- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Vehivavy roa sahy nanohitra ny filoha Roandey Paul Kagame

Sokajy: Rwanda, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Kandidàn'ny fanoherana Victoire Ingabire miandry ny mpitsara ao amin'ny Fitsarana Tampony Kigali. Avy amin'i kigaliwire.com tao amin'ny Flickr, nahazoana alalana: Attribution Non-Commercial 2.0 Generic (CC BY-NC 2.0).

Tamin'ny taona 2015, nanara-maso ny fanavaozana ny lalàm-panorenana [1]ahafahany mirotsaka hofidiana indray amin'ny fe-potoam-piasana fahatelo [2]ny filohan'i Rwanda Paul Kagame, miantoka ny andraikiny maha-filoham-pirenena hatramin'ny 2034. Nandritra ny fitarihan'i Kagame, niala tamin'ny firenena haolon'ny vono olona taloha ho firenena iray maoderina sy ny miroso ho amin'ny fampandrosoana i Rwanda.

Na dia izany aza, niteraka fitomboan'ny famoretana maharitra ny zon'olombelona sy ny fahalalahana maneho hevitra ny fanovàna manamarika an'i Rwanda. Mampiseho fifangarihana tanteraka amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fahamaroana antoko politika ary ahitana famonoana ivelan'ny fitsarana, ny fitazonana tsy ara-dalàna, ny fikarakarana ratsy sy fampijaliana ny olom-pirenena ny tatitra 2017 nataon'ny Human Rights Watch momba an'i Rwanda [3].

Any am-ponja ankehitriny ireo vehivavy roa izay samy nanohitra an'i Kagame amin'ny maha-kandidàn'ny fanoherana hofidiana ho filoham-pirenena azy ireo, Victorie Ingabire sy Diane Rwigara, noho ny filazan'ny maro fa fiampangana namboamboarina mba hanampenam-bava ny feon'ny mpanohitra.

2010, te-hirotsaka hofidiana filohan'i Rwanda izay kandidà tokana mpanohitra ny MPANAO DIDY JADONA @PaulKagame  [4]I VIctoria Ingabure (sary voalohany)? nosamborina izy ary higadra mandritra ny 15 taona.

2017, te-hirotsaka hofidiana filoham-pireenna i Diane Rwigara (2), nosamborina izy, ary miatrika sazy an-tranomaizina 20 taona ankehitriny. Mitsangàna ry vehivavy #FreeDianeRwigara [5]

Victoire Ingabire

Victoire Ingabire. Sary nahazoana alalana avy amin'ny Naman'i Victoire.Victoire Ingabire. Photo used with permission from Friends of Victoire.

Niverina tany Rwanda avy any Holandy (izay nonenany nandritra ny 16 taona) i Victoire Ingabire tamin'ny Janoary 2010 mba hirotsaka amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena 2010.

Tamin'io taona io, Ingabire no Filohan'ny Hery Demokratika Mitambatra (FDU-Inkingi) tany Rwanda.

Ny heloka nataony, araka ny filazan'ny Friends of Victoire [8], dia nanomboka tamin'ny kabariny tao amin'ny Foiben'ny Fahatsiarovana ny Fandripahana ao Kigali:

On 16 January 2010, her first day in the country after 16 years abroad, she made a speech at the Genocide Memorial Centre in the capital, Kigali, and laid a remembrance wreath. Her speech, which referred to problems with reconciliation and ethnic violence, addressed issues that are rarely discussed openly in Rwanda. Victoire Ingabire was arrested in April 2010. She was bailed on house arrest and prevented from leaving Kigali. She was subsequently re-arrested on 14 October 2010 and was remanded in pre-trial detention.

Tamin'ny 16 Janoary 2010, andro voalohany nandehanany tao amin'ny firenena rehefa 16 taona nonina tany ivelany, nanao lahateny tao amin'ny Foiben'ny Fahatsiarovana ny Fandripahana tao an-drenivohitra Kigali izy, ary nametraka fehim-boninkazo fahatsiarovana. Niresaka momba ireo olana izay zara raha resahina mivantana any Rwanda ny lahateniny, izay miresaka momba ny olana amin'ny fampihavanam-pirenena sy ny herisetra ara-poko. Nosamborina tamin'ny Aprily 2010 i Victoire Ingabire. Navotsotra izy rehefa nandoa onitra ary tsy navela niala tao Kigali. Nosamborina indray izy avy eo tamin'ny 14 Oktobra 2010 ary nogadraina vonjimaika.

