- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tari-dalana Mediam-bahoaka manerantany vita amin'ny teny Makedoniana sy Albaney

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2010)

Faly ny Rising Voices manambara fa ny Fampahafantaranay ny Tari-dalana Mediam-bahoaka Manerantany (Global Citizen Media Guide [1]) dia vita amin'ny fiteny roa fanampiny ankehitriny, noho ny ezaka nataon'i Elena Ignatova [2] sy ny Metamorphosis Foundation [3] ao Skopje, Repoblikan'i Makedonia. Anisan'ny mpikambana ato amin'ny Global Voices Online nanomboka tamin'ny taona 2008 i Elena ary tonian-dahatsoratra ao amin'ny Global Voices teny Makedoniana [4].

voved_graganski_mediumi [5]njohje_me_mediat_e_qytetareve [6]

Azo trohina amin'ny teny Makedoniana [7] sy Albaney [8] ankehitriny ny Tari-dalana, manampy ireo teny efa misy toy ny teny Anglisy, Espaniola, Frantsay, Mongoliana, sy Bangla.

Hanampy fiteny maro izahay amin'ny volana manaraka. Raha liana te hanampy amin'ny fandikàn-teny amin'ireo Tari-dalàna roa misy ianao, dia mifandraisa aminay [11] azafady.