Madagasikara: Ary rehefa eo am-pelatanan'ny tafika ny fitondrana ?

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanaitra an'i Madagasikara ny vaovao momba ny fikomiana tao amin'ny toby miaramila iray teto Antananarivo  ny 10 Martsa 2009. Niparitaka tany amin'ny toby miaramila hafa ny fikomiana nanomboka tamin'izay ary nametra-pialana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Vice-Amiral Mamy Ranaivoniarivo.

Voatendry hanolo io toerana io i Mamy Ranaivoniarivo herinandro vitsivitsy monja taorian'ny fametraham-pialan'i Cécile Manorohanta taorian'ny rà mandriaka ny 7 Febroary 2009, rehefa nikasa ny hiditra ny lapam-panjakana ny mpanao fihetsiketseha avy amin'ny mpanohitra Andry Rajoelina  “TGV” ary voalaza fa nitifitra azy ireo ny mpiambina ny filoham-pirenena.

Araka ny loharanom-baovao, noterena hametra-pialana ny Vice-Amiral Mamy Ranaivoniarivo, raha notanan'ny miaramila mpikomy izay nanery azy hanoratra taratasy ary hamaky izany nandritra ny valan-dresaka an-gazety izy. Nitatitra izany ny BBC :

Il a lu une brève lettre de démission devant les reporters, mais a sous-entendu plus tard qu'il avait pu être contraint à quitter son poste.

“Peut-être que j'ai démissionné sous la menace. Je n'aime pas que les Malgaches s'entretuent” a-t-il dit”.

Namaky taratasy fametraham-pialana fohy teo anoloan'ireo mpanao gazety izy, saingy nilaza izy avy eo fa noterena hametram-pialana.

“Angamba niala aho noho ny fandrahonana. Tsy tiako hifamono ny samy Malagasy, “hoy izy.

Naneho hevitra momba ity fametraham-pialana ity ilay bilaogera Jentilisa:

“Nandritra ny tontolo maraina izy no nohidiana birao, sady nohidiana rahateo vavahady fidirana ao amin'ny minisitera tsy nahafahany mivoaka. Efa karazana “gadra” izy izany raha tsy “takalon'aina”. Mampalahelo ny mahita fa ny ambany grady indray no mibaiko ny manamboninahitra jeneraly, ary nisy aza ny nandrahona azy, ka teo anatrehan'ny mpanao gazety no nanatanterahana izany fandrahonana izany indray (ankoatra izay tany amin'ny birao any). Maty hasina ny sata repoblikana, mitamberina an-tsaina ihany koa ny fanaon'ny mpampihorohoro any amin'ireny sarimihetsika ireny.”

Taorian'ny fialany, namoaka fe-potoana farany ny lehiben'ny tafika :

“Nous implorons tous les acteurs politiques, la société civile et les autres partis de se réunir immédiatement pour trouver une solution au cours des prochaines 72 heures pour sortir la nation de la crise actuelle,” a dit le Général Rasolomahandry.

“Miangavy ny mpisehatra ara-politika rehetra izahay, ny fiarahamonim-pirenena ary ny antoko hafa mba hiara-hivory avy hatrany hahitana vahaolana ao anatin'ny 72 ora mba hamoahana ny firenena amin'ny krizy amin'izao fotoana izao,” hoy ny Jeneraly Rasolomahandry.

Ny 11 Martsa 2009, nofehezin'ny lehiben'ny mpikomy, ny kolonely Ndriarijaona ny tafika :

“Le colonel André Ndrianarijaona a déclaré aux journalistes mercredi que le chef des armées avait accepté de lui transférer ses pouvoirs.

André Ndrianarijaona a déclaré que le  Général Edmond Rasolomahandry avait accepté après moins d'une heure de discussion dans les bureaux du ministère. Edmond Rasolomahandry est parti sans faire de commentaires.

Le Président Marc Ravalomanana, qui a nommé Rasolomahandry le mois dernier, n'a pas fait de déclaration dans les instants qui ont suivi.

André Ndrianarijaona conduit un groupe de soldats qui ont annoncé au cours du week-end dernier qu'il ne prendraient plus d'ordres du Président. Mercredi, Ndrianarijaona a déclaré que l'armée était derrière lui.”

