Ny fanehoana an-tsarintany ny bilaogy (teny espaniola)

(Marihina fa tamin'ny 16 Aogositra 2005 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
hispano blog map

Ny eGrupos, tranonkalan-tambajotra sosialy iray ao Sunnyvale, California, no namolavola ny El BlogoMapa Hispano, tranonkala ahitana ny lisitry ny bilaogy amin'ny teny Espaniola, ary mampiseho ny toerana misy ny bilaogera amin'ny alàlan'ny fampiasana ny Google Maps API. Azo atao ny mampiditra ao amin'ny sarintany ny tranonkalam-bilaogy amin'ny teny Espaniôla ho an'ireo manana bilaogy. Misy ihany koa ny plugin ho an'ny Google Earth. .

Nampientanentana ity ezaka iray hafa natao momba ny fanoroana an-tsarintany ireo bilaogera ity. Nanao bilaogy an-tsarintany mifantoka amin'i Meksika ihany koa i Gustavo Diaz Salazar avy any Tampico, Tamaulipas, Meksika. Ny GeoURL angamba no tena angondrakitra malaza sy lehibe indrindra amin'ny fanondroana ny toerana misy ny bilaogera ary manolotra ny famahanana RSS ho an'ny bilaogy vaovao any amin'ny faritra manokana. Mikel Maron, izay nanangana solo-na Google Maps maimaim-poana amin'ny fananganana sarintanim-bilaogy, no namolavola ny The World as a Blog izay manambatra amin'ny fotoana iray ireo famahanana mifototra amin'ny toerana samihafa. Ny Blogwise ihany koa dia miezaka ny manangona ny angondrakitra ara-joegrafika mba hanehoana an-tsarintany ireo bilaogera ary miasa mafy amin'ny feedmap, izay mandrindra ireo bilaogy mampiasa paingotra sy manolotra ny rohin'ny bilaogy eo an-toerana arakaraky ny toerana .i Chandu Thota.

Ireo no fitaovana goavana hijerena sy ahitana ny firenena sy kolontsaina hafa eo am-pototry ny solosainao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.