(Marihina fa tamin'ny 9 Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Raha nanatona ny fiafarana ny andro voalohany tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo [1] Faharoa izay fanao isan-taona dia nojerena ny fomba fijerin'ny mpandray anjara nandritra ny tontolo andro mba hamantarana ny zavatra azony sy ny fihetseham-pony.
Nafana ny fanombohana niaraka tamin'ny fandraisan'ny mpikarakara ny Global Voices Sami Ben Gharbia [2], Amira Al Hussaini [3] sy ny mpanohana anay avy ao amin'ny Orina Mpanasoa The Heinrich Böll [4]ireo mpandray anjara avy amin'ny tontolo Arabo sy ny avy any ivelany. Nizara ny heviny sy ny fomba fijeriny momba ny fananganana fanentanana an-tserasera mahomby antserasera ny mpanolotra Noha Atef [5] ao amin'ny Global Voices Advocacy sy Eman Abdulrahman [6] ao amin'ny Global Voices (sady mpanorina ny Kolena Laila [7]) taorian'ny teny fampidirana. Nanamarika ato amin'ity sioka ity ny mpanatrika Maoritaniana weddady fa hanangana fiaraha-miasa manerana ny tontolo Arabo ny Kolena Laila :

Afaka mijery ny vaovao bebe kokoa ianao ao amin'ny kolenalaila.com
Nisy atrikasam-pampianarana manokana maro momba ny zava-drehetra nandritra ny tontolo andro toy ny fanivahan-dalana an-tserasera sy ny tsy fiafenana anarana (natolotr'i Jacob Applebaum [8]), ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra (natolotr'i Amira Al Hussaini [3] sy Salam Pax [9] ), ny fampiantranoana lahatsary hafa ankoatra ny YouTube (natolotr'i Slim Amamou [10] sy Marcin Gajewski ). Naneho hevitra momba ity farany ity i Lina Ben Mhenni :

Sehatra hafa ankoatra ny YouTube
Ny famelabelarana izay tena nahatezitra ny mpandray anjara, na izany aza, dia ny fandalinana an-tsarintany ny tontolon'ny bilaogy Arabo [11] izay natolotr'ilay mpandray anjara Syriana Razan Ghazzawi [12] avy ao amin'ny Foibe Berkman ho an'ny Aterineto sy ny Fiarahamonina. Na dia maro aza ny fanehoan-kevitra hozaraina (izay azo jerena amin'ny fikarohana ny tenirohy #ab09 ao amin'ny Twitter) dia indro ireo hevi-dehibe sasany: Nanontany tena [13] tao amin'ny Twitter ny mpandray anjara Egyptiana lastoadri [6] raha toa ka tena tafita tsara ny fampianarana ho an'ireo mpandray anjara :

Nametra-panontaniana i lastoadri, iza amin'izay amin'izay haneho hevitra no namaky tokoa ny fanadihadian'ny Berkman?
Nanao fanamarihana [14]lehibe avy amin'ny tenin'i Razan i Nasser Weddady [15]:

Nanonona ny tenin'i Razan Ghazzawi i weddady (tsy misolo tena ny vahoaka arabo ny bilaogera arabo, tsy miteny ho an'ny vahoaka syriana aho)
Farany, niombon-kevitra tamin'i Razan ilay Irakiana Salam Pax [9] momba ny raharaha ary nilaza [16] hoe :

Niombon-kevitra tamin'ny mpanolotra i Salam Pax, tsy mpitondra teny ny vahoaka ny bilaogera, olom-pirenena manana hevitra hafa ireo.