“Nilaza tamin'ny mpanao gazety ny Kolonely André Ndrianarijaona ny alarobia fa nanaiky hamindra ny fahefany taminy ny lehiben'ny tafika .

Nilaza i André Ndrianarijaona fa nanaiky ny Jeneraly Edmond Rasolomahandry taorian'ny adiny iray latsaka niadiana hevitra tao amin'ny biraon'ny minisitera. Lasa tsy niteny i Edmond Rasolomahandry .

Tsy nisy ny fanambarana avy amin'ny Filoha Marc Ravalomanana, izay nanendry an'i Rasolomahandry tamin'ny volana lasa, taorian'izany.

Nitarika ny vondrona miaramila i André Ndrianarijaona izay nanambara nandritra ny faran'ny herinandro fa tsy handray baiko avy amin'ny Filoha intsony izy ireo. Ny Alarobia, nilaza i Ndrianarijaona fa miaraka aminy ny tafika . “

Tsikaritra fa nobahanan'ny miaramila ny arabe, ary nisy vavolombelona nitatitra momba ny tsaho tao amin'ny Twitter fa haka ny ministera ireo mpanohana an'i Andry-TGV. Ny tena nampalahelo, miady eny an-dalambe samy malagasy, ary voalaza fa olona niisa dimy ambin'ny folo no naratra. Namoaka ity sary manaraka ity tao amin'ny bilaoginy i Pakysse .


Tena niahiahy momba ny mety ho tohin'ny tantara ireo bilaogera Malagasy .

Sahiran-tsaina noho ny mety hisian'ny ady an-trano i Tahina , izay angamba efa nanomboka:

“Alors que j'écris, les pillages se poursuivent,  SFOI Tanjombato est maintenant au nombre des lieux pillés.
Avec des amis, nous avons parlé à un étranger qui vit à Madagascar depuis huit ans maintenant et prononcé les mots “guerre civile”. Il a dit que les Malgaches sont trop pacifiques et qu'il est difficile d'imaginer une chose pareille ici. J'espère qu'il a raison.”

“Raha eto am-panoratana aho dia mitohy ny fandrobana, anisan'ireo toerana voaroba ny SFOI Tanjombato.
Niaraka tamin'ireo namana, niresaka tamin'ny vahiny iray izay nipetraka teto Madagasikara nandritra ny valo taona izahay ary nanonona ny teny hoe “ady an-trano” izy. Nilaza izy fa milamina loatra ny Malagasy ary sarotra ny maka sary an-tsaina ny zava-nitranga. Inoako fa marina ny azy. “

Namoaka ny sarin'ny zava-nitranga i Rado .

Ambatobe burning

Ao amin'ny Malagasy Miray, manohitra tanteraka ny zavatra ataon'ny vahoaka Malagasy amin'ny fireneny ny mpanoratra iray :

“Voalaza mantsy fa hendry ramalagasy, voalaza fa mandala ny fihavanana sy ny firaisan-kina.   Kanefa inona ny nitranga? Ny andaniny mitady an’i Andry Rajoelina any amin’ny masoivoho frantsay, ny ankilany hanenjika ny PDS Guy Rivo eny Ampasapito sy ny manodidina rehefa tsy nahazo ny zanany teny Ambatobe tao amin’ny sekoly frantsay. Ny miaramila mihoko sy mitokona tsy handray baiko intsony fa hanao “V” amin’ny ratsan-tànana.   Ny mpandroba maneho eo anoloan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa mahantra sy noana ka solosaina sy fahitalavitra no angalarina. Maratra, voa mafy misy koa ny maty. Haringana ve ny firenena? Hahetry ve ny toe-tsaina malagasy sy ireo soa toavina nolalain’ny razana?Inona re ity nataonao raMalagasy ô?! Mahamenatra sy marary toy ny tongo-bakivaky.”

Niezaka ny haka vahana manoloana ny krizy i Jentilisa ary nanontany tena raha toa ka tsy lehibe noho ny adin-dRavalomanana sy Rajoelina ho eo amin'ny fitondrana ny olana. Inona no avelantsika eto? Nahoana no mikomy ny miaramila? Miresaka momba ny Tantara izy ary mahita ny fitovizana tamin'ny fikomian'ny tafika nandritra ny ady teo amin'i Madagasikara sy Frantsa tamin'ny taona 1885 (amin'ny teny Malagasy). Ady iray izay nifarana tamin'ny faharesen'ny Malagasy, ny fanovàna an'i Madagasikara ho eo ambany fitondran'ny Frantsay, ary avy eo ny fanjanahantany.

