- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kiobà: Herintaona nibilaogina avy ao anatiny

Sokajy: Amerika Latina, Kiobà, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Teknolojia

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Desambra 2009)
Bloggers-Cuba [1]

Nanamarika ny tsingerintaona voalohany nijoroan'ny Bloggers Cuba [es] [2], vondrom-piarahamonin'ny bilaogera nanoka-tena hanoratra momba ny fireneny “avy ao anatiny” ny 27 Novambra. Ao anatin'ny bilaogin'izy ireo iombonana, ahitàna ny the “Cuban reader” [es] [3], angona fanehoan-kevitra RSS avy amin'ireo bilaogy maherin'ny 30 eo amin'ny tontolon'ny bilaogy Kiobàna [4], izay azo ampiasaina ho toy ny fanombohana ho an'izay mpitsidika te-hamaky momba ny firenena ihany koa ny asan'izy ireo.

Ny mampiavaka ny Bloggers Cuba dia ny fomba fijeriny ao anatiny: na dia misy bilaogy mihoatra ny 700 aza miresaka momba an'i Kiobà, dia mihevitra ny ankamaroan'ireo bilaogy ireo ho tazonin'ireo mpanoratra monina ivelan'ny nosy izy ireo. Niteraka fifampikasohana teo amin'ireo mpanoratra avy amin'ireo mpamaky ny fomba fijerin'izy ireo ary nanamafy ny fifankatiavana teo amin'ireo mpandray anjara, araka ny nampahatsiahivin'izy ireo tamin'ny fitetezana bilaogy momba ny tsingerintaonan'ny lahatsoratra [5].

Mpandray anjara, Roger TM nizara hoe:

Hace poco más de un año, éramos solo 11 personas en un aulita fría del Palacio Central de Computación, luego de varios encuentros esporádicos, se fueron sumando otros Blogueros que teníamos cierta afinidad en cuanto a ideas. Hoy hace exactamente un año vio la luz este proyecto, que ahora, más que ser un grupo de Blogueros con ideas afines, somos un grupo de amigos (…)

Herintaona lasa izay dia 11 monja izahay no tao amin'ny efitrano mangatsiaka tao amin'ny Palacio Central de Computación (Lapa foiben'ny Solosaina), taorian'ny fihaonana maromaro tsindraindray, nisy ireo bilaogera hafa manana fahalianana mitovy ary nanatevin-daharana ihany koa. Ankehitriny, herintaona katroka izay, nahita hazavana ity tetikasa ity , ary ankehitriny, mihoatra noho ny vondrona bilaogera mitovy hevitra, vondrona mpinamana izahay (…)

Boris:

Te pueden cerrar una puerta, te pueden dejar solo, te pueden acusar y querer llevarte a la hoguera… pero si tienes buenos amigos, te puedes salvar también. Eso ha sido Bloggers Cuba, una comunidad de amigos reunidos entorno a un blog, unas cuantas cyberaficiones comunes, algunas ideas sobre cómo debe ser esta isla… Y muchas ganas de hacer, de soñar en grande, aunque después, no pocas veces, nos hayamos quedado en la ilusión. Y lo mejor: nadie nos convocó, nadie nos pidió hacerlo, nadie controló el “cumplimiento de la tarea”. Nunca antes me sentí tan libre.

Afaka manidy varavarana izy ireo, afaka mamela anao irery izy ireo, afaka miampanga anao amin'ny zavatra iray ary miezaka ny manipy anao any anaty afo izy ireo … fa raha manana namana tsara ianao, dia mety ho voavonjy koa. Tahaka izany ny Bloggers Cuba, vondrona mpinamana tafaraka manodidina ny bilaogy, manana fitiavana miala voly ao anatin'ny tontolon-tserasera, ary hevitra sasantsasany momba ny tokony ho fandehan-javatra amin'ity nosy ity … Ary ny faniriana hanao zavatra, hanonofy sary goavana, na dia nijanona tamin'ny hevi-draviny mihoatra ny indray mandeha aza izahay. Ary tsara kokoa: tsy nisy niantso anay, tsy nisy niangavy anay hanao izany, tsy nisy olona nifehy ny “famitana ny asa”. Tsy mbola nahatsiaro afaka toy izao aho.

