- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manerantany: Mihamiboridana am-pandihizana i Yahoo !

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Marihina fa tamin'ny 8 Novambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Bilaogera Maraokana iray liana amin'ny teknolojia vaovao i MS Hijiouji . Niresaka momba ireo tolotra farany hivarotana ny Yahoo amin'ny alàlan'ny Microsoft, Google na AOL izy tao amin'ny bilaogin-dahatsorany farany [1].

تذكرون العرض الذهبي الذي قدمته مايكروسوفت لشراء ياهو (بأكثر من 44 مليار). ياهو رفضت العرض بشكل قاطع وأكد مديرها التنفيذي أن فكرة البيع غير مطروحة أساسا. ياهو فضلت عقد شراكة إعلانية مع جوجل للإستفادة من سوق الإعلانات الإلكترونية التي تكاد جوجل تسيطر عليها لوحدها. لكن قوانين مكافحة الإحتكار في أمريكا وقفت بالمرصاد أمام هذه الإتفاقية فتم مؤخرًا الإعلان، بصمت، عن إلغائها.
Tsaroanareo ve ny tolotra volamena nataon'ny Microsoft mba hahazoana ny Yahoo (mihoatra ny 44 miliara). Nolavin'ny Yahoo tanteraka ny tolotra, ary nanamafy ny Tale Jeneraliny fa tsy voalohany ny soso-kevitra hivarotana ny Yahoo. Nisafidy ny dokambarotra fiaraha-miasa niaraka tamin'ny Google ny Yahoo mba hahazoana tombontsoa amin'ny tsenan'ny dokambarotra an-tserasera izay saika fehezin'ny Google irery ihany. Saingy nanohitra ity fifanarahana ity ny lalàna antitrust (lalanan'ny fifaninanana ara-barotra) ao Etazonia. Nambara mangingina noho izany ny fanafoanana.

Hoy ihany koa izy nanampy:

مباشرة بعد ذلك سيعلن المدير التنفيذي لياهو (أمس) أن الوقت قد حان لتشتري مايكروسوفت ياهو. وبسرعة جاء رد ستيف بالمر المدير التنفيذي لمايكروسوفت: لا.
تعاني ياهو منذ فترة من المشاكل في تحقيق عوائد مالية بالحجم المطلوب، وسياستها تعرف الكثير من التخبط. وسواء كان رد مايكروسوفت نهائيا برفض شراء ياهو الآن، أو هي مجرد مناورة لتخفيض السعر، فإن ياهو فقدت الكثير من قيمتها، وعلى الأرجح سيتم التضحية قريبا بالمدير التنفيذي لياهو جيري يانغ، وتجديد إدارة الشركة ثم القيام بمجهود أكبر لإستعادة بعض ما فقدته ياهو من قيمتها.
ربما تتدخل AOL، كما تقول الإشاعات، وتوقع إتفاقية شراكة ما، قد تصل إلى الإندماج، لكن دائما، وفي كل الأحوال، يظهر أن جوجل هي المستفيد الأكبر.

Fotoana fohy taorian'izay, nilaza ny Tale Jeneralin'ny Yahoo fa tonga ny fotoana ho an'ny Microsoft hahazoana ny Yahoo. Namaly avy hatrany ny Tale Jeneralin'ny Microsoft Steve Ballmer: Tsia. Nanana olana tamin'ny tsy fahombiazana namerim-bola ny Yahoo tato ho ato , ary misy fisavorovoroana loatra ny politikany. Raha fantatra fa nandà ny fividianana ny Yahoo ny valintenin'ny Microsoft farany, sa ve izany paikady tsotra izao hampihenana ny vidiny; Very lanjam-bidy betsaka ny Yahoo, ary azo inoana fa ho ataon'ny Tale Jeneraliny sorona tsy ho ela, Yahoo Jerry Yang, ary avy eo hanao ezaka betsaka ny Yahoo hiarenana amin'ny sanda very.

Mety hirotsaka an-tsehatra ny AOL, araka ny siosion-dresaka, hanasonia fifanaraham-piaraha-miasa, kanefa na inona na inona mitranga dia toa ny Google no tena mahazo tombontsoa betsaka indrindra.