“Toa tsy niraharaha ny ady loatra ny mpitari-tafika Malagasy, indrindra fa tamin’ireo Jeneraly efa nananan’ny Malagasy ihany koa. Teo Andriba ihany no mba nisy karazana ady mafana teo amin’ny Malagasy, fa ny ankoatra izany dia tena tsy nisy na inona na inona nataon’ireo tafika mihitsy. Inona no antony? Ela nitondrana loatra manko ny praiminisitra Rainilaiarivony ka efa bebe ihany ireo tsy tia azy. Ny andaniny efa mpankasitraka ny Frantsay koa faly kokoa mahita an’i Rainilaiarivony fa jamba teo amin’ny fijerena ny hoe ho lasan’ny Frantsay anie i Madagasikara fa sombintsombiny ihany no omeny anao izay faly tsy mahita fa ny fiandrianam-pirenena Malagasy no rava fa tsy hoe Rainilaiarivony ihany no miongana”.

Nampatsiahy ny tantara momba ny anjara asan'ny tafika ihany koa i Tomavana :

“Alors que les jours passent, la liste des victimes des troubles à Madagascar continue à s'allonger. A Genève aussi, l'armé avait tiré sur des manifestants. La différence est que les Genevois ont tiré la leçon de l'Histoire : l'armée suisse n'est pas entrainée à maintenir l'ordre public, l'armée est faite pour défendre le pays au cours d'une guerre.”

“Rehefa mandalo ny andro dia mitombo hatrany ny lisitr'ireo niharan'ny korontana eto Madagasikara. Tao Genève ihany koa, nitifitra ireo mpanao fihetsiketsehana ny tafika. Ny fahasamihafana dia hoe ny Genevans dia nianatra ny lesona momba ny tantara: ny tafika Soisa dia tsy nampiofana hitazona ny filaminam-bahoaka, ny tafika dia natao hiaro ny firenena mandritra ny ady.

Nandritra izany fotoana izany, nambaran'ny iraky ny Firenena Mikambana fa eo ambany fiarovan'ny Firenena Mikambana ny mpitarika ny mpanohitra  Andry TGV, kanefa nandà izany ny foiben'ny Firenena Mikambana taorian'izay ary nanamafy fa eo ambany fiarovan'i Frantsa i Andry TGV ary nanambara ny manampahefana tao amin'ny Masoivohon'i Frantsa fa eo am-pelatanan'ny Fiangonana Katolika i Andry TGV ankehitriny, kanefa araka ny loharanom-baovao hafa, dia tany amin'ny toerana tsy fantatra izy mba hiarovana ny tenany. Toa niverina soa aman-tsara, tao an-tranony tany Ambatobe anefa izy ary narovan'ny mpikomy ary nandà ny handray anjara tamin'ny fifanakalozan-kevitra nasionaly izay napetraky ny Firenena Mikambana sy ny hery tandrefana mba hiarovana azy!

Namoy ny tranony izay main'ny afo sy norobain'ireo mpanohana an'i Andry-TGV ny ben'ny tanàna vaovaon'Antananarivo, izay notendren'ny filoha. Ary nosakan'ny tafika tsy hiditra ny fiaramanidin'ny filoham-pirenena i Marc Ravalomanana, izay voalaza fa handositra ny firenena. Nisy mpanohana an'i Marc Ravalomanana nanao hetsi-panoherana teo ivelan'ny Masoivohon'i Frantsa manohitra ny fitsabahany amin'ny raharahan'ny Malagasy.

Nanontany tena i Solofo raha midika ho fanohanana ny fanonganam-panjakana avy amin'ny Firenena Mikambana sy i Frantsa ny fiarovana nomen'izy ireo an'i Andry :

“Ainsi Andry s'est fait exfiltré à la Résidence de l'Ambassadeur de France et ceci sous la ‘protection’ de l'ONU ; du jamais vu dans la gestion des différents crises politiques dans le monde d'autant plus que l'ONU et les autres organisations internationales comme l'OUA ont toujours prôné  le respect des Institutions comme principe de base.