David:

“Tu eres francés, no te metas en nuestros problemas, no opines, no te asiste el derecho, si lo tuyo es el rock, métele caña a las guitarras y sigue apoyando las bandas, pero deja mi política en paz que no te incumbe… no postees más en blogs de tantas estupideces como esas, limiítate a lo tuyo… ok?”…
Me gané innumerables insultos, provocaciones, amenazas, descalificaciones gracias a Bloggers Cuba 🙂 … pero Bloggers Cuba me confirmó que no todos los gusanos (gente que ha dejado la isla) son malos y que no todos los revolucionarios son buenos, y vice versa. Bloggers Cuba ha abierto una puerta de diálogo y ha inspirado nuevas plataformas de blogs cubanas administrada desde adentro: Voces Cubanas, Blogcip… BC fue pionero en eso.

“Frantsay ianao, tsy tokony hiditra amin'ny olanay, tsy tokony hanana hevitra, tsy manana zo, raha mozika rock no zavatra tianao, manaova ezaka amin'ny gitara ary tohano hatrany ny tarika, fa avelao ny politikako, satria tsy zava-dehibe aminao izany … tsy tokony hamoaka zavatra tsy misy dikany tahaka izany ao amin'ny bilaogy ianao, fa mijanona amin'ny zavatra tianao … ok? “…
Nahazo fanevatevana, fanesoana, fandrahonana ary fanalam-baraka imbetsaka aho noho ny Bloggers Cuba 🙂 …. saingy nanamafy tamiko ihany koa ny Bloggers Cuba fa tsy ny gusanos rehetra (olona nandao ny nosy) no ratsy ary tsy ny revolisionera rehetra no tsara, sy ny mifamadika amin'izany. Nanokatra varavarana ho amin'ny fifanakalozan-kevitra ny Bloggers Cuba ary nitarika sehatra vaovao amin'ny bilaogy Kiobana sahanina avy ao anatiny: Voces Cubanas, Blogcip … Ao anatin'izany fiheverana izany, BC no mpisava lalana.

Zorphdark:

Un par de horas después de un aburrido mediodía de mayo recibo el único correo que he marcado con una estrella en GMail. Era una invitación de BC para ser parte de su comunidad. Han pasado más de seis meses de aquel intenso respirar y aún no lo creo. “No soy digno” -pensaba; “¿qué publicar?” -todavía me pregunto. Llego al punto de encuentro, a una fiesta inolvidable, y conozco a muchas de las personas que han influido directamente en mi vida desde entonces: gente que admiro profundamente, con la que me siento de maravilla, con quienes invertiría decenas de horas para conversar. Seres humanos VIP, llenos de imaginación, de juventud y cubanía.

Ora roa taorian'ny tolakandro mahakamo amin'ny volana Mey, nahazo ny mailaka tokana izay nomarihako kintana tamin'ny GMail aho. Fanasana avy amin'ny BC mba hidirako ao amin'ny vondron-dry zareo. Efa enim-bolana mahery nanomboka tamin'izany, mbola tsy nino ihany aho. “Tsy mendrika izany aho” –Nieritreritra aho hoe; “inona no tokony hosoratako?” – Mbola manontany tena aho. Tonga tao amin'ny toeram-pihaonana aho, fety tsy hay adinoina, ary nihaona tamin'ny olona marobe izay nitarika ny fiainako mivantana nanomboka teo: olona izay tena ankafiziko tanteraka, olona mahatonga ahy hahatsapa ho tena salama, olona azoko resahana mandritra ny adiny folo. Olombelona VIP, feno eritreritra, tanora sy mahakiobàna.

Namoaka famintinana ireo lahatsorany isam-bolana izay azo trohina amin'ny endrika PDF ihany koa ny Bloggers Cuba.