Sri Lanka: Nahazo ny vaton'ny faritra atsinanana ny governemanta

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Mey 2008)

Natao ny Sabotsy lasa teo (10 may) ny fifidianana vaomieran'ny Faritra Tatsinanana, ka nahazo ny 20 tamin'ireo toerana 37 ny governemanta. Nahazo toerana 15 ny Antoko Nasionaly Miray ary nahazo toerana 1 avy ny JVP sy ny TDNA. Na da nirehareha aza ny governemanta fa fandresena lehibe amin'ny ady atao amin'ny fampihorohoroana izany, dia nitaraina momba ireo hosoka sy tranga fanodinkodinana maro ireo antoko mpanohitra roa lehibe sy ireo mpanara-maso mahaleotena maro. Nizarazara ny hevitr'ireo bilaogera ka misy ny sasany manohana izany, ny sasany kosa manakiana ny fandikàn-dalàna ary ny hafa manontany ny maha-ara-dalàna ny vaomieran'ny faritany.

Lanka Rising ao amin'ny lahatsorany Ny voka-pifidianana: fandresen'ny demokrasia sy faharesen'ny fampihorohoroan'ny mpisintaka manome fanazavana amin'ny antsipiriany momba ny fifidianana sy ireo tranga mitarika amin'izany. Misy ireo fanehoan-kevitra vitsivitsy mahafinaritra ary koa adihevitra mafana sasantsasany 🙂

The long march of democracy in Eastern province started with the liberation of Mavillaru sluice gate from LTTE and restoring the supply of water for the innocent farmers in the area. It was a time when LTTE artillery were even targeting Tricomalee town and strategic Navy camp as a result of shameful CFA signed by UNP leader Ranil Wickramasingha and Prabakaran. The monks of JHU timely influenced the government to take speedy action at a time when new UPFA government seemed to be trapped with the CFA signed by previous UNP leadership. The success of Mavillaru operation not only prevented another attempt of LTTE to chase away Sinhala and Muslim farming community from Eastern province, but also mark the beginning or new democratic era in Eastern province.

Nanomboka tamin'ny fanafahana ny vavahadin'i Mavillaru tamin'ny LTTE sy ny famerenana ny famatsian-drano ho an'ireo tantsaha tsy manan-tsiny ao amin'ny faritra ny diabe maharitry ny demaokrasia tany amin'ny faritany atsinanana. Fotoana nikendren'ny fitaovam-piadiana mavesatry ny LTTE ny tanànan'i Tricomalee sy ny toby stratejikan'ny tafika an-dranomasina vokatry ny CFA mahamenatra nosoniavin'ny mpitarika ny UNP, Ranil Wickramasingha sy Prabakaran. Nanosika ny governemanta avy hatrany mba handray fepetra amin'ny fotoana toa nahavoafandriky ny CFA ny governemanta UPFA vaovaoizay nosoniavin'ny mpitarika ny UNP teo aloha ny moanin'ny JHU. Tsy ny fikasan'ny LTTE hanala ny vondrom-piarahamonina Sinhala sy Miozolomana ao amin'ny faritany atsinanana ihany no voasoroka tamin'ny fahombiazan'ny hetsika Mavillaru, fa izany koa no manamarika ny fiandohana na vanim-potoana demokratika vaovao any amin'ny faritany atsinanana.

Court Jester kosa manontany ny maha ara-dalàna sy ny fampiasana ny filan-kevitry ny faritany ary koa nanontany tao amin'ny lahatsorany raha tena nanafaka ny faritany Atsinanana tokoa ny governemanta: Fifidianana Filan-kevitry ny Faritany sy ny olana mifandraika amin'izany.

I have long taken a dim view of these Provincial Councils: all they do is add another layer of unnecessary bureaucracy to an already inefficient administrative system. If anyone knows what value the provincial councils add to the public let me know.

Efa ela aho no nanana fomba fijery ratsy momba ireo filan-kevi-paritany: ny zavatra rehetra ataon'izy ireo dia manampy lafin-javatra hafa tsy ilaina amin'ny rafitra ara-pitantanana izay efa tsy misy mahomby. Raha misy olona mahafantatra ny lanjan'ny filan-kevi-paritany eo amin'ny vahoaka dia ampahafantaro ahy.

The report goes on to state that “The LTTE had resorted to various terror acts to intimidate and keep voters away from polling booths”.
So the LTTE appears to be active again in the East. We are left to wonder if they re-infiltrated the cleared areas or whether they were actually cleared out as thoroughly as previously claimed.

Milaza koa ny tatitra fa “nanao hetsika fampihorohoroana isan-karazany ny LTTE  mba hampatahotra sy hitazomana ny mpifidy ho lavitry ny trano fandatsaham-bato”.
Noho izany, toa mbola mavitrika indray any atsinanana ny LTTE. Manontany tena isika raha toa ka niditra indray tao amin'ireo faritra nodiovina izy ireo na voaroaka tanteraka araka ny nambaran'izy ireo teo aloha izy ireo.

Dennam Batey ao amin'ny lahatsorany Latsa-bato tao Atsinanana – Tapitra ny fifidianana hafa ‘mana-danja’ (mampanontany tena ny maha-zava-dehibe azy)!!! manakiana ireo fanambarana mahazatra taorian'ny fifidianana izay anjakazakan'ireo mpandresy ary ahitana ireo resy mitabataba hosoka sy milaza fa tsy mbola nisy antoko nanendry andry mahaleotena hikarakara fifidianana.

We can remember the days of UNP and CBK where hundreds and thousands of votes were rigged and laws were grossly ignored. Why cry only when you are in the opposition?

Afaka mahatsiaro ny andron'ny UNP sy ny CBK isika izay vato an-jatony sy an'arivony no nahodinkodina ary  tsy noraharahiana tanteraka ny lalàna. Nahoana no mitabataba rehefa ao anatin'ny fanoherana ihany ianao?

Deane's Dimension kosa manana fomba fijery tena hafa tao amin'ny lahatsorany Nandresy tamin'ny Latsa-bato hosoka tao Atsinanana ny mpampihorohoro sy ny Governemanta izay nilazany fa tsara ny fampihorohoroana raha mbola manohana ny governemanta ireo mpampihorohoro.

See, it's often mistakenly thought there's a war against terror in Sri Lanka. Nonsense. Most Sri Lankans, the ruling party and particularly the president is fine with terrorrism as long as the terrorists are on ‘their’ side.

Jereo, diso matetika ny mieritreritra fa misy ny ady amin'ny fampihorohoroana any Sri Lanka. Fahadalàna. Ny ankamaroan'ny Sri-Lankey, mety amin'ny antokon'ny fitondrana ary indrindra ny filoha ny fampihorohoroana rehefa miaraka amin-dry zareo ny mpampihorohoro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.