- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azia Atsimo: Mariazy ifanarahana, firongatry ny bilaogy Hindi, fotoana ho an'ny fanovana fitondrana ao Pakistan, vehivavy ao Afovoany Atsinanana

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Bhutan, India, Pakistana, Sri Lanka, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Marsa 2007)

Ny malaza indrindra farany avy amin'ny bilaogy isan-karazany Aziatiaka Atsimo

Bangladesh:

Taorian'ny fitsidihana tao amin'ny tanàna fahiny ao Kolkat, mihevitra [1]tahaka ny ankizy i Sadiq M. Alam ao amin'ny Inspirations and Creative Thoughts, fa ny olona antitra no olona tena tsara tarehy indrindra eto ambony tany.

Adhunika Blog kosa niloa-bava nanohitra [2] ny mariazy ifanarahana, izay mahazatra amin'ny mariazy amboamboarina.

Rehan of BangladeshWeb Blogs maneho [3] ny fiavotan-tenan'i Bangladesh indray manoloana ireo sakana rehetra miaraka amin'ny mponiny 140 tapitrisa ary mbola mitàna ny fitomboan'ny harin-karena anatiny mihoatra ny 6 isanjato.

Bhutan:

JazzyYaris ao amin'ny Kuzu-Bhutan Weblog manontany [4] ny antony mahatonga ny andrim-panjakana sivily ao Bhutan ho mahantra.

India:

Kafila Blog mamaritra [5] ny firongatry ny bilaogy Hindi sy ny fiantraikany eo amin'ny tontolon'ny bilaogy Indiana.

Sudhansu ao amin'ny Desicritics manadihady [6] tamin'ny fomba mitsikera ny E-commerce (Varotra elektronika) sy ny vavahady fandoavam-bola ao India ary milaza fa tokony ho matotra izany.

Blowing in the Wind milaza  [7]fa mihoso-drà ny tanan'ny lehiben'ny minisitra ao amin'ny fanjakana Indiana ao Bengal Andrefana satria nitifitra ireo mponina tao Nandigram, 100 km mahery avy ao Calcutta ny polisy mba hanaparitahana ny fihetsiketsehana ataon'ny mponina ho fanakanana ny fandroahana azy ireo. Miezaka manadio ny faritra midadasika mba hanamboarana faritra toekarena manokana ny governemanta.

Pakistan:

The Glasshouse manadihady [8] ny antony mahatonga ny lehiben'ny Fitsaran'i Pakistan ho voaroakan'ny filoha.

Kashif Aziz ao amin'ny Chowrangi manontany tena [9] raha fotoana ho an'ny fanovana fitondrana ao Pakistan izao.

Sri Lanka:

Groundviews, tetikasa momba ny asa fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena Sri Lankey mitatitra [10] momba ny fampijalian'ny mpitandro ny filaminana an'ireo mpanao gazety ao Jaffna.

Niro ao amin'ny week in Sri Lanka manazava [11] ny fepetra iainan'ny [12] vehivavy Sri Lankey ao Afovoany Atsinanana.