(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Aogositra 2010)
Faly ny Rising Voices manambara fa ny Fampahafantaranay ny Tari-dalana Mediam-bahoaka Manerantany (Global Citizen Media Guide) dia vita amin'ny fiteny roa fanampiny ankehitriny, noho ny ezaka nataon'i Elena Ignatova sy ny Metamorphosis Foundation ao Skopje, Repoblikan'i Makedonia. Anisan'ny mpikambana ato amin'ny Global Voices Online nanomboka tamin'ny taona 2008 i Elena ary tonian-dahatsoratra ao amin'ny Global Voices teny Makedoniana.
Azo trohina amin'ny teny Makedoniana sy Albaney ankehitriny ny Tari-dalana, manampy ireo teny efa misy toy ny teny Anglisy, Espaniola, Frantsay, Mongoliana, sy Bangla.
- Преземи го водичот „Вовед во граѓански медиуми“ (Makedoniana)
- Shkarko “Njohje me mediat e qytetarëve” (Albaney)
Hanampy fiteny maro izahay amin'ny volana manaraka. Raha liana te hanampy amin'ny fandikàn-teny amin'ireo Tari-dalàna roa misy ianao, dia mifandraisa aminay azafady.