- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ceasefire Liberia: Hevitra momba ny andron'ny fahaleovantenan'i Liberia faha-163

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2010)

Map of Liberia. Image by Flickr user MercyWatch. CC BY-NC-ND [1]

Saritanin'i Liberia. Sary avy amin'ilay mpisera Flickr MercyWatch. CC BY-NC-ND

Nankalaza ny tsingerintaona fahaleovantenany faha-163 tamin'ny volana lasa (26 Jolay 2010) i Liberia, repoblika zokiny indrindra ao Afrika, ary mahavaky fo ny mahita fa taorian'ireny taona rehetra ireny, dia mbola firenena iray an-dalampandrosoana manana ny olany rehetra i Liberia. “Ilay firenena ravan'ny ady no firenena voalohany mahaleotena tany Afrika, rehefa nanambara ny fahaleovantenany tamin'ny taona 1847 izy”,hoy ny fanamarihan'i  [2]Nat Bayjay tao amin'ny bilaogy Ceasefire Liberia. Avy amin'ny Wikipedia [3]

It was founded and colonized by freed American slaves with the help of a private organization called the American Colonization Society in 1821-1822, on the premise that former American slaves would have greater freedom and equality there.

These colonists formed an elite group in Liberian society, and, in 1847, they founded the Republic of Liberia, establishing a government modeled on that of the United States, naming Monrovia, their capital city, after James Monroe, the fifth president of the United States and a prominent supporter of the colonization.

Naorina sy nozanahan'ireo andevo Amerikana afaka izy ary nampian'ny fikambanana tsy miankina antsoina hoe Fikambanan'ny Fanorenam-boanjo [na Fanjanahantany] Amerikana (American Colonization Society) tamin'ny taona 1821-1822, niainga tamin'ny fitsipika fa hanana fahalalahana sy fitovian-jo lehibe kokoa ao ireo andevo Amerikanina taloha.

Ellen Johnson Sirleaf, the President of Liberia. Image by Flickr user Bahia. CC BY [4]

Ellen Johnson Sirleaf, filohan'i Liberia. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Bahia. CC BY

Nanangana vondrona sangany tao amin'ny fiarahamonina Liberiana ireo mpanjanaka ireo, ary tamin'ny taona 1847, nanangana ny Repoblikan'i Liberia izy ireo, nanangana governemanta avy amin'ny lasitra Etazonia, nantsoina hoe Monrovia, renivohitra, nalaina tamin'ny anaran'i James Monroe, filoham-pirenena faha-dimy tao Etazonia sady mpanohana malaza ny fanjanahantany.
Noho izany, inona ireo olana ao amin'ity firenena rotiky ny ady ity izay nanakana azy tsy handroso? Raha ny marina, dia nanomboka nihemotra i Liberia taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila tamin'ny taona 1980. Tsy maintsy niatrika ady an-trano roa ny firenena izay nahafatesana olona an'hetsiny sy nanimba ny toekarenan'ny firenena.

Ankehitriny, miatrika olana maro toy ny kolikoly ny firenena. Nat Bayjay nanonona [2] ny Ray Tikpor, mpikabarim-pirenena ao Liberia:

Unless the government buries the deadly corruption virus that is currently eating the energy of the government, all else achieved will go down the drain.

Raha tsy mandevina ny viriosin'ny kolikoly mahafaty izay mihinana ny herin'ny governemanta ny governemanta, dia ho fongana avokoa ny ambiny rehetra.

Ny Filoha Liberiana Ellen Johnson Sirleaf [5] niantso ny vahoaka Liberiana mba hiray ao anatin'ny adin-tany mandetika ny faritra.

The issue of land disputes became a post-war crisis in Liberia, with Nimba County at the center of it, causing several misunderstandings that have led to fears of a potential return to war.

Nanjary krizy taorian'ny ady tany Liberia, ka ny faritr'i Nimba no ivon'izany, ka niteraka tsy fahazoan-kevitra marobe izay nitarika tahotra ny amin'ny mety ho fiverenan'ny ady.

Na dia mety hampiroborobo ny firenena aza ny fanalefahana ny trosa [6], tsy fanafody mahefa manoloana ireo fanamby lehibe ao Liberia izany, araka ny nambaran'i Jahbulleh Cicero Dempster [7]::

A street of Liberia. Image by Flickr user Tweefur. CC BY-NC-SA [8]

Làlana iray any Monrovia, renivohitr'i Liberia. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr Tweefur. CC BY-NC-SAA street in Monrovia, capital of Liberia. Image by Flickr user Tweefur. CC BY-NC-SA

Nandray anjara ireo mpanao gazety olon-tsotra avy ao amin'ny Ceasefire Liberia [9], nahazo vatsy avy amin'ny Rising Voices mba hiatrika ireo fanamby amin'ny alalan'ny fanomezana vaovao sy fampahalalam-baovao momba ny tsy fetezana ao amin'ny fiarahamonina sy ny governemanta. Nathan Patio Charles manoratra ao amin'ny [10] bilaogy Ceasefire Liberia:

An independent investigation conducted by Ceasefire Liberia, in collaboration with Liberia’s Journalists for Human Rights [11] and Good Governance (a) four month justice reporting workshop for students from several universities in Liberia, has discovered that the Monrovia Central Prison, popularly known as South Beach in Monrovia, is overcrowded. [..]

Crime continues to increase and the justice system in Liberia is notoriously slow, leaving the prison overcrowded with pre-trial detainees.

Nahita ny fanadihadiana mahaleotena nataon'ny Ceasefire Liberia, miaraka amin'ny fiarahamiasa amin'ireo mpanao gazety mpandala ny Zon'olombelona  [11]ao Liberia sy ny Fahaiza-mitantana (a), atrikasan-fitateram-baovao ara-pitsarana mandritra ny efa-bolana ho an'ireo mpianatra avy amin'ny oniversite maro any Liberia no nahitana fa hipoka olona ny fonjaben'i Monrovia, fantatra amin'ny anarana hoe South Beach ao Monrovia. [..]

Mihamitombo hatrany ny heloka bevava ary mazàna no mitaredretra ny rafi-pitsarana ao Liberia, ka mamela ny fonja ho hipoka olona ahitana ireo gadra miandry fitsarana.

Toa olana ho an'ny firenena ny rafi-pitsarana. Mitatitra  [12]i Nat Bayjay fa nanolotra ny fikarohany sy ny tolo-keviny tany amin'ny Antenimieram-pirenena ny Komitin'ny Fahamarinana sy ny Fampihavanam-pirenena ao Liberia  (TRC)  ary niampanga ny rafi-pitsarana ho manakana ny fandriampahalemana sy ny fampihavanam-pirenena tany Liberia:

“Reconciliation is a process, not a commodity that can be purchased in the absence without the building of a just and equitable society founded on the rule of law. There can be no peace without any justice”.

“Dingana ny fampihavanam-pirenena, fa tsy entana azo vidiana amin'ny tsy fanatrehana, tsy misy fanorenana fiarahamonina marina sy ara-drariny mifototra amin'ny tany tan-dalàna. Tsy misy fandriampahalemana raha tsy misy rariny “.

Na dia izany aza, misy ny famantarana fandrosoana ao amin'ny rafi-pitsarana satria niampanga [13] sy nampiakatra fitsarana an'ilay lehilahy 48 taona, nanolana tovovavy 13 taona tao Monrovia, izay niteraka herisetra vaovao ny Polisy Nasionaly Liberia.

Vakio ireo tantara maro ao amin'ny Ceasefire Liberia Blog [14].