- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fankalazana ny Ashura manerantany

Sokajy: Arabia Saodita, Etazonia, Ghana, Maorisy, Rosia, Trinite sy Tobago, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2011)

Muharram, volana voalohany amin'ny alimanaka Islamika, no fotoam-pisaonana ho an'ireo Silamo Shiita. Mandritra izany volana izany, dia mankalaza ny fahafatesan'i Husain, zafikelin'ny Mpaminany Mohammed sy ny Imam shiita fahatelo, ao amin'ny Ady tao Karbala [1] izy ireo. Tonga amin'ny fara-tampon'ny Ashura, andro fahafolo amin'ny volana ny lanonana fisaonana.

Ao anatin'ity lahatsoratra ity isika hijery ireo fombam-pivavahana Ashura isan-karazany manerana izao tontolo izao, ary mamaritra ny dikan'ny Ashura ho azy ireo ny bilaogera.

Tamin'ny herintaona nandritra ny Muharram, nandrakitra an-tsarintany ny fahatsiarovana tao amin'ireo firenena isan-karazany ilay bilaogera Pakistaney Fahad Desmukh:


Jereo amin'ny saritany lehibe kokoa ny The Globalization of Muharram [2]

Fahad namoaka lahatsoratra [3] miaraka amin'ny sarintany:

The map is far from exhaustive, as there are literally thousands of Muharram videos on Youtube from all over the over the world. I've just selected a few that show the wide diversity of the rituals as they have spread around the world.

The map and videos quite neatly reflect the migration and displacement patterns of people from the time of the events of Karbala in 680AD to all corners of the globe today. It also shows something about how rituals and tradition are defined, and then continuously moulded by time and migration.

So, for example, here is one path taken. The rites travelled east from Iraq, across Persia, to North India sometime between 1300 and 1700 AD. Although Shi'ite Muslims claimed ownership of the rites, in India Sunnis and even Hindus [4] were active participants.

Tsy tonga lafatra ny sarintany, satria misy lahatsary Muharram an'arivony manerana izao tontolo izao ao amin'ny Youtube. Vao nifidy vitsivitsy aho izay mampiseho ny fahasamihafana lehibe isan-karazany amin'ny fombafomban'izao tontolo izao.

Ny sarintany sy ny horonan-tsary dia mampiseho tsara ny fifindra-monina sy ny fifindra-toeran'ny olona nanomboka tamin'ny lanonana Karbala tamin'ny taona 680AD manerana izao tontolo izao. Maneho ny fomba famaritana ny fomba amam-panao sy ny fomban-drazana ihany koa izany, ary avy eo novolavolain'ny fotoana sy ny fifindra-monina hatrany.

Noho izany, ohatra, misy lalana iray nalaina. Nandalo ny atsinanana avy any Iraka, manerana an'i Persia, hatrany avaratr'i India ny fombafomba teo anelanelan'ny taona 1300 sy 1700 taorian'i JK. Na dia nanambara aza ny Miozolomana Shiita fa izy ireo no tompon'ny fombam-pivavahana, dia mpandray anjara mavitrika ihany koa ny Sonita India ary koa ny Haindò [4] mihitsy.

Ao Maorisy, fantatra amin'ny hoe Ghoon ny Ashura. Ity lahatsary navoakan'ilay mpisera Youtube, MrKheiz  [5]ity no mampiseho ny Ghoon tamin'ny Desambra 2010:

Fahad nanoratra hoe:

During the days of the British Raj, thousands of Indian indentured labourers travelled to far flung regions of the British Empire, such as Fiji, Mauritius and the Caribbean Islands, taking these rituals with them. In Trinidad, the rites became known as the festival of Hosay, in which not only Sunnis and Hindus participated, but also Afro-Trinidadians. In Trinidad, the Dhol-Tasha drums (referred to as ‘Tassa’) and Tazias (‘Tadja’) can still clearly be seen.

