- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary: Andron'ny Zon'Olombelona sy ny Tsy Fanavakahana

Sokajy: Afrika Mainty, Amerika Latina, Arzantina, Meksika, Oganda, Venezoela, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Tanora, Zon'olombelona

(Lahatsoratra efa tamin'ny volana Desambra 2009)

Andron'ny Zon'Olombelona ny 10 Desambra, ​​ny tsy fanavakavahana no lohahevitra amin'ity taona ity, ankehitriny dia mitondra fifantenana vitsivitsy ho anareo amin'ireo horonantsary sasany nataon'ny olona sy nampidirina antserasera mba hanohanana ity zon'olombelona ity izahay.

Araka ny tenin'ny Sekretera Jeneraly Ban Ki-moon:  [1]

Discrimination targets individuals and groups that are vulnerable to attack: the disabled, women and girls, the poor, migrants, minorities, and all those who are perceived as different.

… But these victims of discrimination are not alone. The United Nations is standing with them, committed to defending the rights of all, and particularly the most vulnerable.  That is our identity and our mission.”

Ny fanavakavahana dia mikendry ny olon-tsotra sy vondrona izay mora iharan'ny fanafihana: ny sembana, ny vehivavy sy ny tovovavy, ny mahantra, ny mpifindra monina, ny vitsy an'isa, ary ireo rehetra izay heverina ho hafa.

… Saingy tsy irery ireo iharan'ny fanavakavahana. Miara-mijoro amin'izy ireo ny Firenena Mikambana, manolo-tena hiaro ny zon'ny rehetra, ary indrindra indrindra ireo marefo. Izany no mari-panondroana anay sy ny iraka ampanaovina anay. “

Avy any Venezoela, nanatontsa lahatsary fohy [2]ireo mpianatra sasany amin'ny lisea mba hanentanana ny saina momba ny lohahevitra ary hampiroborobo tsy fanavakavahana ho an'ny ankizy eo anelanelan'ny 12 ka hatramin'ny 18 taona:

Avy any Meksika, miaraka amin'ny fanohanan'ny fikambanana isan-karazany, nisy ny spot natao hanoherana ny fanavakavahana [3]mifototra amin'ny foko:

Ao Arzantina, vondrona tanora iray nanao karazana horonantsary fohy [4] miresaka momba ny fanavakavahana ireo “foko” samihafa an-tanan-dehibe izay heverina fa “Floggers” (bilaogera foto (sary)), emos / goths ary “cumbieros” (mpihaino cumbia) ny tanora ao aminy.

Ary avy any Etazonia, mpivady iray no nanapa-kevitra hanararaotra ny Andron'ny Zon'Olombelona mba hanao fanentanana hafa amin'ny alalan'ny lahatsary [5]momba ny karazana fanavakavahana hafa misy ao Ogandà, izay ahitana volavolan-dalàna manome alalana olona ho voaheloka ho faty noho ny maha-pelaka azy fotsiny, ary mety hametraka onitra sy sazy hafa ho an'ny fianakaviany na ny tompon'ny tany:

Mahafantatra lahatsary hafa navoaka tamin'ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny Zon'olombelona ve ianao? Azafady mba ampahafantaro anay!