- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ambara fa miditra dingana faharoa ny Technology for Transparency Network, (Tambajotran'ny Teknolojia ho an'ny mangarahara)

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2010)

Nahita ny Tondro momba ny Kolikoly Manerantany 2009 [1] fa miha-manahy momba ny kolikoly eo amin'ny seha-panjakana sy ny sehatra miahy tena ny olom-pirenena manerantany. Matetika ny olona misalasala hiresaka hanohitra ny kolikoly, ary mahita ireo rafi-pitarainana nentim-paharazana ho tsy mahomby. Na izany aza dia miha-maro hatrany ireo olom-pirenena manomboka mampiasa teknolojia an-tserasera mba hahenoana ny feon'izy ireo.

Miditra amin'ny dingana faharoa ity volana ity noho ny fanohanana tsy tapaka avy amin'ny Transparency and Accountability Initiative ny Technology for Transparency Network [2], tetikasa Rising Voices [3] mandrakitra sy mametraka an-tsaritany ireo tetikasa manerana izao tontolo izao izay mampiasa teknolojia an-tserasera mba hampiroborobo ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Ny Transparency and Accountability Initiative dia fiarahamiasa mpanome fanampiana ahitana ny Fondation Ford, Hivos, ny International Budget Partnership, ny Omidyar Network, ny Open Society Institute, ny Revenue Watch Institute, ny United Kingdom Department for International Development (DFID) ary ny William ary ny Flora Hewlett Foundation.

Teo anelanelan'ny volana Janoary sy Mey 2010, nandrakitra an-tsarintany tranga fanadihadiana efa ho 40 [4]tao Eoropa Afovoany sy Atsinanana, Shina, Amerika Latina, Azia Atsimo, Azia atsimo atsinanana sy Afrika miteny Anglisy atsimon'i Sahara ny ekipan'ny tambajotran'ny mpikaroka manerantany. Azo jerena ao amin'ny tranokalanay, ahitana tombajery isa-paritry ny teknolojian'ny hetsika mangarahara sy toko fanampiny momba ireo lohahevitra lehibe nipoitra avy amin'ireo tetikasa ireo tranga fanadihadiana ireo. Nanangona sy nanolotra torohay ihany koa izahay tamin'ny tatitray farany avy amin'ny dingana voalohany [5].

Researchers from the Technology for Transparency Network present at the 2010 Global Voices Summit in Santiago, Chile. [6]

Ireo mpikaroka avy amin'ny Technology for Transparency Network nanatrika ny fihaonamben'ny Global Voices 2010 tany Santiago, Shily. Sary natolotr'i FabsY_ [7] tao amin'ny Flickr.

Na dia afaka manadihady ireo karazana tetikasa marobe nandritra ny dingana voalohany amin'ny fikarohanay aza izahay, dia mbola mila asa bebe kokoa raha te-hahazo fehin-kevitra azo antoka momba ireo fikambanana ireo, ny fomba fiasan'izy ireo sy izay zavatra avy amin-dry zareo azo ampiharina am-pahombiazana amin'ny hoavin'ny fisantarana andraikitra momba ny teknolojian'ny mangarahara. Amin'ny fanangonana ny santionany maro amin'ireo tetikasa avy amin'ny faritra isan-karazany maro sy sokajy lohahevitra samihafa, azonay atao ny manomboka manao fanambarana momba ny tanjany sy ny fahalemeny ary ny anjara andraikiny eo amin'ny rafi-tontolon'ny tamberin'andraikitra. Mino izahay fa ny fanaovana izany no hampahafantatra ny fikarohana amin'ny hoavy mikasika ny fomba azo anombanana ny fiantraikan'ireo tetikasa ireo amin'ny tamberin'andraikitra sy ny mangarahara amin'ny governemanta sy ny sehatra tsy miankina ary ny fiantraikan'izy ireo amin'ny fiarahamonina naanganana azy ireo hiasana.

The Technology for Transparency Network map. [8]

Ny Technology for Transparency Network mandrakitra an-tsarintany ireo tetikasa manerantany izay mampiasa teknolojia an-tserasera mba hampiroboroboana ny mangarahara sy ny tamberina andraikitra.

Fikarohana vaovao sy mpiara-miombon'antoka vaovao

Mandritra ny dingana manaraka amin'ity tetikasa ity, dia hanabe voho ny fikarohana ataonay izahay mba hampidirana ireo tetikasa avy any Afovoany Atsinanana & Afrika Avaratra, ny Firaisana Sovietika teo aloha ary i Afrika miteny Frantsay. Faly izahay mandray an'i Hazel Feigenblatt [9], Talen'ny Tetikasa Media ao amin'ny Global Integrity [10], izay ho Mpanolotsainay amin'ny famoahan-dahatsoratra. Hiara-hiasa aminay i Hazel mba hanampy amin'ny fisafidianana ireo tetikasa miavaka sy vaovao indrindra horaketina.

Hiara-hiasa amin'ny ekipa mpikaroka avy ao amin'ny Oniversiten'i Harvard, tarihin'ny talen'ny Tetikasa Transparency Policy , [11] Archon Fung [12], izahay. Hanadihady lalina ny enina amin'ireo tranga nohadihadianay mba hitrandrahana ny endrika ara-teknolojia sy ara-pandaminan'ny tranga tsirairay ary hanombanana ny fiantraikan'ny tetikasa tsirairay.

Ny fomba hanampiana: omeo tanana!

Araka ny nosoratan'i David Sasaki [13] tamin'izy nampahafantatra ny dingana voalohany [14] tamin'ny Technology for Transparency Network, tetikasam-pikarohana iaraha-miasa ity, ary mandray ny fandraisanareo anjara. Raha manan-kevitra amin'ny tranga fanadihadiana ianao dia ampahafantaro anay! Mankasitraka izay soso-kevitra amin'ny teny Anglisy [15], Espaniola [16] sy Portiogey [17] izahay ankehitriny.

Azonao atao ny misoratra anarana ao amin'ny flux RSS  [18]amin'ny tranga fanadihadiana navoaka vao haingana sy ny fandraketam-peonay  [19]amin'ny fiantsafana ireo mpanatanteraka sy mpandinika eny an-kianja. Araho ao amin'ny Twitter (amin'ny teny Anglisy [20] na Espaniola [21]) izahay raha te hahazo vaovao fanampiny sy vaovao mifandraika amin'ny teknolojian'ny mangarahara. Farany, raha te-hiditra amin'ny resaka sy adihevitra momba ny fampiharana ny teknolojia hanatsarana ny fitantanana any amin'ireo firenena ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana ianao, dia misorata anarana ao amin'ny lisitra mailaka an'ny Transparency for Technolgy [22].

Niara-nanoratra ity lahatsoratra ity i Renata Avila [23].