- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampahafantarana ny tetikasa firesahana momba ny fady

Sokajy: Antsafa, Mediam-bahoaka, RV any ejipta, Rising Voices

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2010)

http://blip.tv/play/hfMYgfDAMAA

Mitohy ny fanomanana ho an'ny atrikasa voalohany ao amin'ny tetikasa “Miresaka ny Fady [1]” nokarakarain'ny ekipa avy ao amin'ny vondrona ao Kairo Nazra for Feminist Studies [2], iray amin'ireo tetikasa telo eto Ejipta izay tohanan'ny Rising Voices amin'izao fotoana izao. Manome topi-maso sy tantaran'ny vondrona, ary koa ny tanjon'ireo atrikasa nomanina i Fatma Emam,  [3]iray amin'ireo mpandrindra ny vondrona. Amin'izao fotoana izao, mandray fangatahana ny vondrona ary manadihady izay mety ho mpandray anjara mba hijerena ny fahalianany amin'ny fianarana ny fomba fampiasana ny mediam-bahoaka mba hiresahana ireo olana saro-pady mahakasika ny lahy sy vavy.