tsy mahomby ny andrimpanjakana manome antsika “fiarovana”   # policía #pomar

Nanoratra ilay bilaogera JSK-SDE [5] fa sarotra ny mino hoe naharitra 24 andro vao hita ny fiara:

Se sabe que el lugar es transitado, hay numerosos establecimientos cerca, que ¿nadie vio o sintió nada?. Me es muy difícil creerlo, 24 días son muchos días para que nadie vea ni sienta nada.

Fantatra fa tena be mpandalo ny toerana [ny lalana Pergamino], maro ny trano eny akaikin'io làlana io, dia tsy nisy nahita na naheno na inona na inona ve ? Tsy mampino ahy izany, 24 andro be izao tsy nahitana sy tsy naharenesana na inona na inona.
Ny bilaogy Soy Más de lo Mismo [6] sy Visualmente  [7]ihany koa dia nandray anjara tamin'ny adihevitra momba ny tsy fandriampahalemana.
Ny fihetsika nataon'ny fampitam-baovao no lohahevitra iray hafa niadian-kevitra. Naneho ny karazana vinavina rehetra mikasika ny fanjavonan'ny fianakaviana ny fandaharan'ny fahitalavitra sy ny gazety. Tao amin'ny bilaogy Magia Crítica [8], niresaka momba ny fampitam-baovao izay nanontany ny hevitry ny “mpahita ny hoavy” mba hiresaka ny raharaha i Alejandro Agostinelli:

Parapsicólogos y videntes dijeron que estaban vivos. Ufólogos hablaron de teleportaciones. Expertos en casos policiales se ensañaron con el padre. O con el padre del padre. Ahora sabemos que la familia Pomar murió en un accidente de tránsito.

Nilaza ny parapsykôlôjigy sy ny mpahita ny hoavy fa velona izy ireo. Niresaka momba ny fanjavonana nankany amin'ny tontolo hafa ireo mpikaroka momba ny OVNI. Nanenjika ilay raim-pianakaviana ny manam-pahaizana misahana ny raharahan'ny polisy. Na ny rain'ilay raim-pianakaviana. Fantatra ankehitriny fa maty tamin'ny lozam-pifamoivoizana ny fianakaviana Pomar.

Nanoratra tao amin'ny Twitter i Daniel Molina [9]:

El caso Pomar es el índice de seriedad del periodismo argentino: todo lo que dijeron era mentira, sin atenuantes

Nampiseho ny lanjan'ny fahamatoran'ny asa fanaovan-gazety tao Arzantina ny raharaha Pomar: nitantara lainga fotsiny ny fampitam-baovao, tsy nisy fanalefahan-tsazy.
Ahitana vaovao misimisy kokoa momba ny fomba nitantaran'ny fampitam-baovao ny raharaha ny tao amin'ny bilaogy La Puta Pituca [10] sy Los Lanzallamas [11] .

Naleon'ny bilaogy Seguridad Vial [12] nisarika ny saina ho amin'ny lohahevitra iray hafa: mety hanampy amin'ny fanatsarana ny fiarovana ny fifamoivoizana ny voina nitranga.

Ojalá que estas muertes no hayan sido en vano y que ahora que el caso se esclareció -con un final trágico pero que “no vende”- no quede todo en el olvido. Que los colegas de la prensa que tanto escribieron y hablaron en vano, que ahora al menos llenen espacios exigiendo más seguridad vial, algo que nunca está de más.

Antenaina fa tsy ho zava-poana ny fahafatesan'izy ireo ary rehefa voavaha ny raharaha amin'izao fotoana izao – nihatana fiafarana mampalahelo na dia “tsy amidy aza izany” dia tsy hanadino izany isika. Antenaina fa hangataka fiarovana bebe kokoa ho amin'ny fifamoivoizana ireo mpiara-miasa amintsika ao amin'ny gazety mba tsy ho lany fotoana tamin'ny fanoratana sy ny fitenenana betsaka, izay tsy fandaniana andro velively.