Teo anelanelan'ny taona 1994-1995, niaritra fandripahana i Rwanda izay nahitana ireo foko Hutu sy Tutsi, notarihan'ny Hutu nasionalista niditra tamin'ny vono olona faobe. Efa ho olona Tutsi 800.000  [9]no novonoina tao anatin'ny herintaona. Namoy ny ampahatelon'ny mponiny ihany koa ny vahoaka Twa [10], vondrom-piarahamonina tompotany.

Vokatry ny fandripahana, efa ho roa tapitrisa ireo mponin'i Rwanda, izay foko Hutu ny ankamaroany, nandositra [11] nankany amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kongo (RDC) mitady fialofana noho ny herisetra. Niteraka habibiana mikendry indrindra ireo foko Hutu an'arivony ny fananiham-bohitr'i [12] Kagame tany amin'ny RDC niaraka tamin'ireo Tafi-piarovana Rwandey tarihan'ny Tutsi.

Namoaka lalàna maromaro mandràra [13] ny “foto-kevitra vono olona”, ny “fanaovana ho tsinontsinona ny fandripahana olona” ary ny “fitsipahana ny vono olona” i Rwanda, saingy nanamafy ny Amnesty International [14] fa “lalàna manjavozavo izay mametra fahatany ny fahalalaham-pitenenan'ny vahoaka” ireo

Rehefa nanontany i Ingabire, foko Hutu hoe nahoana no tsy misy fahatsiarovana ho an'ireo Hutus mahalala onony izay namoy ny ainy tamin'ny fandripahana, nilaza fa “iray tamin'ireny tony fihetsika ireny ny anadahiny [15],” dia noheverina ho “mpitsipaka ny fandripahana” izy ary avy eo tsy navela hirotsaka hofidiana filoham-pirenena 2010. Tamin'ny taona 2013, nanameloka azy dimy ambin'ny folo taona an-tranomaizina ny Fitsarana Tampony ao Rwanda noho ny:

…threatening state security and ‘belittling’ the 1994 genocide. The Supreme Court also pronounced her guilty [16] of spreading rumors intended to incite people to revolt — charges on which she had earlier been cleared.

… fandrahonana ny filaminam-pirenena sy ny ‘fandiovana’ ny fandripaham-bahoaka 1994. Nanambara [16]ihany koa ny Fitsarana Tampony fa meloka amin'ny fanaparitahana tsaho izay mikendry ny handrisika ny olona hikomy izy-  fiampangana izay efa nanafahana azy teo aloha.

Ny 24 Novambra 2017, nanapa-kevitra  [17]ny Fitsarana Afrikanina momba ny zon'olombelona sy ny vahoaka (AfCHPR) fa nanitsakitsaka ny zon'i Victoire Ingabire amin'ny fahalalaham-pitenenana sy ny fanehoan-kevitra i Rwanda, sy ny zony hanana fiarovana ampy. Nanamafy ny fitsarana fa nanitsakitsaka [18] lafiny samihafa amin'ny zony ny fanjakana:

Ingabire’s right to various aspects of her defense and to freely express her opinions within the law. The judges found that Ingabire had not minimized the genocide against Tutsis and had not spread false rumors about the government, charges that were central to Ingabire’s conviction by Rwandan courts.

Ny zon'ny Ingabire amin'ny lafiny samihafa amin'ny fiarovana azy sy ny fanehoana malalaka ny heviny ao anatin'ny lalàna. Nahita ny mpitsara fa tsy nanamaivana ny fandripahana ny foko Tutsis i Ingabire ary tsy nanaparitaka tsaho momba ny governemanta, fiampangana izay ivon'ny fanamelohan'ny fitsarana Roandey an'i Ingabire.

Diane Rwigara

Nirotsaka ho kandidà mahaleotena hofidiana amin'ny fifidianana filoham-pirenena Rwandey 2017 ilay vehivavy Rwandey mpandraharaha, Diane Shima Rwigara. Ny rainy, Assinapol Rwigara, dia mpamatsy vola lehibe tao amin'ny Manda Tia Tanindrazana Roandey an'i Kagame tamin'ny taona 1990, ary novonoina araka ny famariparitan [19]‘ny zananivavy ho famonoana olona izy tamin'ny taona 2015. Nilaza kosa ny polisy fa maty tamin'ny lozam-pifamoivoizana izy.

