- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manome tolotra finday sy aterineto amin'ny alalan'ny zanabolana ny tambajotram-pifandraisandavitry ny Indizeny ao Meksika

Sokajy: Meksika, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Teratany, Vaovao Tsara, Rising Voices
[1]

Pikantsarin'ny tranonkala ofisialin'ny Telecommunicaciones Indígenas Comunitarias (Fifandraisandavitry ny Vondrom-piarahamonina Indizeny).

Taorian'ny volana maromaro nisian'ny ady ara-pitsarana izay nandrahona [2] ny fisiany, ny tambajotram-pifandraisandavitry ny Indizeny voalohany [3] any Meksika dia nanambara ny fikasany hanome tolotra  finday sy aterineto amin'ny alalan'ny zanabolana.

Nanomboka ny tolotra finday sy aterineto tamin'ny vidiny 2 isanjaton'ny ankamaroan'ny mpanome tolotra ara-barotra amin'ny ankapobeny ny Telecomunicaciones Indígenas Comunitarias AC (TIC AC) ho an'ny tanàna kely miisa 356 any amin'ny fanjakana Chiapas, Guerrero, Oaxaca, Puebla ary Veracruz tamin'ny taona 2013.

Raha toa ka niankina tamin'ny tandrom-pifandraisana an-tanety izay handoavan'ny vondrom-piarahamonina vola [4] ny tolotr'izy ireo tany am-boalohany dia tsy ho ela ny hanombohan'ny fifandraisandavitra indizeny hanome ny tolotra avy amin'ny zanabolana, izay ahafahany manitatra lavitra ny fandrakofany.

Nambaran'ny Redes por la Diversidad, Equidad y Sustentabilidad AC [5] (Tambajotra ho an'ny Fahasamihafana, Fitoviana ary Fampandrosoana Lovainjafy) , fikambanana iray ao amin'ny TIC AC, tamin'ny 17 Aogositra ny drafitra:

Hanitatra ny velarana sahaniny amin'ny alàlan'ny zanabolana  ny Fifandraisandavitry ny Vondrom-piarahamonina Tompotany (TIC AC) mba hanomezana tolotra finday sy Aterineto any amin'ny faritra sarotra hifandraisana.

Tao anatin'ny antsafa iray ho an'ny gazety Meksikana Reforma [8], ny Talen'ny mpandrindra mpanampy ao amin'ny Tambajotra ho an'ny Fahasamihafana, Fitoviana ary Fampandrosoana Lovainjafy AC [5]a, sady iray amin'ireo mpanolotsaina ara-pitsarana ao amin'ny TIC, Erick Huerta [9] nilaza fa tanteraka izany noho ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana tsy ho ela eo amin'ny TIC sy ny governemanta Meksikana:

Firmaremos un convenio con la SCT [Secretaría de Comunicaciones y Transportes [10]] que nos va a permitir hacer una alianza para aprovechar la capacidad satelital del Estado mexicano y con esa capacidad vamos a poder llegar a comunidades donde no había manera de llevar internet. Vamos a llegar a través de satélite y fortalecer la calidad de los servicios actuales.

Hanasonia ny fifanarahana miaraka amin'ny SCT [Sekretarian'ny Fifandraisana sy ny Fitaterana [10]] izahay, izay ahafahanay manangana ny fiaraha-miasa mba hampiasana ny zanabolana zakan'ny Fanjakana Meksikana ary amin'ny alalan'izany no ahafahanay mifandray amin'ireo vondrom-piarahamonina izay tsy manana fomba ahazoana Aterineto. Hifandray amin'izy ireo amin'ny alàlan'ny zanabolana izahay ary hanamafy ny kalitaon'ny tolotray amin'izao fotoana izao.

Ny teknolojian'ny zanabolana moa dia tsy miankina amin'ny fametrahana ny tariby na ny tambajotran'ny finday toy ny miseho amin'ny fifandraisana an-tariby sy ny finday fa fomba iray hafa izay mora ampiasaina sy mahomby amin'ny fanomezana ny fifandraisana an-tambajotra any amin'ny faritra tsy misy fotodrafitrasa. Amin'ny alàlan'ny fametrahana fotsiny ny tandrom-pifandraisana loviabe izay mifandray amin'ny zanabolana no ahafahana mandefa sy mandray ny angondrakitra avy eo.

Ity no dingana faharoa tamin'ity taona ity ho an'ny TIC AC, izay niatrika ady ara-pitsarana tamin'ny mpandrindra ny fifandraisandavitra tao Meksika taorian'ny fangatahan'ity farany ny fandoavam-bola mitentina 50.000 dolara ho an'ny fampiasana ny sehatra radioelektrika. Nifarana teny amin'ny fitsarana ny raharaha ary nisy ny fanapaha-kevitra nandidy ny mpandrindra mba hamerina hijery ny sarany tamin'ny volana May noho ny fiarovana ny zon'ireo vahoaka indizeny amin'ny fahalalahana maneho hevitra.