24 Septambra 2018

Tantara tamin'ny 24 Septambra 2018

Fifidianana Filoham-pirenena Etazonia: Ny Teny Misy S… sy Eoropa

  24 Septambra 2018

Ny famelezana farany tamin'ny fanentanana nataon'i McCain dia toa mihodina manodidina an'io teny mandratra manomboka amin'ny teny "S" io - sahala amin'ny ao anatin'ny hoe "Obama dia Sosialista". [...] Maro amin'ny olona eto no mino fa mitovy lanja ny sosialisma sy ny rafitra kaominista. Omaly, tao anaty trano etiopiana iray fisotroana kafé ao amin'ny faritra misy ahy ao Washington DC, valaka aho nanazava tamin'ireo mpividy vitsivitsy

Zeorzia: Kandidà Amin'ny Eurovision Miaraka Amin'ny “Tsy Mila Put In Izahay”

  24 Septambra 2018

Tohin'ny ady izay nifanaovany vao haingana tamin'i Rosia, nanambana ny hanao ankivy ny fifaninanana hira Eurovision, nokarakaraina tao Maosko aloha i Zeorzia tamin'ity taona ity, avy eo izy niova hevitra (amin'ny teny anglisy ireo rohy manaraka). Kanefa, raha toa io fiovàna io tany am-piandohana ka toy ny andrana handaminana ireo fifandraisana ratsy endrika, ny nifanohitra tamin'izay no nitranga omaly nandritra ny fifanintsanana tao amin'ny firenena..

Fitetezana Ny Tontolombolongana Libiana: Rock Frantsay Ao Tripoli Ary Ny Ambasady Amerikana Ao Anatin'ny Trano Iray Fisotroana Kafe

  24 Septambra 2018

Tena tsy tapaka mihitsy ireo fifandraisana Frantsay-Libiana, indrindra indrindra fa resaka kolontsaina sy fanabeazana, na dia nandritra ireo taona "mafy" nisian'ireo sazy aza. Ny Ivontoerana Ara-kolontsaina Frantsay, na dia tsy misehoseho aza, ao afovoan-tanànan'i Tripoli, dia manohy ny asany foana miainga avy amin'io fototra io, manolotra fampianarana teny sy trano famakiamboky hatramin'izay ela indrindra nahatsiarovako saina.