Angon'ny Tontolombolongana Keniana

The Nairobi Skyline

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Aprily 2005)

Mihevitra aho ny hanao fanasongadinana isan-kerinandro na isan-tapa-bolana mikasika izay mitranga ao anatin'ireo blaogy Keniàna nandritra ny fotoana fohy, indrindra indrindra hatramin'ny nitomboan'ireo blaogy Keniana tsy niato, nandritra ireo volana maromaro farany. Noho ireo fandrisihana vitsivitsy nataon'i Ethan, inty ny andrana voalohany ataoko.

Manao fisindàna amin'ny asa i Bankelele, miala sasatra, sady milaza amintsika ny mahatsara ny maha-minisitry ny Kabinetra ao Kenià.

I Nicholas G. dia eo ampitadiavana fanamby iray.

Tsy mahatsiaro ny baikon'i Michuki (minisitra misahana ny fiarovana anatiny) i Soulsystah. Izaho koa torak'izany. Efa laza ratsy azon'ny polisy rahateo ny hoe mitifitra aloha vao mametraka fanontaniana aty aoriana (matetika mitifitra mahafaty tsy manantsiny ao anatin'ny dingana ataony). Ahoana no hevitrao mikasika ny ady amin'ny fanoherana ny fidiran'ireo fitaovampiadiana madinika ato amin'ny firenena, mba hiantohana ny tsy hahavotsotra ireo mpanao heloka bevava noho ny kolikoly, na mba hanenjehana ireo mpikambana ankehitriny sy fahiny tao amin'ny mpitandro ny filaminana izay toa sahala amin'ny ao ambadik'ireny heloka bevava avo lenta ireny?

Zavatra 100 mikasika an'i Magaidi.

Ashok ao anatin'ny fitantaràny tsara indrindra.

Maniry ny hahalala an'izay raiketin'ny anarana iray i Guessaurus. Kanye West mpanao dihy ‘rap’ dia toa milaza fa midika hoe “ilay tokana” amin'ny teny Swahili ny teny hoe Kanye, nihomehy niaraka tamin'i Guessaurus aho tamin'io.

Ezahan'i Adrian ny mijery izay anjara toerana azo raisin'ireo Keniàna any ampielezana rehefa tafody an-tanindrazana izy ireny.

Manatanteraka dia arahina asa any Oganda i Thinker ary sahiran-tsaina izy manoloana ny vondrom-piarahamonina goavana misy an'ireo mpila ravinahitra ary ny hoe toa mitarika fahasahiranan-tsaina ho azy ireo ny fahatongavany any.

Misaintsaina ny fahafatesan'ny Papa ny 4Shezzy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.