Noderaina ho toy ny ‘famakiana tafo fitaratra [20]‘ ny fanapahan-kevitr'i Rwigara hifaninana amin'i Kagame. Na izany aza, voaendrikendrika avy hatrany tamin'ny famoahana sary miboridana  [21]tao amin'ny media sosialy izy. Nilaza i Rwigara fa namboarina ireo sary ireo mba hanampenam-bava [22] azy.

Namoaka ny fanapoahana farany ny faniriany ny vaomieram-pifidianana Rwandey, nilaza fa tsy nahafeno fepetra ny antontan-taratasiny, miampanga [23] an'i Rwigara ho nanao hosoka tamin'ny isan'ireo sonia ilaina mba hirotsahana hofidiana amin'ny fifidianana. Voampanga ho nametraka anaran'olona efa maty ihany koa izy, fiampangana izay nolaviny.

Tamin'ny lahatsoratra navoaka tao amin'ny The Washington Post [24], nanamafy i Rwigara hoe:

Screen shot of Diane Shima Rwigara, Rwandan opposition candidate, whose arrest sparked the hashtag #FreeDianeRwigara

It’s no longer news that I have been disqualified as a candidate in Rwanda’s presidential election. Unfortunately, Rwandans will not see my name on their polling cards when they go to vote on Aug. 4. President Paul Kagame will eventually be crowned as an undisputed king of Rwanda and will continue to rule the country in a climate of fear and lack of fundamental freedoms. By extending his 23 years in power, Kagame is denying Rwandans an opportunity to experience the first-ever peaceful transition of power in their country.

Tsy vaovao intsony fa tsy nahazo alalana ho kandidà hofidiana filoham-pirenena ao Rwanda aho. Indrisy anefa fa tsy hahita ny anarako ao amin'ny kara-pifidianan'izy ireo ny Roandey rehefa handeha hifidy amin'ny 4 aogositra. Ho satrohana voninahitra ho toy ny mpanjaka tsy iadin-kevitra ao Rwanda ny filoha Paul Kagame ary hanohy hitantana ny firenena ao anatin'ny fanjakan'ny tahotra sy ny tsy fahampian'ny fahafahana fototra. Amin'ny fanitarana ny 23 taona naha-teo azy teo amin'ny fitondrany, tsy omen'i Kagame ho an'ny Roandey ny fahafahana voalohany miaina tetezamita milamina amin'ny fahefana ao amin'ny fireneny.

Nosamborina i Rwigara tamin'ny herintaona noho ny fiampangana azy tamin'ny “fitarihana sy hosoka [25]” ary nalefa tany am-ponja higadra 20 taona. Nogiazana an-katerena ny fananany ary nataon'i Kagame lavanty [26]. Nalefa tany am-ponja ihany koa ny fianakaviany noho ny tsy fandoavana hetra  [27]ary maro tamin'ireo mpanohana azy no nitatitra momba ny fanorisorenana azy [28]:

HERINTAONA androany no nisamborana tsy ara-dalàna an'ilay mpikatroka politika sy mpilatsaka hofidiana filoham-pirenena tao Rwanda, Diane Shima #Rwigara [29] sy ny reniny Adeline noho ny fiampangana namboamboarin'ireo manampahefana Roandey

Niaina fitomboana ara-toekarena tsara aro teo amin'ny valo isanjato teo anelanelan'ny taona 2001-2014 ny Roandey, araka ny filazan'ny  World Economic Forum [33]. Nilatsaka avy amin'ny 57 isanjato  tamin'ny taona 2005 mankany amin'ny 45 isanjato tamin'ny taona 2010 ny Roandey miaina ambany tokonan'ny fahantrana. Ary apetrak'i Kagame ho toy ny mpitarika manerantany [34] amin'ny isan'ny vehivavy ambony indrindra ao amin'ny parlemanta i Rwanda.

Na izany aza, nanambara ny ReportsAfrique  [35]fa “mety hanohintohina ny laza natsangany ho azy ny fanjakazakan'i Kagame amin'ireo mpanohitra politika”.

Nafenina tamim-pahafetsena [36] tamin'ireo mpizahatany sy mpanome fanampiana iraisam-pirenena ny lafiny maha-mpanao didy jadona [37] an'i Kagame. Mitantana milina seraseram-bahoaka [38] voahosotra menaka tsara, fantatra toy ny mpanao didy jadona mpanao asa soa [39] ihany koa izy.