- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rosia: Fiovaovan'ny fanoherana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2007)

Taorian'ny famakiana ny tatitr'ilay mpampiasa LJ rudin avy amin'ny Diaben'ny Mpanohitra natao tao Nizhniy Novgorod tamin'ny asabotsy lasa teo, nanao ity fanamarihana mahatsikaiky ity [1] ilay mpampiasa LJ an_drevv:

Judging by the ratio between the participants [police outnumbered the protesters], it looks like the majority of the dissenters were cops, and the locals were just preventing them from expressing their dissent. […]

Raha jerena ny fifandraisana eo amin'ireo mpandray anjara [mpitandro filaminana marobe kokoa noho ny mpanao fihetsiketsehana], tahaka ny hoe polisy ny ankamaroan'ireo mpanohitra, ary nanakana azy ireo fotsiny tsy haneho ny fanoherany ny mponina ao an-toerana. […]

Araka ny voalazan'i Rudin, nasongadina nandritra ny diabe fohy ireto teny filamatra manaraka ireto: “Rosia tsy mila Putin!”, “Omeo Fahalalahana ny Vahoaka!”, “Tsy handeha ny Fasisma!” Nisy lehilahy roa ihany koa teo amin'ny vahoaka izay nihiaka hoe “Voninahitra ho an'ny Firenena Rosiana!” – izay hitan'i rudin fa tsy mety, saingy toa tsy noraharahian'ny polisy.

Araka ny filazan'ilay mpampiasa LJ iriele, izay nanatrika ny diabe ihany koa, ary notanana sy nentina tany amin'ny paositry ny polisy, nisy teny filamatra iray hafa [2] tany – ary antony iray hafa handraisana anjara amin'ny laharan'ny mpanohitra:

[…] First of all, why did I go there? The main reason – besides a gulp of freedom – is, damn it, solidarity with the slogan “Let's Reclaim Nizhniy [Novgorod].” (Partly borrowed from London's “Reclaim the Streets.” Though I've been using these words in some press releases a lot, so it's all in the air.) Everyone can see what the government is doing to the city. Parks are being destroyed and instead shopping malls and elite blocks (ugly, as a rule) are being built […], last trees are being eliminated from the old center. […]

All this despite the fact that there are plenty of places suitable for construction in Nizhniy [Novgorod] – deserted industrial spaces that can be restored, for example. […]

Together with three other residents of Kovalikha, we went to the March, seeing it as an opportunity to draw attention to the attacks on our neighborhood (construction of a highway and skyscrapers right in front of our windows, elimination of the green zones). There are simply no other ways except street protest […].

[…] Voalohany indrindra, nahoana aho no nandeha tany? Ny antony lehibe – ankoatra ny maha mpankafy ny fahafahana ahy – dia mazava ho azy, ny firaisankina amin'ny teny filamatra hoe “Andeha Takiana i Nizhniy [Novgorod].” (Nindramina avy amin'ny “Takio ny Lalana ” tany Londra ny sasany.” Na dia nampiasa ireo teny ireo aza aho tamin'ny gazety sasany, dia somary manidina avokoa izy rehetra.) Afaka mahita izay ataon'ny governemanta ao an-tanàna ny tsirairay. Narodana ny valan-javaboary fa toeram-pivarotana lehibe sy vondrona elitika (ratsy, araka ny fitsipika) indray no natsangana, nesorina teo amin'ny foibe taloha ireo hazo sisa tavela. […]

Izany rehetra izany na dia eo aza ireo toerana maro azo anaovana fananganana sazaha ao Nizhniy [Novgorod] – sehatra indostrialy malalaka izay azo avaozina, ohatra. […]

Miaraka amin'ireo mponina telo hafa tao Kovalikha izahay, nandeha tany amin'ny Diabe izahay, mahita izany ho fotoana ahafahana misarika ny saina manoloana ny fanafihana eo amin'ny manodidina anay (fanorenana lalambe sy trano avo be eo anoloan'ny varavarankelinay, famongorana ireo faritra maitso). Tsy misy fomba hafa afa-tsy ny hetsi-panoherana an-dalambe […].

Amin'ny maha-mpanohitra ny Diaben'ny Mpanohitra, toa tsy niombon-kevitra tamin'ity fanambarana farany ity ilay mpampiasa LJ scandal_max – toa manelingelina azy tahaka ny manelingelihna an'i iriele ny korontana ao an-toerana ( tsy mitovy amin'ny federaly). Mba hampisehoana izay heveriny fa demaokrasia tena izy, dia nanatsonga ny lahatsoratry ny rahalahiny  [3]amin'ny ady amin'ny korontana amin'ny alalan'ny korontana bebe kokoa izy- eto [4]:

Half a year ago, they took away the garbage container from the neighboring backyard. The container used to be placed very conveniently: people living on our side of the street were passing it on the way to the subway station. This is why people from the nearby buildings ignored the removal of the container and continued to leave their garbage where they had been leaving it before.

The municipal authorities put up a sign near where the container used to be: “Residents, please note that the garbage container is no longer in this backyard; the garbage disposal center is now located at this address: …” People from the nearby buildings ignored this sign and continued to leave their garbage where they were used to leaving it.

Janitors tried not to take the garbage away, assuming that the residents of the building nearby would take initiative in dealing with those who littered. But the residents […] ignored the janitors’ initiative and continued to leave garbage where it lawfully belonged.

And yesterday, the container was finally returned to where it should be. We've spent six months fighting for it. And we have won!

Long live the civil society!

Tapa-taona lasa izay dia nesorin'izy ireo ny fitoeram-pako tao amin'ny tokontany akaikinay. Nipetraka tamin'ny toerana sahaza anefa ilay fanariam-pako teo: nandalo teo rehefa ho any amin'ny fiantsonan'ny metro ny olona monina eo ampitanay. Izany no mahatonga ireo olona avy amin'ny tranobe tsy lavitra teo tsy niraharaha ny fanesorana ny fanariam-pako ary nanohy nanary ny fakon'izy ireo tao ihany.

Nametraka marika teo akaikin'ny toerana misy ilay fanariam-pako ny manampahefana monisipaly: “Ry mponina, tsarovy fa tsy eto amin'ity toerana ity intsony ny fitoeram-pako, ao amin'ity adiresy ity ny foibe fanariam-pako amin'izao fotoana izao: …”  tsy niraharaha ity marika ity ireo tranobe teo akaiky fa mbola nanohy nanary ny fakony tao.

Niezaka tsy nanala ny fako ireo mpiambina, satria nihevitra fa handray andraikitra amin'ireo manao maloto ireo mponina ao amin'ny tranobe eo akaiky. Saingy tsy noraharahian'ireo mponina ny fandraisana andraikitr'ireo mpiambina ary nanohy nanary fako tao ihany izy ireo.

Ary omaly, naverina tamin'ny toerana tokony hipetrahana ilay fanariam-pako. Nandany enim-bolana izahay niady tamin'izany. Ary nandresy !

Ho ela velona anie ny fiarahamonim-pirenena!