- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tonizia: Mpikatroka Mafàna Fo Iray Navotsotra Ary Mpamoaka Lahatsoratra Amin'ny Tambajotra Iray Mandalo Fitsarana

Sokajy: Tonizia, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona

( Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aogositra 2007)

Ny Talata 24 Jolay 2007, navotsotry ny governemanta Toniziana i  Mohammed Abbou, mpisolovava mpiaro zon'olombelona sady mpanoratra amin'ny Aterineto, notazonina nandritra ny efa ho 28 volana. Nosamborina tamin'ny volana martsa 2005 i Mohammed Abbou ary nohelohina hisazy mandritra ny telo taona sy tapany noho ny famoahana tamin'ny tambajotra an'ireo lahatsoratra nitsikera ny fomba fitantanana ny fonja Toniziana ary nampitovy an'ireo gadra ara-politika ao amin'ny firenena tamin'ireo gadra tao amin'ny fonjan'i Abou Graib. “Ny famotsorana ahy dia vokatr'ireo asa natao handresena ny famoretana, nataon'ireo Toniziana izay afaka miteny tsia amin'ny fitondrana iray manitsakitsaka ireo zo fototra maha-olona” hoy ny fanambaràn'i Mohamed Abbou [1]. tao anaty tafatafa iray niarahany tamin'i Al Jazeera.

Fa tamin'io fotoana io ihany,  Omar Mestiri mpanoratra amin'ny vohikala mpilaza vaovao iray, Kalima (voasivana ao Tonizia) no niatrika fitsarana noho ny fanàlambaraka tamin'ny lahatsoratra iray navoaka tamin'ny tambajotra, tamin'ny taona lasa, izay niampanga ilay mpisolovava mpomba ny governemanta ho nanao hosoka. “Tsy nekena ny fiampangana satria ilay lahatsoratra voalaza tsy afaka novakiana tao Tonizia, indrindra fa voasivan'ireo tomponandraikitra ihany koa ilay vohikala” hoy ny Reporters sans frontières [2] manoratra.

Sami Ben Gharbia [3]