- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Angano Mampisaina sy ny GV Malagasy

Sokajy: Madagasikara, Fanabeazana, Lahavolana, Tantara

Pejy Facebook iray miresaka momba ny kolontsaina sy ny maha-Malagasy ny “Angano Mampisaina [1]“.  Hasina Samoelinanja [2] no andry mampijoro izany pejy izany. Ampitiavana no izaranay GV Malagasy aminareo mpamaky, fa manomboka izao dia misy ny fiarahamiasan'ny GV Malagasy sy io pejy Facebook io. Fiarahamiasa eo amin'ny lafiny votoaty.  Nomeny alàlana hamoaka maimaimpoana ny votoaty avy ao amin'ny “Angano Mampisaina”  izahay, mba hahafahan'ny Malagasy rehetra manerantany – na manana FB izy na tsia – mahalàla ny soatoaviny sy ireo razana nipoirany. Hahafahan'ny avy amin'ny firenena hafa ihany koa mahafantatra izany.

Ho fanombohana dia inty ny lahatsary fohy iray, iresahana ny momba ny atao hoe “Hasina” eny anivon'ny fiarahamonina Malagasy. Teny antampon'Antongona no noraketina ny feo sy ny sary.