- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanoratra Asongadina: Mac-Jordan Holdbrookes-Degadjor

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009)

Tamin'ny volana Aogositra 2009,  natao tao Accra, Ghana ny Maker Faire Africa [1] ary nahasarika mpanangana manerana an'izao tontolo izao izay te-hampiseho ny famoronany farany. Nandray anjara tamin'ny fampiroboroboana sy fanoratana momba ny fety ihany koa ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny aterineto ao an-toerana, ny sasany aza nanome ny fotoanan'izy ireo mba hanampy amin'ny hetsika. Bilaogera iray, Mac-Jordan Holdbrookes-Degadjor no iray amin'ireo Ghaneana nanampy, ary nanjary loharanom-baovao tena sarobidy izy noho ny fahalalany isan-karazany momba ny tanindrazany.

Photo of Mac-Jordan taken by Georgia Popplewell. [2]

Sarin'ny Mac-Jordan nalain'i Georgia Popplewell.

Nitarika fiarahamiasa maro ireo fifandraisana ireo, toy ny fanombohan'ny blaoginy tao amin'ny sehatra Maneno [3] ary lasa mpanoratra ho an'ny Global Voices [4]izay nahalasa azy ho mpanoratra momba ny tontolon'ny bilaogy Ghaneana [5].

Mampahafantatra an'i Mac-Jordan, izay miresaka momba ny bilaoginy Accra Conscious Forever [6] sy Accraboy [7], ary koa ny fandraisany anjara mavitrika ao amin'ny Twitter  [8]ity horonantsary nalaina tamin'ny volana Aogositra 2009 ity

http://blip.tv/play/g80XgbTiRgA