- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

HiperBarrio: Campus Party Kolombia sy sary avy amin'ny lavaka paingotra

Sokajy: Hiper-barrio, Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2008)

Tonga voalohany tao Kolombia tamin'ny taona 2008 ny Campus Party, iray amin'ireo fihaonambe ara-teknolojika lehibe indrindra miteny Espaniôla manerantany. Naverina indray tamim-pahombiazana lehibe izy ary tena navitrika nandray anjara tamim-pihetseham-po tamin'izany lanonana izany (2008 [1], 2009 [2]) ny vondrom-piarahamonina Hiperbarrio [3] ao Kolombia, izay nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices.

Hiperbarrio team in Campus Party 2010 [4]

Ekipa Hiperbarrio tamin'ny Campus Party 2010

Deisy Alvarez ao amin'ny bilaogy Hiperbarrio mandinika  [5]momba ny fiantraikan'ny Campus party eo amin'ny fiainan'izy ireo:

Since 2008, the year in which they conducted the first campus party Colombia, it has become well established in what it is today, an event which is not only national but international, and that from its inception it has become a center for conversion work, collaborative experiences and it is also clear that it is the biggest technology festival in the country.

Therefore we have implemented a “give to receive” approach, which means each person transfers his or her learning to an individual who does not have this knowledge in areas such as campus blog, development, free software and more.

Today I reflect and conclude that in CAMPUS PARTY technology is not about only human relations, information sharing, or a monetary value [..] it is a friendship that is generated from what others think. [machine translation]

Hatramin'ny taona 2008, taona izay nanatontosan'izy ireo ny campus party voalohany tao Kolombia, nanjary nipetraka tsara izany ka ankehitriny, lasa hetsika tsy nasionaly ihany fa koa iraisampirenena, ary hatramin'ny nanombohany azy dia lasa foiben'ny asa fanovana, traikefa fiarahamiasa ary mazava ihany koa fa io no fetiben'ny teknolojia lehibe indrindra eto amin'ny firenena.

Noho izany dia nametraka fomba “manomeza mba hahazo” izahay, izay midika fa hamindra ny fianarany amin'ny olona izay tsy manana izany fahalalana izany any amin'ireo sehatra toy ny bilaogy campus, fampandrosoana, rindrambaiko malalaka sy ny sisa ny olona tsirairay.

Androany aho dia mandinika sy mamintina fa ao amin'ny CAMPUS PARTY, tsy momba ny fifandraisana maha-olona, ny fizarana vaovao, na ny sandan'ny vola  ihany ny teknolojia [..] fa fisakaizana izay vokatry ny zavatra eritreretin'ny hafa. [fandikana tamin'ny milina]

Tamin'ity taona ity, nasaina tamin'ny Campus Party Colombia [6] ny  HiperBarrio ary nasaina nanao zavatra hafa [7]:

The proposal was to use the pin hole camera technique to record the activities of CampusBlog among others.

Ny soso-kevitra dia ny fampiasana ny teknika kamerà misy lavaka paingotra mba handraketana ireo hetsika ao amin'ny CampusBlog ankoatra ny hafa.

Franky Posada's pin hole camera [8]

Kamera lavaka paingotra an'i Franky Posada

Ankehitriny, inona ary no dikan'ny kamera misy lavaka paingotra?

A pinhole camera is a simple camera without a lens and with a single small aperture — effectively a light-proof box with a small hole in one side. Light from a scene passes through this single point and projects an inverted image on the opposite side of the box. (Wikipedia [9])

Ny fakan-tsary misy lavaka kely dia kamerà tsotra tsy misy “objectif” ary ahitana fisokafana kely tokana- izay boaty mahazaka hazavana miaraka amin'ny lavaka kely amin'ny lafiny iray. Mamakivaky ity teboka tokana ity ny hazavana ary mitifitra sary mivadika amin'ny ilany mifanohitra amin'ilay boaty. (Wikipedia)

Franky Posada manazava ao amin'ny lahatsary misy fizarana telo momba ny fananganana kamera misy lavaka:

Ireto ny vokatry ny fampiasana ny teknikan'ny kamera misy lavaka ho an'ny sary:

campus party pin hole image [10]Franky Posadas pin hole image [11]Azonao atao ny mijery sary maro hafa nalaina tamin'ity teknika ity avy amin'ny pejy Flickr Hiperbarrio [12].

Toa hita fa nahatonga fihetseham-po teo amin'ny fiarahamonina io teknolojia io. Ka nanomboka nikarakara atrikasa [13] momba ny sary lavaka Pin ho an'ny tetikasany momba ny mediam-bahoaka ny HiperBarrio.

Ny sasany tamin'ireo mpikambana ao amin'ny HiperBarrio kosa nanoratra momba ny traikefan'izy ireo tamin'ny Campus Party. Henry El Sucio nanoratra  [14]momba ireo lahateny sy fampianarana nomena tamin'ny Campus Party, indrindra indrindra ny fianarana momba ny Creative Commons License sy ny fiantraikany amin'ny fampiasana votoaty hafa toy ny lahatsoratra, sary sns.

Yeskenia nanoratra [15] tao amin'ny bilaogy Convergentes:

Campus Party Colombia, is a digital event in which many people around the country gather with guests from other regions to share knowledge. In the 2010 version new areas were introduced that did not exist in the minds of the previous Campus parties: Innovation, Creativity, Security and Networks.

I'm impressed and also the group of HiperBarrio was also impressed to learn that in the field of astronomy it became practical and easy to handle the tools required and we should not be “Astronomers” to develop satellites and learn to observe the sky. [machine translation]

Campus Party Colombia, dia hetsika nomerika izay iarahan'ireo olona maro manerana ny firenena miaraka amin'ireo vahiny avy amin'ny faritra hafa mba hizara fahalalana. Tamin'ny taona 2010, dia nisy ireo sehatra vaovao nampidirina izay tsy tao an-tsain'ireo  Campus party teo aloha: Fanavaozana, Famoronana, Fiarovana ary Tambajotra.

Talanjona aho ary variana ihany koa ny vondrona HiperBarrio nahafantatra fa teo amin'ny sehatry ny astronomia, nanjary azo ampiharina sy mora ny mikitika ny fitaovana ilaina ary tsy mila ho “Astronoma” isika mba hamolavola zanabolana sy hianatra hijery ny lanitra. [fandikana tamin'ny milina]

Nizara lahatsary momba ireo mpandray anjara tamin'ny campus party ihany koa izy:

https://youtube.com/watch?v=yCCCgxmr2cY%3Ffs