- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fahatsiarovana an'i Boukary

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, Fankalazana

View this post on Instagram

Boukary Konate was born in a tiny village near Segou in Mali in a family of farmers. He lived his adult life in Bamako the capital of Mali but maintained strong ties with his fellow villagers. This pic by his friend Eddie Avilla is a favorite. His consuming passion was saving the villages ancient culture and traditions. And ushering new technologies in the neglected rural zones of Africa for those kids. Mister Smile. That was our Boukary. #instagv #mali #africa [1]

A post shared by Global Voices [2] (@globalvoicesonline) on

Teraka tao amin'ny tanànakely iray akaikin'i Segou ao Mali i Boukary Konate, tao amin'ny fianakaviana mpiompy. Tao Bamako, renivohitr'i Mali izy no niaina ny hatanorany kanefa nanana fifandraisana matanjaka tamin'ireo mpiray tanindrazana taminy tany amin'ny tananakely niaviany. Tena tiany ity sary avy amin'ny namany Eddie Avilla ity. Ny hanavotra ny kolontsaina sy ny fomban-drazana fahiny tao an-tanànakely no faniriany lalina. Ary ny mampianatra ny teknolojia vaovao any amin'ireo faritra ambanivohitra voahilikilika ao Afrika ho an'ireo ankizy ireo. Ramose Mitsikitsiky. Izany no atao hoe Boukary.

Amin'ity herinandro ity, mitantana ny kaonty GV Instagram [3] i Claire [4], ary nanapa-kevitra ny hanokana ny herinandro ho fahatsiarovana ny mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonintsika Boukary Konate izy, izay maty tamin'ny volana Septambra 2017.

Araho ary noho izany ireo sary navoakan’ i Claire izay natao hahatsiarovana ny fiainan'i Boukary sy ny asany tany an-tanindrazany Mali.