Est-ce un signal officiel de soutien à l'insurrection et au coup d'état en cours à Madagascar par l'ONU ?…Cette ‘protection’ ne constitue pas un support officiel au Coup d'état mais un moyen de pousser tout le monde à s'entendre pour esquisser ensemble une ‘cohabitation’ à tous les étages (au gouvernement, au Sénat et dans des instances de contrôle ad-hoc qui seront créés pour prendre en compte les revendications de l'opposition), et ceci, tout en respectant la Constitution et les échéances électorales.”

Niditra an-tsokosoko tao amin'ny toeram-ponenan'ny Masoivoho Frantsay i Andry ary teo ambany fiarovan'ny Firenena Mikambana izany; tsy mbola nisy toy izany teo amin'ny fitantanana ireo krizy ara-politika isan-karazany maneran-tany, indrindra fa ny Firenena Mikambana sy ireo fikambanana iraisam-pirenena hafa tahaka ny OUa dia nanohana foana ny fanajana ny andrim-panjakana ho fitsipika fototra.

Fanohanana ofisialy ho fanohanana ny fanenjehana sy ny fanonganam-panjakana amin'izao fotoana izao ve eto Madagasikara? … Ity fiarovana ity dia tsy fanohanana ofisialy ny fanonganam-panjakana fa fomba iray hanosehana ny rehetra hanaiky ny hanoritra ny “fiaraha-mitantana” any amin'ny ambaratonga rehetra (ao amin'ny governemanta, ao amin'ny Antenimieran-doholona ary eo amin'ny sehatra fanaraha-maso adhoc izay ho entina hanohanana ny fangatahan'ny mpanohitra), ary izany rehetra izany amin'ny fanajana ny lalàm-panorenana sy ny fe-potoana voalazan'ny fifidianana. “

Nalahelo ihany koa i Solofo fa Ravalomanana, izay niala tsiny ampahibemaso noho ny fahadisoana nataony nandritra ny fito taona nitondrany, dia niandry fotoana ela loatra vao niaiky ny hadisoany:

” Cette solution a été et reste la seule voie raisonnable et bénéfique pour le pays d'autant plus qu'apparemment Ravalomanana a finalement décidé de faire son auto-critique en public aujourd'hui. Bien entendu, il faut le voir en action dans les jours et mois à venir mais je trouve dommage qu'il ait mis tant de temps avant de muer. “

“Ity vahaolana ity dia sady mbola sisa ihany no fomba tsara sy mahasoa ho an'ny firenena, indrindra fa raha toa ka toa nanapa-kevitra ny hanao ny fanakianany ny tenany amin'ny fomba ofisialy ankehitriny ny Ravalomanana. Mazava ho azy fa tsy maintsy ho hita eo amin'ny asa izany mandritra ny andro sy volana ho avy, saingy hitako fa mampalahelo fa ela loatra vao miova. “

Tezitra mafy i Jentilisa raha nahare fa nahita fialofana tao amin'ny Masoivoho Frantsay i Andry-TGV :

“Raha niainga ny mpiaro ny ara-dalàna teny Mahamasina dia ny hitaky ny hanalana an'i Andry TGV any amin'ny Ambasady Frantsay no antony, sy ny tsy hitsabahan'i Frantsa amin'ny raharahan-tokantranon'i Madagasikara. Mampihomehy indrindra manko raha olona “nialokaloka” teo alohaloha teo no afaka mandehandeha soa aman-tsara eto Madagasikara, afaka mikabary amin'ny famoriana olona eto Madagasikara, nefa mody any amin'ny masoivoho Frantsay rehefa avy eo. Tsy nitsipaka ny vaovao rahateo moa ny fitondrana Frantsay fa dia nilaza ny hanalana azy fotsiny avy eo. Dia io fa feno miaramila mpioko io manodidina ny tranony eny Ambatobe amin'izao fotoana izao.”

Valo volana lasa talohan'izay no nandroahan'i Marc Ravalomanana an'i Gildas Le Lidec, ambasadera Frantsay teto Madagasikara. Nihevitra izy fa “mitondra vitan-dratsy” ity diplaomaty ity noho ny fironana isian'ny fanonganam-panjakana sy famonoana olona amin'izay firenena Afrikana andalonany….

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.