Fahatsiarovana an'i Boukary

Teraka tao amin'ny tanànakely iray akaikin'i Segou ao Mali i Boukary Konate, tao amin'ny fianakaviana mpiompy. Tao Bamako, renivohitr'i Mali izy no niaina ny hatanorany kanefa nanana fifandraisana matanjaka tamin'ireo mpiray tanindrazana taminy tany amin'ny tananakely niaviany. Tena tiany ity sary avy amin'ny namany Eddie Avilla ity. Ny hanavotra ny kolontsaina sy ny fomban-drazana fahiny tao an-tanànakely no faniriany lalina. Ary ny mampianatra ny teknolojia vaovao any amin'ireo faritra ambanivohitra voahilikilika ao Afrika ho an'ireo ankizy ireo. Ramose Mitsikitsiky. Izany no atao hoe Boukary.

Amin'ity herinandro ity, mitantana ny kaonty GV Instagram i Claire, ary nanapa-kevitra ny hanokana ny herinandro ho fahatsiarovana ny mpikambana ato amin'ny vondrom-piarahamonintsika Boukary Konate izy, izay maty tamin'ny volana Septambra 2017.

Araho ary noho izany ireo sary navoakan’ i Claire izay natao hahatsiarovana ny fiainan'i Boukary sy ny asany tany an-tanindrazany Mali.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.