Fahombiazan'i Egypta tany amin'ny Lalao Paralaimpika

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Niteraka resabe tany Beijing, Shina anatontosana ny Lalao Paralaimpika tamin'ny 6 ka hatramin'ny 17 Septambra 2008 ireo atletan'i Egypta. Raha nandrombaka ny medaily alimo tamin'ny Lalao Olaimpika tany Beijing i Egypta dia nahitana fahombiazana tsy toy ny hafa ireo atleta tamin'ny Paralaimpika. Tamin'ny fotoana nanoratana, nahazo medaily volamena miisa efatra, medaily volafotsy miisa telo ary medaily alimo miisa efatra ny ekipa.

Hoy i Ibn Ad Dunya nanoratra hoe:

Medals seem to be like magnets to the Egyptian Power lifting team in the current Paralympics in Beijing. Egypt just collected it´s second gold in the men´s 56 Kg category by Sherif Osman, who broke the world record three times along the way to the Podium, settling for an end result of 202.5 Kg.

[…]
This was the second gold after Fatma Omar´s gold yesterday, her third consecutive Paralympics GOLD, after having won in Sydney in 2000 and in Athens four years later.

[…]
I’m actually very pleased to hear about another female participant in the power lifting still waiting for her hour of glory (tomorrow hopefully), Rania Alaa Eldin Morshedi has a five-year old son , but still continues to compete on international level. This is something unusual for women in sports in Egypt, they usually drop their career as soon as graduated and got married, in my view they give up their career before having reached their peak, and in fact sometimes not being able to collect the fruit of their hard labor for years and years.

 

Tahaka ny andriambin'ny medaily ny ekipa mpibata fonjamby Egyptiana amin'ny Paralaimpika tao Beijing. Vao nandrombaka ny medaily volamenany faharoa i Egypta tamin'ny sokajy 56 Kg ho an'ny lehilahy izay azon'i Sherif Osman, izay nanamontsana ny zava-bita tsara indrindra erantany in-telo teny amin'ny Podium, ka nahitana ny vokatra farany tamin'ny 202,5 Kg.
[…]
Ity no medaily volamena faharoa taorian'ny medaily volamena azon'i Fatma Omar omaly, izay VOLAMENA Paralaimpika azony in-telo nisesy, taorian'ny nahazoany an'izany tany Sydney tamin'ny taona 2000 ary tany Atena efa-taona taty aoriana.
[…]
Tena faly tokoa aho mandre momba ny vehivavy iray mpandray anjara hafa tamin'ny fibatana fonjamby izay mbola miandry hatrany ny oram-pandreseny (antenaina fa rahampitso ). Manana zanakalahy dimy taona i Rania Alaa Eldin Morshedi kanefa mbola manohy hatrany mifaninana eo amin'ny sehatra iraisampirenena izy. Tsy mahazatra loatra izany ho an'ny vehivavy manao fanatanjahantena any Egypta, matetika izy ireo no mandao ny lalam-pivoarany raha vantany vao mahazo diplaoma ary manambady. Araka ny fijeriko azy, mijanona amin'ny asany izy ireo mialoha ny hanatrarany ny tanjony, ary indraindray tsy afaka mioty ny vokatry ny asany mafy nataony nandritra ny taona maro.

Namintina ny isan'ny medaily azo hatreto i Zeinobia :

A big salute to our heroes in Beijing Paralympics who raised our heads high with their great performance. Thanks to our heroes we received till now 6 medals: 5 in Power lifting and one in athletics. We got two gold medals, one silver and three bronze.

Miarahaba ireo maherifontsika tany amin'ny lalao Paralaimpika tany Beijing izay nanandratra ambony ny lohantsika niaraka tamin'ny fahombiazana lehibe azon'izy ireo. Misaotra an'ireo maherifontsika, nahazo medaily miisa 6 isika hatramin'izao: 5 tamin'ny fibatana fonjamby ary iray tamin'ny atletisma. Nahazo medaily volamena roa isika, volafotsy iray sy alimo telo .

Tsidiho ny tranonkala ofisialin'ny lalao ho an'ny vaovao amin'ny antsipiriany momba ny medaly azon'ny ekipa Egyptiana izay nandray anjara tamin'ny Paralaimpika .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.