Septambra, 2018

Tantara tamin'ny Septambra, 2018

HiperBarrio: Campus Party Kolombia sy sary avy amin'ny lavaka paingotra

Rising Voices  27 Septambra 2018

Tonga voalohany tao Kolombia tamin'ny taona 2008 ny Campus Party, iray amin'ireo fihaonambe ara-teknolojika lehibe indrindra miteny Espaniôla manerantany. Naverina indray tamim-pahombiazana lehibe izy ary tena navitrika nandray anjara tamim-pihetseham-po tamin'izany lanonana izany (2008, 2009) ny vondrom-piarahamonina Hiperbarrio ao Kolombia, izay nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

Maraoka: Tantaranà Mpanjaka

  26 Septambra 2018

''Tany am-piandohan'ny herinandro, rentsika niresaka momba ny finoana sy ny politika ny andianà frantsay voaantso ho any Maraoka .... Tena mahagaga ny fisiana lahatsoratra iray momba an'i Meknès, fa lahatsoratra roa ao anatin'ny herinandro, tena tsy mampino.''

Shina: CCTV ambanin'ny afon'ny… tsikera

  26 Septambra 2018

Ny alin'ny 9 hifoha 10 febroary, nirehitra ny ampahany iray tamin'ny Tilikambon'ny CCTV, ny Fahitalavitra Foibe ao Shina, raha teo ampiitifirana afomanga ho fankalazana ny fetin'ny Harendrina ny ekipana mpahay momba ny afo (pyrotechniciens) iray. Nahafatesana olona iray, mpamonjy voina, ary naharatràna olona fito sy nahasimbana fotodrafitrasa sy fitaovana mitentina miliara yuan maro izany afo izany.