- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ekoadaoro: Ahiahy momba ny fiarovana sy fiainana manokana ao amin'ny aterineto

Sokajy: Amerika Latina, Ekoatora, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aprily 2008)

sofware-libre.jpg

Sary avy amin'ny Presidencia de la República del Ecuador [1], nahazoana alalana

Tao anaty lohateny lehibe i Ekoadaoro tamin'ny taona 2008. Voalohany, nirotsaka ny oram-batravatra ary nahatonga ny maro tao amin'ny firenena ho dibo-drano. Avy eo, nivoaka vaovao vao haingana koa ny disadisa mampiadihevitra amin'ny fiandrianampirenena sy ny mpifanolo-bodirindrina aminy, Kolombia. Farany, mampiseho ny fanambarana izay nahatonga ny governemantan'i Ekoadaoro ho anaty rano mafana [2] fa nahita fialokalofana tao amin'ny firenena ny Tafika Revolisionera ao Kolombia (FARC). Na dia izany aza, zavatra tsy mbola hita tamin'ny vaovao, fa mety ho mahagaga ihany koa ny fanontaniana momba ny fiarovana amin'ny aterineto sy ireo tranga fijirihana vao haingana.

Nipoitra tamin'ny tapaky ny volana febroary ny fijirihana ny pejin'ny fiiloham-pirenena [3], ary nataon'ilay mpijirika izay naneso ampahibemaso [4] ny fiarovana ny rafitra governemanta ary nanome toky koa izy fa mbola hiditra ao amin'ny vavahadin-tserasera hafa. Manazava i Carlos Jumbo [es] [5], izay miasa ao anatin'io asa io fa tsy voalohany nitranga tany Ekoadaoro izany ary azo vahàna ny olana tahaka izao:

Fácil de ubicar y detectar con prevención, el problema está en los responsables de las seguridades de estos espacios gubernamentales, deben saber qué hoy en día las verdaderas batallas se libran en el ciberespacio…. se tiene que aprovechar la reforma a la ambigua Ley de Seguridad Nacional que se debatirá en la Asamblea Constituyente, introduciendo nuevos artículos que conlleven a la protección de los recursos naturales y para la lucha contra el Ciberterrorismo [6], una amenaza creciente en América Latina debido al poco esfuerzo de los países en dedicar su esfuerzo en diseñar y planificar estrategias para contrarrestar estas amenazas latentes, mientras tanto, una cultura de Ciberseguridad puede convertirse en un elemento indispensable para el desarrollo de los pueblos con menor desarrollo.

Mora ny mamantatra sy manavaka ny fisorohana, ny olana dia miaraka amin'ireo tompon'andraikitry ny fiarovana ao amin'ny sampan'ny governemanta, tokony ho fantatr'izy ireo androany fa mitranga ao amin'ny tontolon'ny aterineto ny tena ady atao …. Mila manararaotra ny fanavaozana ny Lalàna manjavozavo momba ny fiarovam-pirenena, izay iadian-kevitra ao amin'ny Antenimieram-panorenana izy ireo, izay mampiditra fitsipika vaovao mifandraika amin'ny fiarovana ny harena voajanahary sy ny ady amin'ny Cyberterrorism [7](fampihorohoroana amin'ny aterineto), izay fandrahonana tsy mitsahatra any Amerika Latina noho ny ezaka kely nataon'ireo firenena mba hanokana ny ezaka ataon'izy ireo amin'ny famoronana sy fanomanana paikady hanoherana ireo fandrahonana mihelina ireo. Mandritra izany, mety ho lasa singa tsy azo ivalozana ho an'ny fampandrosoana ny firenena tsy dia mandroso ny kolontsaina Fiarovana ny aterineto.

Niahiahy momba ity tranga ity ny olona sy ny bilaogera ary raha nitsidika ny faritra atsimon'i Ekoadaoro i Palulo [8],dia nitady ny valiny ara-teknika avy amin'ireo manam-pahaizana tao amin'ny Oniversite Teknikan'i Loja. Nanadihady matihanina roa nanana fahalalàna lalina momba ny fampiharana ASP, lohamilina ISS sy ny fijirihana izy. Hevitr'i Fausto Loja ity manaraka ity:

La servidores ISS pueden ser atacados por fallos en el sistema operativo utilizado para gestionarlo. En el caso de la página de la Presidencia se utiliza Windows, que no es tan seguro, y eso se manifiesta en la publicación de parches de seguridad (service packs) por parte de Microsoft; además “cuando los desarrollos no son hechos por quienes sepan de seguridad, pueden dejar muchas puertas abiertas”, y esto puede provocar que personas se introduzcan en las aplicaciones y hagan alteraciones,…

Mety ho tratry ny fanafihan'ny “fikatsoana” amin'ny rafi-piasana (système d'exploitation) amin'ny fitantanana azy ny lohamilina ISS. Amin'ity tranga ity, dia mampiasa ny Windows ny pejin'ny filoham-pirenena, izay tsy dia azo antoka loatra ary miseho amin'ny famoahana ireo fanitsiam-piarovana (fonosana tolotra) avy amin'ny Microsoft izany, ankoatra izay, “rehefa tsy misy ny fandrosoana ataon'ireo izay mahafantatra ny zava-misy, dia mety hamela varavarana maro hisokatra ny fiarovana, “ary dia ahafahan'ny hafa hiditra amin'ny fampiharana sy hanao fanovana izany…

Mahazatra any Ekoadaoro ny sasany amin'ireo fanitsakitsahana ireo, fa tsy amin'ny fotoana hamelan'ny orinasa ny fanokafana ny tahiry manokana. Mamela ny vahoaka hahita vaovao saro-pady momba ny mpanjifany ny orinasa lehibe iray momba ny finday ao amin'ny firenena.  La Bitácora de Calú [es] [9] mampitandrina hoe:

Precisamente eso sucede ahora mismo con Pacifictel, uno de los operadores estatales de telefonía fija del Ecuador. Cualquiera está en capacidad de llegar a conocer no solamente el nombre, el número de cédula o la dirección de un abonado a partir de su número telefónico, sino incluso los números telefónicos a los cuales ha llamado, la duración de las llamadas y otros detalles más [..] Sin duda que para el propio abonado esta información le puede ser útil, pero Pacifictel debería crear un perfil con usuario y contraseña para que cada abonado pueda ingresar a un entorno donde se provea esta información, de lo contrario -tal como sucede ahora- todas tus llamadas -y las de tu vecino/a- efectuadas y recibidas pueden ser espiadas por cualquier persona que tenga un simple acceso a Internet.

Mitranga amin'ny Pacifictel izany, iray amin'ireo mpandraharaha misahana ny fifandraisana an-telefonina izay an'ny fanjakana ao Ekoadaoro. Na iza na iza dia afaka mahafantatra tsy ny anarana, ny laharan'ny karapanondro na ny adiresin'ny mpanjifa ao amin'ny nomeraon-telefoninao ihany, fa koa ny nomeraon-telefaona izay nantsoinao, ny faharetan'ny antso ary ny antsipiriany hafa [..] Azo antoka fa ho an'ilay mpanjifa manokana, mety ilaina io vaovao io, fa tokony hamorona ny horirantavan'ny mpiserasera sy tenimiafina ho an'ny mpanjifa tsirairay ny Pacifictel mba hiditra ao amin'ny habaka hanomezana ny torohay, na hafa – tahaka ny mitranga amin'izao fotoana izao -ny antso rehetra miditra sy mivoaka – ary ny an'ny mpifanolo-bodirindrina aminao dia azo tsikilovin'ny olona rehetra manana fidirana aterineto tsotra.