Nandritra ny andron'ny Raj Britanika, mpiasa Indiana an'arivony manana fifanarahana arak'asa no nankany amin'ny faritra lavitry ny Fanjakana Britanika, toa an'i Fiji, Maorisy ary ny Nosy Karaiba, ka nitondra ireny fombafomba ireny niaraka tamin'izy ireo. Tany Trinidad, nanjary fantatra toy ny fetiben'i Hosay ny fombafomba, izay tsy ny Sonita sy ny Haindò ihany no nandray anjara, fa koa ny Afro-Trinidadiana. Ao Trinidad, mbola hita tsara ihany koa ny amponga Dhol-Tasha (antsoina hoe ‘Tassa’) sy ny Tazias (‘Tadja’).

Lahatsary avy amin'i RajkumariCC [6] tao amin'ny YouTube, 31 Desambra 2009.

Ao Qatif any atsinanan'i Arabia Saodita, bilaogera Mujtaba Alsaif nanoratra momba ny traikefany tamin'ny Ashura [7]:

The days of Ashura are always filled with a lot of activities in Qatif. Stepping into Qatif during this season, the visitor can't help but realize that there is something happening. This activity can consume the individual's time positively as he can visit the many lectures that may hold a significant value, or attend a session of a Latmiya [recitations commemorating the days of Ashura] to understand this region's struggles during a specific period, or just to walk around and discuss with the people to gather their understanding of these blessed days and what Imam Hussain's sacrifice means to them. Muharram in Qatif has always been special to me because it is truly a season that brings people of the region together and abolishes the negativity they have for one another.

Matetika feno hetsika marobe ny andron'ny Ashura ao Qatif. Amin'ny fidirana ao Qatif mandritra ity vanim-potoana ity, tsy maintsy mahita ireo mpitsidika fa misy ny zavatra mitranga. Mety handany fotoana be ho an'ny olona ity lanonana ity satria afaka mitsidika ireo lahateny maro izay mety hitondra lanja lehibe ho azy izany, na manatrika ny fivoriana ataon'ny Latmiya [tsianjery fahatsiarovana ny andron'ny Ashura] mba hahatakarana ny tolon'ity faritra ity nandritra ny fe-potoana manokana, na mandehandeha fotsiny sy miresaka amin'ny olona mba hanangona ny fahatakaran'izy ireo mikasika ireo andro voatahy ireo sy ny dikan'ny sorona nataon'i Imam Hussain ho azy ireo. Tena manokana ho ahy foana ny Muharram ao Qatif hatramin'izay satria tena vanim-potoana mampivondrona ny olona ao amin'ny faritra ary manafoana ny tsy fifankahazoanan'izy ireo.

Fahatsiarovana ny Ashura tao Ghana navoakan'ny Asad1969 [8] tao amin'ny YouTube tamin'ny 30 Jolay 2010:

Ao Atlanta any Etazonia, bilaogera Taahira Abdul-Halim nametraka ny eritreriny [9]:

Without Imam Hussain's sacrifice, I would be just like all of the others in the world who wander like drones on this Earth, passing time, questioning their existence, seeking to find temporary satisfaction in trivial things. I wouldn't have Islam. The single most imprtant aspect of my life. The single most important part of being me. I'm starting to get a little bit emotional now because I just know how awful it would be to not have Allah swt [Subhanahu wa ta'ala – may He be glorified and exalted] in my life.

Raha tsy misy ny sorona nataon'i Imam Hussain, dia ho tahaka ireo olon-drehetra eto amin'izao tontolo izao izay mirenireny tahaka ny drôna eto amin'ity tany ity aho, mandany fotoana, manontany ny fisiany, mikatsaka ny hahita fahafaham-po vetivety amin'ny zavatra tsy misy dikany. Tsy ho manana ny islamo aho. Ny lafiny lehibe indrindra amin'ny fiainako. Ny ampahany manan-danja indrindra amin'ny maha-izaho ahy. Manomboka mihetsi-po kely aho amin'izao fotoana izao satria fantatro fa tena mahatsiravina ny tsy hanana an'i Allah swt [Subhanahu wa ta'ala – angamba izy no homem-boninahitra sy asandratra] eo amin'ny fiainako.

Fahatsiarovana an'i Ashura tany Moskoa, Rosia, navoakan'i djeyxun [10] tao amin'ny YouTube tamin'ny 19 Janoary 2008:

Hajian-tsary sy sary nasongadina mampiseho ny filaharambe Muharram tao Dhaka, Bangladesh. Sary avy amin'i Bayazid Akter [11], copyright Demotix (26/05/2009).