(Marihina fa tamin'ny 9 Desambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)
Raha nanatona ny fiafarana ny andro voalohany tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo Faharoa izay fanao isan-taona dia nojerena ny fomba fijerin'ny mpandray anjara nandritra ny tontolo andro mba hamantarana ny zavatra azony sy ny fihetseham-pony.
Nafana ny fanombohana niaraka tamin'ny fandraisan'ny mpikarakara ny Global Voices Sami Ben Gharbia, Amira Al Hussaini sy ny mpanohana anay avy ao amin'ny Orina Mpanasoa The Heinrich Böll ireo mpandray anjara avy amin'ny tontolo Arabo sy ny avy any ivelany. Nizara ny heviny sy ny fomba fijeriny momba ny fananganana fanentanana an-tserasera mahomby antserasera ny mpanolotra Noha Atef ao amin'ny Global Voices Advocacy sy Eman Abdulrahman ao amin'ny Global Voices (sady mpanorina ny Kolena Laila) taorian'ny teny fampidirana. Nanamarika ato amin'ity sioka ity ny mpanatrika Maoritaniana weddady fa hanangana fiaraha-miasa manerana ny tontolo Arabo ny Kolena Laila :
Nisy atrikasam-pampianarana manokana maro momba ny zava-drehetra nandritra ny tontolo andro toy ny fanivahan-dalana an-tserasera sy ny tsy fiafenana anarana (natolotr'i Jacob Applebaum), ny asa fanaovan-gazetin'olon-tsotra (natolotr'i Amira Al Hussaini sy Salam Pax ), ny fampiantranoana lahatsary hafa ankoatra ny YouTube (natolotr'i Slim Amamou sy Marcin Gajewski ). Naneho hevitra momba ity farany ity i Lina Ben Mhenni :
Ny famelabelarana izay tena nahatezitra ny mpandray anjara, na izany aza, dia ny fandalinana an-tsarintany ny tontolon'ny bilaogy Arabo izay natolotr'ilay mpandray anjara Syriana Razan Ghazzawi avy ao amin'ny Foibe Berkman ho an'ny Aterineto sy ny Fiarahamonina. Na dia maro aza ny fanehoan-kevitra hozaraina (izay azo jerena amin'ny fikarohana ny tenirohy #ab09 ao amin'ny Twitter) dia indro ireo hevi-dehibe sasany: Nanontany tena tao amin'ny Twitter ny mpandray anjara Egyptiana lastoadri raha toa ka tena tafita tsara ny fampianarana ho an'ireo mpandray anjara :
Nanao fanamarihana lehibe avy amin'ny tenin'i Razan i Nasser Weddady:
Farany, niombon-kevitra tamin'i Razan ilay Irakiana Salam Pax momba ny raharaha ary nilaza hoe :