Angano Mampisaina sy ny GV Malagasy

Pejy Facebook iray miresaka momba ny kolontsaina sy ny maha-Malagasy ny “Angano Mampisaina“.  Hasina Samoelinanja no andry mampijoro izany pejy izany. Ampitiavana no izaranay GV Malagasy aminareo mpamaky, fa manomboka izao dia misy ny fiarahamiasan'ny GV Malagasy sy io pejy Facebook io. Fiarahamiasa eo amin'ny lafiny votoaty.  Nomeny alàlana hamoaka maimaimpoana ny votoaty avy ao amin'ny “Angano Mampisaina”  izahay, mba hahafahan'ny Malagasy rehetra manerantany – na manana FB izy na tsia – mahalàla ny soatoaviny sy ireo razana nipoirany. Hahafahan'ny avy amin'ny firenena hafa ihany koa mahafantatra izany.

Ho fanombohana dia inty ny lahatsary fohy iray, iresahana ny momba ny atao hoe “Hasina” eny anivon'ny fiarahamonina Malagasy. Teny antampon'Antongona no noraketina ny feo sy ny sary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.